Filtrer les éléments par date : lundi, 31 janvier 2022

Mbola mipetraka ny fepetra ankehitriny fa tsy maintsy eo Ivato Antananarivo ihany no mahazo miainga ny sidina iraisam-pirenena, na ireo fiara-manidina ivoaka ivelan'i Madagasikara, ary TSY MAHAZO mijanona na midina amin'ny toerana na faritra hafa, fa vao miainga dia mizotra mivantana any amin'izay firenena hafa alehany.

Izany hoe, tsy mahazo akory manao escale technique na anampy solika, na hanao kofakoja hafa. Izay fiara-manidina tsy manana izay erijika hisidina mivantana amin'izay alehany izay, dia foanana ny diany (annulation de vol), na ahenany ny lanjan'ny entana sy olona entiny (réduction de charge), mba ahavitany mandeha amin'izay alehany izay.

Ka nahoana ny sidina TOA B90 5R AMR tokony nihazo an'i Moroni ny alahady 30 janoary 2022 no nahazo nanao escale technique hanampy solika tatsy Mahajanga, izay fantatra tsara, fa fiara-manidina mahavita sidina tsy manampy solika ao anatin'ny 5ora, nefa maketsy Moroni zara raha sidina 2h40 dia tody any?

Ny Presidence moa no mpanome alalana tokana ireo fiara-manidina miditra sy mivoaka avy any ivelany ankehitriny.

Tafandria mandry e.
Patrick

(Sary nindramina TOA - Trans Ocean Airways - C90A King Air - 5R AMR)

 

Publié dans Pilo kely

Tonga vao maraina androany alatsinainy 31 janoary 2022, tamin'ny fiaramandina, aty Mahajanga ireo teknisianina hanamboatra ilay fiaramanidina nofain'i Banky iraisam-pirenena omaly alahady 30 janoary 2022, saika hiazo an'i Moroni, raha toa ka mbola nidina nanampy solika taty Mahajanga, rehefa niainga sy nanao ny fombafomba rehetra ahafahana mivoaka an'i madagasikara tao Ivato Antananarivo.

Nisidina 5 minitra niala an'i Mahajanga moa ity fiara-manidina nitondra mpandeha 5 sy mpanamory roa ity omaly dia nitodi-doha niverina nipetraka teto Mahajanga noho ny olana ara-tekinika.

Natory teto Mahajanga ireo mpandeha, ary fantatra hatreto fa rehefa vita ny fanamboarana ny fiara-manidina dia hiverina any Antananarivo fa tsy hanohy ny dia avy hatrany ho any Moroni.

Noho ny fepetra mitoetra ankehitriny dia tsy maintsy ao Ivato ihany no afaka manao ny fombafomba rehetra ivoahana ny sisin-tanin'i Madagasikara, dia tsy maintsy mamerina izany fepetra izany ity fiara-manidina ity raha mbola anohy ny dia any Moroni.

(Sary fiaingana Ivato ny 30 janoary 2022)

 

Publié dans Tselatra