Filtrer les éléments par date : jeudi, 17 novembre 2022
jeudi, 17 novembre 2022 19:58

Abakabaka : Nanainga i Artemis I

Taorian'ny fihemorana matetika an'ity sambondanitra hiazo ny volana ity, dia nanainga soamantsara tao centre spatial Kennedy Floride i Artemis I ny alarobia 16 novambra 2022 tamin'ny 9ora47min ora eto Madagasikara.

02 minitra tao aorian'ny fiaingana, dia nisaraka taminy ny tavoahangy 2 lehibe amin'ny sisiny mitondra solika manosika azy, ary nilatsaka an-dranomasina Atlantique.

08 minitra taorian'izay, nisaraka indray tamin'ny milina mpanosika afovoany izy, izay nilatsaka tany an-dranomasin'ny Pasifika.
1ora30minitra taorian'ny niaingany, dia efa nanosika ny sambondanitra Orion hiazo ny lalana mankeny amin'ny volana izy.

Hiodidina ny volana ihany anefa ity sambondanitra tsy mitondra olona ity, fa sariolona na mannequin ihany no entiny, izay feno fitaovam-pandrefesana ny fiozongozonana vokatry ny hafangainam-pandeha, mipetraka eo amin'ny toeran'ny mpanamora i Moonikin Campos, raha Helga sy Zohar kosa ny sarim-behivavy roa na bustes, izay misy taolana sy taova artifisialy mitovy amin'ny an'ny olombelona izy ireo.

Ny sarim-behivavy iray, nampitondraina lamba miaro amin'ny taratra isan-karazany, radiation, ny faharoa kosa tsy nasiana fiarovana.

Publié dans Vaovao

Tonga soa an-tanindrazana ny talata 15 novambra 2022, ireo delegasiona nisolotena an'i Madagasikara tamin'ny OPEN AFRICA 2022 taranja Jiu-jitsu Brazilian, izay natao tatsy Nosy Maorisy ny 12 novambra 2022 lasa teo.

Medaly miisa 18 no azon'i Madagasikara nandritra izany, izay mitsinjara toy izao :

Publié dans Sport

Fepetra noraisina hitazonana ny kalitaon’ny lavanila malagasy ny fanaovana fitsirihana mialohan’ny anondranana azy. Jerena amin’izany ny fatran’ny "vanilline" sy ny hamandoana, mba hitazonana ny hatsaran’ny vokatra avy eto Madagasikara.

Tokony hamaly ny filan’ireo mpividy iraisam-pirenena mantsy ny hatsaran’ny lavanila malagasy raha tiana ny hitana hatrany ny laharana voalohany manerantany amin’ny vanila natoraly.

Nanomboka ny Talata 15 Novambra 2022 moa ny taom-panondranana lavanila mankany ivelany. Malalaka ireo mpandraharaha nahazo fankatoavana ho amin’izany hivarotra ny vokatra amin’ireo mpividy iraisam-pirenena.

Publié dans Economie

Mikatona manomboka ny alarobia 16 novambra 2022 ny Faritra arovana Bemaraha. Miakatra be ny reniranon'i Manambolo vokatry ny rotsak'orana betsaka, ka izay no nambaran’ny Madagascar National Park ho antony.

Amin’ny taona ho avy 2023 indray no misokatra ho an’ny mpitsidika, indrindra ireo mpizahatany, ny Faritra arovana Bemaraha.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao