Filtrer les éléments par date : mardi, 15 novembre 2022

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana, TOKELY Justin, ny Masoivohon'ny Firenena Frantsay monina sy miasa eto Madagasikara, Arnaud GUILLOIS, ny alatsinainy 14 novambra 2022.

Ny Firenena Frantsay moa dia efa niara-niasa tamin'i Madagasikara hatrizay, ka ny " Service de Coopération et d'Action Culturelle ( SCAC )" sy ny" Agence Française de Développement ( AFD )" no mpiara-miasa akaiky amin'ny Ministeran'ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana.

Publié dans Politique

Miroso ny fanamboarana ny lalana mirefy 130Km mampitohy an'i Mahanoro - Marolambo, ao amin’ny Faritra Atsinanana.

Herintaona lasa, 14 Novambra 2021, no nidina tany Menagisy nijery ny faharatsian'ny lalana ny Minisitry ny Asa vaventy sy ny Goverinoran'ny Faritra Atsinanana ary ny Solombavambahoaka voafidy tao Mahanoro, ankehitriny mandroso ny asa lalana.

Efa tonga ao amin'ny tanànan'i Beanana, 40 km miala avy ao Mahanoro ny asa fanamboarana.
Efa manomboka mitatitra olona ireo fiara Sprinter.

Publié dans Vaovao
mardi, 15 novembre 2022 12:02

Fanatanjahantena : Nodimandry i Henri Roger

Nodimandry omaly Alatsinainy 14 novambra 2022, ny Filohan'ny Federasiona Malagasy ny Atletisma taloha, Henri Roger.

Publié dans A la Une

Natomboka ny 04 novambra 2022 ny asa fandrakofana tara ny lalana mampifandray ny RN58A sy Andranotapahina.

Vinavinaina hifarana ny 16 novambra 2022 ny asa fandrakofana tara io ampahan-dalana io.

Aorian’izay dia hitohy amin’ny fandrakofana tara ny « Route de la Francophonie », izay nampiasaina vonjimaika nanomboka ny taona 2016 ny orinasa, ka ny 17 hatramin’ny 25 novambra indray no hanatanterahana ny asa.

Ireo asa ireo dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanamboarana ny lalana migodana mampitohy ny seranam-piaramanidina Ivato sy ny tsenan’ny Asa Tanana Malagasy, ary ireo sampany telo ny « Route de la Francophonie », asa izay tanterahin'ny orinasa sinoa CRBC (China Road and Bridge Corporation).

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Economie

Tafiditra ao anatin'ny "Plan Emergence de Madagascar (PEM)" ny tetikasa lehibe, izay hiandraiketan'ny Ministeran'ny Asa Vaventy, dia ny "Route du Soleil", izay ahitana ireo lalam-pirenena mampitohy ny Faritra Atsimo mamakivaky ny ilany Atsinanana, ka hatrany amin'ny ilany Avaratr'i Madagasikara.

Faritra valo no voakasiky ny tetik'asa, dia ny Faritra Anosy, Androy, Atsimo Andrefana, Fitovinany, Vatovavy, Atsinanana, Analanjirofo, SAVA ary DIANA.

Lalam-pirenena miisa enina (6) no hasiam-panamboarana, izay mitotaly 1 950 km :

Publié dans Economie
mardi, 15 novembre 2022 10:50

Antsiafabositra : Olona 6 matin'ny varatra

Trano telo nirehitra, olona miisa enina maty tsy tra-drano nilatsaham-baratra tao amin'ny tanàna

Ampisavanankaratra, Kaominina Antsiafabositra,
Disitrika Maevatanana.

Ny Alatsinainy 14 novambra 2022 tokony ho tamin'ny 5 ora mairaina no niseho ny loza.

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Tselatra