Téléférika sa tracteur ?
151 000 000Euro ny téléferika 13km
5 000euro ny tracteur mahavita ny filana fambolem-bary, atao hoe 10 000euro hatramin'ny kojakoja hafa miaraka aminy.
151 000 000Euro/ 10 000Euro = 15 100 tracteurs = Mahazo 10 isaky ny Kaominina ambanivohitra, na 1 isam-pokontany.
Azo heverina hamokatra vary hatramin'ny 10 000 000tonnes ireo, raha 4 000 000tonnes monja no filan'ny malagasy 1 taona.
6 000 000tonnes x 500$ = 3 milliards de dollar anatin'ny taona 1.
Sady voky vary tsy afarana intsony isika izany, no mbola ampidi-bola vahiny 3 milliards de dollar.
Tafandria mandry
Patrick
IMBIKI Herilaza : Nanao ny asa sosialy teny Andavamamba ho fanamarihana ny fiarabana ny taona vaovao
Nifanome tanana ho an'ny mponina eny Andavamamba ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana IMBIKI Herilaza, ka nanampy tamin'ny fanamboarana ny tetezana 210 metatra vita amin'ny hazo mba hifamoivoizana.
Tsy diso anjara tamin'izany ihany koa ireo mponina tena sahirana ka notolorana vary 15 gony, menaka 250 litatra izy ireo.
Izany rehetra izany moa dia natolotra teo anatrehan'ny Sefo fokontany.
(Jereo Sary Tohiny)
Ambovombe Androy : Manohy ny asa sosialy efa fanaony ny Kestora HENRI Jean Michel
Tohin'ny asa sosialy izay fanaon'i Solombavam-bahoaka voafidy tao Ambovombe Androy, ny Kestora voalohany, HENRI Jean Michel, dia tokantrano maro indray, izay anatin'ny vahoaka tena sahirana ao amin'ny Fokontany Berary, no nozaraina sakafafo (Vary sy Laoka) tamin'ity fankalazana ny fahatongavan'ny taona vaovao 2022 ity, ka Vary 5kg sy hena no natolotro tamin'izany, mba ho fiarahana mifaly amin'ireo vahoaka.
Vaky trano, fanendahana : Voasambotra i Besedra rehefa ela nokarohina
Voasambotry ny Polisy ny Alahady 2 janoary 2022 i Besedra rehefa nokarohina tamin'ny resaka fanendahana, sintomahery sy vaky trano.
Manana namana maro izy, izay mbola ifampitadiavana mandraka ankehitriny.
Tsiafahy sy Antanimora, dia samy efa zary kilalao aminy satria efa mpamerin-keloka izy.
Ntolotra ny Fampanoavana androany, fa ireo namany mbola karohina.
Fetin’ny taom-baovao : Banga 240 litatra ny toaka gasy
Tra-tehaky ny zandary any Moramanga, tao Ambodimanga, Sabotsy Anjiro, eo amin’ny PK 77 amin’iny lalam-pirenena faha-2 iny ny alarobia faha-29 desambra teo, vao maraina be, ny toaka gasy 240 litatra.
Bidons miisa 12 nafenina teo anelanelan’ny gonin-katsaka sy kafe milanja 8 taonina avy any Vatomandry ireto zavapisotro mahamamo saika nikendrena ny fetin’ny taom-baovao ireto.
Nosamborina ny lehilahy iray avy any Manjakandriana, izay nitonona ho tompon’ny entana.
Notanana natao famotorana izy eo am-piandrasana ny fanolorana azy amin’ny fampanoavana eny amin’ny fitsarana.
Amboikarivo Toamasina II : Voatoto ny vodibasin'ny FIP, mpiandry ny Filatex i Manahiragna
Mponina ao amin'ny Kaominina Amboikarivo, no sady mpiambina ireo fiarabe, an'ny Orinasa Premium, mpaka ranon-tany anotofana ranomasina, anitarana ny seranan-tsambon'i Toamasina, i Manahiragna.