Filtrer les éléments par date : mercredi, 16 novembre 2022

Pilo kely : "Ampiroborobointsika ny fizahan-tany", "Trandrahantsika Malagasy ny harena an-kibon'ny tany"

Sao mba mpitari-bato vilam-bava, fa ny teny atao tokony hifanaraka amin'ny teti-bola iasana.

Nivoaka izao ny volavolan-dalàna laharana faha 017/2022 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna ho amin’ny taona 2023.

Teti-bola ho an'ny :

Publié dans Pilo kely

Taorian'ny Faritra Itasy sy Analamanga ary Sofia dia ny Faritra Vakinankaratra sy Ihorombe indray no hanatanterahana ny andiany manaraka amin'ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Faritra, hampahafantarana bebe ny Faritra sy ny otrikarena ananany, hisarihana mpampiasa vola sy hitadiavana lalam-barotra.

Nisy ny talata 15 novambra 2022, ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, tao amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny, Anosy, notarihin’ny Jeneraly Rakotonirina Richard, Minisitry ny Fiarovam-pirenena, no sady Minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, notronon'ny Minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana TOKELY Justin, ary ireo governoran'ny Faritra Vakinakaratra, Vyvato Rakotovao sy Ihorombe, Nomenjanahary Sareine.

Fampahafantarana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Faritra no votoatin-dresaka nandritra izany.

Publié dans Politique

Natomboka ny 14 novambra 2022 ao amin'ny lapan'ny Faritra Atsinanana ny "Guichet Unique", ho an'ny fandraharahana sy tararasy rehetra mikasika ny Taom-piotazana voankazo lodsia taona 2022.

Tsy misy fisondrotany ireo vola aloan'ireo hanao izany amin'ity taona ity, fa mitovy tamin'ny taona lasa ihany.

Ho fantatra amin'ny faran'ny herinandro izao ny daty tena hanombohan'ny fotoam-piotazana. Misy fahatarana kely izany noho ny tsy fahampian'ny rotsak'orana izay miantoka ny fahamasahan'ny vokatra.

Publié dans Economie

Tsy tafavoaka an’i Madagasikara ireo zava-pisotro saika halefa any Comores.

Tsy maintsy nopotehina ireo zava-pisotro lany daty tany Mahajanga, ho tohin’ny fangatahan’ny mpandraharaha momba ny fampitana (transitaire) BOLLORE.

Notontosaina ny Alatsinainy 14 Novambra 2022 ny fombafomba rehetra nanatanterahana izany.

Publié dans Vaovao

Lany ny faha-15 Novambra 2022 teo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny tolo-pehin-kevitra laharana 003-2022/PR mikasika ny fananganana vaomiera mpanadihady momba ilay toe-draharaha niseho tao Ikongo ny 29 Aogositra 2022. Tranga nitarika faharatrana sy namoizana ain’olona maro.

Tolo-pehin-kevitra natolotry ny solombavam-bahoaka Razafintsiandraofa Jean Brunelle, voafidy tao amin’ny Distrikan’Ikongo, sady filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, avy ao amin’ny faritanin’i Fianarantsoa izy ity.

Publié dans Politique

Noraisin’ny Minisitry ny Mponina, Soafilira Princia, tetsy amin'ny birao fiasany etsy Ambohijatovo ny solotenan'ny mpikambana avy amin'ireo varira eto Madagasikara.

Fotoana nahafahan'izy ireo namosaka mivantana tamin-dramatoa minisitra ny olana sy ny hetahetan'izy ireo amin'ny maha tompon'andraikitra voalohany amin'ny Fiahiana ny Mponina azy.

Tsia, tsy ekeko ny fanenjehana sy fanilikilihana ireo olona varira, hoy ny Minisitra. Vahaolana avy hatrany no noraisiny, dia ny handraisana ho mpiasam-panjakana ary hanendrena olona varira ho tompon’andraikitra ao amin’ny Ministera ho an’izay manana fahaiza-manao, traikefa ary toetra amam-pihetsika mifanaraka amin’izay takiana amin’izany.

Samy naneho ny fahafaham-pony tamin'izao fihaonana izao ny andaniny sy ny ankilany, ary nisy ihany koa ny famaritana ny fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta.

 

Publié dans Sociale

Miantso vonjy ny Ray aman-dReniny sy ny mpianatra ary ny mpanabe aty amin’ny CEG Ambatoboeny, noho ny voina nahazo azy ireo amin'ny fahasimban'ity fotodrafitr'asa ity.

Nofaohin'ny rambondanitra ny talata 15 novambra 2022 ny tafontrano, ary dia nihanjahanja tafo lanitra.

Efa miara-misalahy ny rehetra amin'ny fizahana sy fanaovana tombana ny fahasimbana rehetra.

Milaza ny hanolotra fanitso fanampina amin'ny fanarenana ireo trano fianarana ny Minisitra Coach Boeny Pr Elia Béatrice Assoumacou, ity farany izay mbola mamita iraka any ivelany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao
mercredi, 16 novembre 2022 17:10

No comment

No comment

 

Publié dans Fil info
mercredi, 16 novembre 2022 17:08

CNAPS : Lasa Orinasa mpanao asa soa ?

Voadidin'ny lalàna ny mpiasa rehetra andoa latsakemboka ao amin'ny Cnaps, izay Orinasa miankina amin'ny fanjakana tanteraka, ka ny 1% n'ny karama no aloan'ny mpiasa, ary ny 13% aloan'ny mpampiasa, ho fitsinjovana ny sosialin'ny mpiasa, ny volan-jaza, ny fisotroan-dronono...

Misy vola mipetraka mialoha izany ao amin'ny Cnaps, ka azony atao ny mampiasa izay vola izay amin'ny fampiasam-bola ahazona tombony, fa ny vola azo dia entina hatrany ho sitrahan'ireo mpiasa izay mandoa latsakemboka.

Misy anefa ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Cnaps amin'ny alalan'ny Tale jeneraly teo aloha, sy ireo mpikambana amin'ny filankevim-pitantanana, anome vola maimaimpoana (don) ho an'ny fikambanana samihafa, anisan'izany ny vola 150 000 000ar ho an'i AFF - Andry sy fototra ho an'ny fampandrosoana, izay vadina mpandraharaha akaiky fitondrana no mitantana azy.

Publié dans Politique
mercredi, 16 novembre 2022 07:01

No comment

No comment

 

Publié dans Fil info