Filtrer les éléments par date : mardi, 11 octobre 2022

Vao marainan'ny alatsinainy 10 oktobra 2022, dia nivatravatra toy ny orana ny baomba sy missile azo voizina nalefan'ny tafika rosianina manerana an'i Ukraine.

Publié dans A la Une

Tranga izay anisany niteraka resabe amin’ny tambazotra sosialy Facebook, sy tamina haino aman-jery sasany ny fampiasana lalana ao Andranobe sy Andrafiamena ao Nosy Be, Faritra DIANA.

Andaniny misy taratasy, arahina sonia, nataona andian’olona vitsivitsy, nisy nanely amin’ny Facebook, mitaraina fa sakanan-dRazafindravony Marifidy Christine, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Tatie Chris, ny lalana efa nampiasain’ny razamben’ny mponina ao amin’io faritra io.

Etsy ankilany, ny loharanom-baovao hafa manazava fa, nividy tany mirefy 33 hektara ao amin’io faritra io i Tatie Chris ny taona 2005.

Nohajariany ilay toerana, ary nanofa fitaovana vaventy mihitsy izy nentina namaky lalana namakivaky io taniny io, nanamora ny fandehanana tamin’ireo tany famokarana sy fiompiany.

Publié dans Vaovao

Misy firehetana ao amin'ny Réserve spéciale Ambohitantely ao Ankazobe amin'izao fotoana izao, nefa mbola sarotra ny fifehezana ny afo.

Koa manao antso avo ny Ministeran'ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy.

Miantso ny rehetra hifandrimbona hifanampy amin'ireo efa miatrika izany any an-toerana, izay ahitana ny fokonolona ao amin'ny Fokontany Maridaza sy Firarazana, ny mpitandro ny filaminana, ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana Analamanga, ary ny mpitantana ny faritra arovana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Naneho ny heviny mikasika ny fitrandrahana solika ao Tsimiroro i Hajo Andrianainarivelo, filoha nasionalin’ny antoko MMM (Malagasy Miara Miainga).

Hoy indrindra izy : "Dingana iray lehibe, no sady fandresena ho an'i Madagasikara ny fivarotana ny menaka mavesatra avy ao Tsimiroro, eo amin'ny tsenam-barotra anatiny. Efa nandrandraina hatry ny ela izy io, ka tokony ho ampiasaina amin'ny antsakany sy andavany, mba tena hampiroborobo ny toe-karena malagasy.

Mora kokoa noho ny menaka mavesatra hafarana avy any ivelany ny vokatra avy ao Tsimiroro, betsaka noho izany ny olana azo vahana eo amin'ny angovo mahazo ny firenena.

Publié dans Politique