Filtrer les éléments par date : jeudi, 10 novembre 2022

Tanterahina any Etazonia ankehitriny ny fifidianana manasaka fotoam-piasana, hifidianana ny ampahany amin'ireo senatera, solombavam-bahoaka, governora, fitsapankevi-bahoaka momba lohahevitra ilaina isaky ny Etat.

Raha nilaza i Elon Musk ny volana aprily 2022, tamin'izy hividy ny tambajotra Twitter, amin'ny sandany 44 miliara dolara, fa hijanona tsy omba ny atsy na ny eroa izy, ary tsy ampiditra resaka politika amin'ity tambajotra-tserasera ity, dia nanao antso indray izy, hifidy ny kandida Repoblikanina.

Tsy adino moa fa ny filoha amerikanina teo aloha Donald Trump, Repoblikanina, dia noraran'ny Facebook, Youtube haneo hevitra teo amin'izany tambajotra izany, satria nohelohan'izy ireo ho tompon'antoka tamin'ny fitaritana ireo mpomba azy hanani-dapa tamin'ny tsy nanekeny ny voka-pifidianana filoham-pirenena naharesy azy.

Mitarika kely amin'ny fifidianana moa ny Repoblikanina izao, na dia tsy ilay fandresena miezinezina nandrandraina aza, manoloana ny fitondrana demokraty ankehitriny.

 

Publié dans Politique

Hotanterahina ny 8 hatramin’ny 11 desambra 2022, eny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny adihany voalohany FIEPA «Tsenabe iraisam-pirenena momba ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy», hetsika izay karakarain’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, sy ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatra tsy miankina.

Sehatra iray fanomezan-danja sy fampiroboroana ny fiompiana eto Madagasikara ny FIEPA. Natao hamporisihana ireo mpandraharaha ara-pamokarana ihany koa, hampiasa vola anatin’ny fiompiana, satria mbola malalaka tokoa izany, na eo amin’ny tsena anatiny na ivelany, ary tsy hihanona amin’ny vokatra kely hananana, fa hamokatra hatrany na ara-kalitao na habeazana.

Efa maro ny paikady fampandrosoana ity sehatra ity, izay efa nankatoavina nandritry ny fihaonam-bempirenena ho an’ny fiompiana, ary dingana lehibe hirosoana ho amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo izany.

 

Publié dans Economie

Nisy fiantraikany goavana teo amin’ny sehatry ny fanatsarana ny famokarana sy ny fahatsaran’ny kalitaon’ny vary, noho ireo fanapariahana ny teknikam-pambolena PAPRIZ, ary ny fampihenana ny fahaverezan’ny vokatra eo am-piotazana.

Na teo aza ny fiakaran’ny vokatra nandritra ny taom-pamokarana 2021-2022, izay nahatratra hatramin’ny 4 443 000T, dia mbola manafatra vary ihany i Madagasikara ahafahana mameno ny tsy ampy.

Ankehitriny 10% ny vary hohanina dia mbola hafarana avokoa.

Ahafahana mampiroborobo ny fanondranana vary manoloana izany, dia ilaina ny paikady fanondranana mazava sy voarafitra tsara. Arak’izany dia nanatanteraka atrikasa, ny 8 Novambra 2022, ny tetikasa PAPRIZ, izay eo ambany fiahian’ny Ministeran'ny fambolena sy fiompiana, nandinihana ireo drafitra namoahana paikady fanondranana vary.

Publié dans Economie

Notanterahina ny alakamisy 10 novambra 2022 tao Beamalona, Kaominina Anivorano-Nord, Distrika Antsiranana II, ny fanaovam-beloma farany ny mpanakanto Bezara Ernest na Dedesse, ka nanondrotana azy ho amin’ny laharam-boninahitra "Commandeur de l'Ordre National Malagasy".

Nodimandry teo amin’ny faha-71 taonany ny alahady 6 novambra 2022, maraina tao Antsiranana i Dedesse.
Aretina diabeta no voalaza fa nitarika izao fahafatesany izao.
Namela kamboty 5 mianadahy izy.

