Filtrer les éléments par date : dimanche, 13 novembre 2022

Miisa valo ny Faritra ahitana tranga vaovao Covid-19 tamin'ity herinandro hivalona ity, raha ny tatitra navoakan’ny Ministeran’ny fahasalaman-bahoaka.

71 ny tranga vaovao, ka maneho fahasarotana ny 3 amin'ireo. Tsy nisy kosa ny aina nafoy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nitondra fanampiana ho an’ireo Vahoaka sahirana aty amin'ny Fokontany Ekonka, Kaominina Ambonivohitra Ambovombe Androy, ny solombavambahoaka voafidy tao Ambovombe Androy, sady Kestora voalohany ny Antenimieram-pirenena, Jean Michel Henri.

Vary 100 gony natao ho an'ireo izay tena sahirana no nozaraina, nisy ihany koa ny fanomezana rano fisotro, amin'ny alalan'ny kamiao Citerne, natolony ho an'ireo vahoaka sahirana ireo.

Publié dans Sociale

Nampahafantatra ho fanta-bahoaka tamin’ny Facebook ny tombanezaka, na "entretiens", natao tamin'ireo ampahany voalohany tamin'ny Tale Mpitantana ambony ao amin'ny Jirama ny minisitry ny Angovo sy ny Akoran'afo, Andry Ramaroson.

Vita omaly sabotsy 12 novambra 2022 ny tombanezaka.

Olona dimy, araka ny fanazavany, no manome naoty dia (1) ilay Tale tombanan'ezaka, (2) ny Tale Jeneraly, (3) ny CA na Conseil d'administration, (4) ny PCA na ny Président du Conseil d'Administration ary ny farany faha (5) dia ny Minisitra. Atambatra ny naotin'izy 5 dia alaina salanisa (moyenne).

Publié dans Tselatra

"Amin’ny alahelo no ilazana amintsika ny zava-niseho izao maraina izao : nisy olon-dratsy nifofo ny aiko.

Lehilahy 2 teo ambonin’ny scooter mainty no nanatona ka nitifitra ny fiarako raha nanao fitsidihana ny Tanàna toy ny mahazatra aho isaky ny alahady.

Tsy nisy ny aina nafoy ary salama tsara aho sy ny namako niaraka tamiko. Nitsoaka moa ry zareo fa efa misokatra ny fanadihadiana", hoy ny filazana nataon'i Naina Andriantsitohaina, Ben'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra, androany maraina, tao amin'ny pejiny Facebook.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique