Filtrer les éléments par date : dimanche, 30 janvier 2022

Avion TOA B90 5R AMR hiazo an'i Moroni, niainga teo Ivato Antananarivo, nidina naka solika ao Mahajanga.

Publié dans A la Une

Manoloana ny tondra-drano ka mahatonga mpiray Tanindrazana ho tra-boina, dia nitondra ny fandraisany anjara ny Ministeran'ny Fitsarana. Fanampiana izay naterina androany Alahady 30 Janoary 2022 teny amin'ny Fokontany Ampefiloha, Kaominina ambanivohitra Fiadanana, anatin'ny Distrikan'Ambohidratrimo.

700 ny isan'ny mponina ao, ka 200 mahery no tra-boina. Tsy adino ireo tra-boina amin'ny Fokontany hafa ao anaty Distrikan'Ambohidratrimo.

Nanatitra ny fanampiana sy nisolo tena an'Atoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana IMBIKI Herilaza, ny delegasiona notarihin'ny Tale misahana ny Fandaharan'asa ny Fanaraha-maso sy ny Tombana (DPSE) sy Atoa DAFP.

Nanotrona teo koa ny Solombavambahoaka voafidy ao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo, ny Ben'ny Tanàna teo aloha ary ny Filohan'ny Fokontany Ampefiloha.

Nanolotra vary 2 taonina (ny 10 gony nomena tao amin'ny Fokontany Ampefiloha), tsiasisa 2 gony, tsaramaso 1 gony (ho an'ny Fokontany Ampefiloha), savony 5 baoritra (ny 2 baoritra nomena tao amin'ny Fokontany Ampefiloha), menaka 60 litatra (20 litatra nomena ny Fokontany Ampefiloha) ary sira 1 gony (50 sachets nomena tao amin'ny Fokontany Ampefiloha) ny ministera.

 

Publié dans Sociale

01 - 07 janoary 2022 : Maty 54

08 - 14 janoary 2022 : Maty 52
15 - 21 janoary 2022 : Maty 54
22 - 28 janoary 2022 : Maty 51

Volana janoary 2022 : Maty 211

Raha 1 na 2 teny ampiandohana no namoy aina tamin'ity valanaretina ity, dia niraradraka ny fepetra ara-pahasalamana, hatramin'ny fihiboana tanteraka.

Publié dans Tselatra
dimanche, 30 janvier 2022 16:45

Céline Ratsiraka : Feno 84 taona androany

Mitsingerina androany 30 janoary ny taona nahaterahan'ny vadin'ny filoha teo aloha, efa nodimandry, Didier Ratsiraka, sady filoha mpanorina ny Akaninjaza Arema, Céline Ratsiraka. Feno 84 taona ity farany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra