Filtrer les éléments par date : samedi, 12 novembre 2022

Nitohy Tao amin'ny Kaominina ambanivohitra Tsaratanana, Distrikan'i Boriziny ny fitsidihan’ny delegasiona tarihin'ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana, TOKELY Justin, ny Faritra SOFIA, notarihan'i Governora Lylison René de Rolland, ny alakamisy 10 novambra 2022.

Mahakasika ny hetsika fanomezana didy misolo sora-pahaterahana sy fanomezana karapanondrom-pirenena faobe maimaimpoana, dia voaporofo tao amin'ity Kaominina Tsaratanana ity, fa tena maro ny salanisan'ny olona feno taona tsy manana kopian'ny sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena, antony iray maha- zava-dehibe ny fisian'ny hetsika tahaka izao.

Araka izany dia mitohy hatrany ny fanentanana ireo tompon'andraikitra isam-pokontany handray ny andraikiny avy, ao anatin'izao hetsika izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Notanterahina voalohany teto Madagasikara ny 11 novambra 2022, ny « Fikaonan-doha ho fisitrahana asa mendrika », nokarakarain’ny « Organisation Internationale du Travail », ka « Ny fiakaran’ny harinkarena lovain-jafy, miompana amin’ny maha-olona ao anatin’ny rohim-pamatsiana eto Madagasikara » no lohahevitra tamin’izany.

Fifanakalozana izay nandinihana ny tolotra miseho sy ny fanamby apetraka amin’ny fanomezana asa mendrika, ary ny fitantanana ny lafiny sosialy sy tontolo iainana, mba hampiroborobo ny indostria lovain-jafy, sady tsy mena-mitaha eo amin’ny sehatry ny fifaninanana.

Nandray anjara tamin’ny fikaonan-doha ny Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, ka notsiahiviny fa voafaritry ny velirano faha-enina napetraky ny Filohan’ny Repoblika ny fomba hivoarana hampitomboana ny tahan’ny asa mendrika eto Madagasikara, manaja ny zon’ny mpiasa sy ny mpampiasa ary mijery ny maha-olona :

Publié dans Politique

I Amerika avaratra dia fivondronan'ireo Etats 50 mandrafitra ny Etat fédéral, marihina amin'ny kintana 50 eo amin'ny Sainam-pirenena amerikanina.

Répoblika ny firenena amerikanina, ary fitondran'ny filoham-pirenena, régime présidentiel.

Ao Washington, distrikan'i Columbia ny Renivohitra federaly, izay tsy ao anatin'ireo Etat 50 mandrafitra ny Etats-Unis d'Amérique.
Ny dolara no vola iombonana. Tsy misy fiteny ofisialy, fa ny teny angilisy amerikanina no teny fiteny mahazatra.

Rafitra politika :

Mihorina amin'ny singa 3 :
- Répoblika
- Demokrasia
- Féderalisma.

Publié dans Editorial