Filtrer les éléments par date : vendredi, 11 novembre 2022

Tonga soa aman-tsara teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny alakamisy 10 novambra 2022 ireo mpianatra Malagasy andiany voalohany, nalefan'ny fitondram-panjakana nandrato fianarana tany Maroc. Miisa 11 izy ireo no tonga.

Ny andiany faharoa avy ao Maroc sy ny avy any Rosia kosa dia ho avy ny 18 novambra 2022.

Publié dans Vaovao

Notanterahina ny zoma 11 Novambra 2022 tao amin’ ny FOFIFA Ampandrianomby, ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa « Café RATELO », tetikasa izay iarahan’ny FOFIFA sy ny Ivontoerana Fikarohana Nestlé.

Hohatsarain’ny tetikasa ny kalitaon’ny « Kafe Arabica », hahafahana miatrika ny tsena iraisam-pirenena. Ny kafe Arabica mantsy dia kafe be mpitady indrindra eo amin’ ny tsena ivelany, noho ny hatsaran’ny kalitaony.

Marihina anefa fa mbola ny 5% n’ny vokatra kafe eto Madagasikara ihany no avy amin’ny vokatry ny kafe "Arabica", raha ampitahana amin’ny Kafe « Robusta », ary tsy nahitana fivoarana ny taham-bokatra hatramin’ny nampidirana azy teto, noho izy tsy mifanaraka sy tsy dia mahazaka ny toe-tany sy ny toetr’andro ety amin’ny faritra afovoan-tanin’ i Madagasikara.

Publié dans Economie

Raha nosokafana tamin'ny fomba ofisialy teto amin'ny Faritra Analamanga ny 28 jolay 2022 ny atrik'asa fakan-kevitra isam-paritra handrafetana ny Drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo eto Madagasikara, dia nofaranana tao amin'ny Faritra Atsimo Atsinanana izany androany zoma 11 novambra 2022.

Notanterahina nandritra ity herinandro ity ihany koa ny atrikasa tao amin'ny Faritra Melaky, Vatovavy ary Fitovinany.

Betsaka ireo hevitra voaangona, ary hisy ny atrikasa nasionaly handravonana izany rehetra izany atsy ho atsy.

Ny tanjona dia ny hisian'ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana mizaka tena sy mandray andraikitra mba ho antoky ny fampandrosoana an'i Madagasikara.

 

 

Publié dans Tselatra

Nihaona tamin’ny teknisian’ny Vondrona Eoropena misahana ny miralenta teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny zoma 11 novambra 2022 ireo mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny miralenta sy fampandrosoana eto amin’ny Antenimieram-pirenena, izay notarihin’ny Solombavambahoaka MASY Goulamaly.

Noresahina tamin’izany ireo zavatra mety azo hiaraha-miasa mba ho amin’ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy. Voaresaka ihany koa ireo hita fa sakana ao amin'ny lafiny miralenta sy ny zon’ny vehivavy, toy ilay tolo-dalàna tsy nankatoavin’ny HCC, ho amin’ny fampandraisana andraikitra ny vehivavy, sy ny tsy fifankazahoan-kevitra amin’ny resaka VBG (Violences Basées sur le Genre) sy ITG (Interruption Thérapeutique de Grossesse).

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Ny fikambanana Green N’Kool, izay tarihan’i Marie Christina Kolo sy Rajonaina Kevin Andriamasinavalona, avy eto Madagasikara, no nahazo ny laharana faha 2 tamin’ny fifaninanana « Prix des solutions et initiatives innovantes des jeunes francophones à la COP 27 », izay nokarakarain’ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) tamin’ity COP 27 ity.

Tetikasa « Alt soap », fanodinana menaka sakafo, izay efa tsy ampiasaina intsony ho lasa savony fampiasa ao an-tokatrano no naroson’izy ireo tamin’izany, ka nahazoan’izy ireo izao fandresena izao.

Publié dans Sociale

Nitsidika ara-pomba fanajana ny Filohan’ny CENI, DAMA Andrianarisedo, teny amin’ny foiben-toeran’ny CENI teny Alarobia, ny Masoivohon’i Frantsa vaovao, miasa eto Madagasikara, Andriamatoa Guillois Arnaud, ny alarobia 9 novambra 2022.

Nanambara ity masoivoho ity fa, « mifantoka amin’ny fizotry ny fampandehanana ny fikirakirana sy fanomanana ny fifidianana eto Madagasikara i Frantsa, ary manohana hatrany ny ezaka ataon’ny CENI, hahatongavana amin’ny zotram-pifidianana madio, andraisan'ny mpiantsehatra rehetra anjara, ary eken’ny rehetra ».

 

 

Publié dans Politique

Notendren’ny Papa Fransoa ho Evekan’Ambanja, androany 11 novambra 2022 i Mompera Randriamalala Donatien Francis.

Publié dans A la Une

Nitondra ny anjara birikiny, ho fanohanana ny Ekipa COSPN, hiatrehany ny lalao fifaninanana Afrikana " Road To BAL Élite 16", hatao any Afrika Atsimo ny 22 hatramin'ny 27 Novambra 2022 ny Federasiona Malagasy Basketball-FMBB, ny Alakamisy 10 Novambra 2022, tetsy amin'ny Foiben'ny Federasiona etsy 67ha.

Nisolo tena ny FMBB ny Filohan'ny FMBB Ramaroson Jean Michel.

Tetsy ankilany, dia naneho ny fankasitrahana ihany koa ny COSPN, tamin'ny alalan'ny Talen'ny Kabinetran'ny Ministeran'ny filaminana anatiny, Kaomisera Divizionera Randriambelo Ny Aina.

Eo amin'ny lafiny teknika dia vonona hiatrika ny fifaninana any Afrika Atsimo ny COSPN, araka ny nambaran'ny Filohany ny Kaomisera SAMY Harisson.

Hisolo tena ny Federasiona mandritra ny Lalao fifaninana " Road To BAL Élite 16" hatao any Cape Town i Tsimbina Andrianaivo, mpikambana eo anivon'ny Federasiona.

 

 

Publié dans Sport