Filtrer les éléments par date : dimanche, 02 octobre 2022

Vita ary notsofin-drano androany alahady 02 oktobra 2022 ny "Grand séminaire interdiocesain Saint François de Sales" eo anivon’ny Fiangonana katolika miorina ao Analamalotra Toamasina.

Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny Sorona Masina, nanamarihana izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Nankasitraka ny Fiangonana katolika ny filoha noho ireo asa maro be fanasoavana vahoaka ataony manerana an’i Madagasikara, ary naneho ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana hanohy hatrany ny tolo-tanana sy fifanampiana amin’izany.

Publié dans Sociale

Notontosaina androany Alahady 02 oktobra 2022 ny lanonana fanombohana amin'ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana ireo lalam-pirenena simba tamin'ny fandalovan'ireo rivodoza tamin'ity taona ity.

Ny tetikasa PDDR "Projet de Développement Durable des Routes" sy CERC "Composante d'intervention d'urgence et de contingence" izay vatsian'ny Banky iraisam-pirenena vola mitentina 100 000 000 dolara no tompon'antoka amin'ireo asa fanarenana ireo.

Tonga nanome voninahitra ny fanombohan'ireo asa, izay notanterahina tany Toamasina amin'ny lalam-pirenena faha-5 (RNS 5), izay mampitohy any Toamasina sy Foulpointe, ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, notronin'ny Minisitry ny Asa Vaventy Jerry HATREFINDRAZANA sy ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta, ny Governora Faritra atsinanana, Rafidison Richard Théodore, ary ireo olon-manankaja aty amin'ny Faritra Atsinanana.

Publié dans Vaovao

Ny semi-conducteur dia singa elektronika mampandeha ireo fitaovana ilaina amin'ny fiainana an-davanandro, na ireo fitaovana fitsaboana, ara-tafika, fiaramanidina, sambo, finday, solosaina, fiarakodia, famokarana herinaratra, banky...(Azo tsotsorina hoe puces électroniques)

Efa tamin'ny taonjato fa XIX, 1833 moa no efa nahitan'i Michael Faraday, fa misy karazana vy rehefa ampitomboina ny hafanany, dia mitondra na tsia herinaratra izy.

Ny taona 1954 no nanomboka nanamboatra ny Transistor tamin'ny silicium i Gordon Teal, tao amin'ny orinasa Texas Instruments.

Ny taona 1958 kosa no nipoitra ny circuit intégré, voka-pikarohan'i Jack Kilby, tao amin'ny Texas Instruments.

Publié dans Editorial

Magazay 500 no nakatona, mpiasa 2600 no nahatsahatra amin'ny asany, omaly sabotsy 1 oktobra 2022, manerana an'i Lafrantsa.

Izay no fanapahana nataon'ny Tribonaly momba ny varotra, rehefa tsy tafarina intsony ity mpaninjara ankanjo efa vita, na prête-à-porter ity.

Trosa efa 90 tapitrisa Euro no nobabeny, nefa ny orinasa tsy nahavita nanarina izany, nandalo teo avokoa ny krizy vokatry ny Covid-19, ny ady misy any Ukraine, ny fihenan'ny fahefa-mividin'ny mpanjifa, ny fiovan'ny filàna, sy ny fifaninana maneran-tany amin'ny resaka lamba, toy ny fakan-toeran'i Sina amin'io sehatry ny varo-damba io.

Publié dans Economie

Taorian'ny fanazaran-tena ambany ranomasina, niarahan'i Séoul, Tokyo, Whashington, ary vao niala tao Korea atsimo ny filoha lefitra amerikanina, ramatoa Kamala Harris, dia nandefa missile mahataka-davitra 2 ny tao Pyongyang, Korea Avaratra, ny sabotsy 1 oktobra 2022.

Nanidina ny habakabaka mahatratra 350km ny missile roa, ary mahatakatra 30km ny haavony, amin'ny afainganam-pandeha Mach 6.

Nanameloka izany fihetsika izany moa i Korea atsimo, ary i Japon eo akaiky ihany koa nanambara fa nianjera ivelan'ny habakabaka misy azy aloha hatreto izany missile izany, ary nanamafy kosa fa efa matetika loatra izao fihetsika ataon'i Korea Avaratra izao. Rahateo toa missile azo voizina manomboka ety an-tany, ka avily amin'izay hitiavana azy ireto missile ireto, ka manahy ny tena tanjona amin'izao fiantsiana izao ry zareo.

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Politique