 

Publié dans Art et Culture

Noraisin'ny Minisitry ny tanora sy ny Fanatanjahantena TINOKA Roberto tao amin'ny toeram-piasany Ambohijatovo, androany Alakamisy 10 novambra 2022, i RAKOTOVAO Nandrianina Réginah Tatiana, "Miss Île de Madagascar 2023", izay avy any Toliara, faritra Atsimo Andrefana".

Nanolotra lelavola ho fanampiana ny fianakaviany sy tapakila fiaramanidina ho amin'ny fiverenany any Toliara, ary hikarakarana ny fandraisana azy amin'ny Alahady 13 novambra 2022 izao, ny Minisitra nandritra izany.

 

 

Publié dans Art et Culture

Mitohy ny asa fanamboarana ny ampahan-dalana mampitohy an'Antananarivo sy Antsirabe, eo amin'ny PK 145 hatrany amin'ny PK 165, mirefy 20km, asa izay sahanin'ny orinasa MAGIC.

Mahatratra any amin'ny 50% ny fandrosoan'ny asa ankehitriny. Misy ny ampahan-dàlana simba tanteraka, ka tsy maintsy averina ny fametrahana ireo : "couche de base, couche de fondation" ary ny "couche de roulement", izay hatao tara.

Publié dans Vaovao

Tontosa ny alakamisy 10 novambra 2022 ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny tranom-barotra « Super U » voalohany tetsy Analakely Antananarivo.

Notsindrian’ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ity tranombarotra lehibe ity, fa fanombohana ihany ity androany ity, ary mbola hisy ny fitokanana ireo tranombarotra « Super U » amam-polony manerana ny Nosy, ho fanatsarana ny tolotra, sy famaliana ireo filàn’ireo mpanjifa eto Madagasikara.

« Manohana hatrany ny sehatra tsy miankina ny Ministeran'ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa, sy ho fanomezana azy ireo kalitao tsaratsara kokoa, ary indrindra manaraka ny fahefa-mividin’izy ireo.

Publié dans Economie

Minisitry ny ati-tany TOKELY Justin : Nanome baiko ireo lehiben'ny fokontany sy ny mpiara-miasa aminy hitety tokantrano haka ny anaran'ireo olona tsy manana ny kopia sy karapanondro mba ahafahan'ny fanjakana manome azy ireo izany

Mitohy ny hetsika fanomezana didy misolo sora-pahaterahana, sy fanomezana karapanondrom-pirenena faobe.

Mahomby ny fomba fiasa eny ifotony, satria maro ny olom-pirenena no efa nisitraka izany ankehitriny.

Ny eny ambanivohitra no maro voakasiky ny tsy fananana an'ireo taratasy ireo, noho ny antony maro samihafa, anisan'izany ny fahalaviran-toerana.

Izany indrindra no antony anaovana ny hetsika isaky ny Kaominina.

Publié dans Politique

Nindaosin'ny fahafatesana ny alakamisy 10 novambra 2022 maraina i Harinjatovo Rakotondramanana, na Hary Kalizy.

Taizana diabeta izy, ary io no nitarika tsy fahasalamana ho azy, ka nidirany tao amin'ny Klinikan-dry Masera Ankadifotsy nitsaboana azy, saingy tsy tana ny ainy.

Mpanentana fandaharana tamin’ny haino aman-jery tsy miankina M3TV, tao Mahajanga i Hary Kalizy.
Mpilalao sarimihetsika tamin'ilay andian-tantara Malok'ila izy, ary Ralay no solon'anarana nentiny teo amin’ny tontolon'ny sarimihetsika.

Efa solombavambahoaka voafidy tao Mahajanga I ihany koa i Hary Kalizy.

 

Publié dans Art et Culture
jeudi, 10 novembre 2022 09:46

Viavy nahazo ladouche

Oh, anareo lalahy io, mba mindao miseky hely, fa tsy viavy ela ladouche ataonareo excuse.

Mila misasa, soloina slip, fa tsy 1 semaine araiky mille bande igny fo anaovagna.
Esorina hely volovolo jiaby, mi rase hely quoi.

Zay, aza mantsigni-keliky, rakorakôfagna déodorant.

Patrick

Publié dans Pilo kely