Filtrer les éléments par date : samedi, 29 janvier 2022

Manainga ireo mpaninjara rehetra manerana ny Nosy maniry ny hivarotra simenitra Lucky ny orinasa State Procurement of Madagascar, na SPM, mba hifrandray mivantana aminy.

Nampahafantatra ny SPM fa efa azo jifaina miala avy ao amin'ny dépôt Toamasina amin’ny vidiny 26 500 Ariary TTC ny lasaka iray 50 kg amin'ity simenitra ity.

Mitohy hatrany ny fampidinana ireo simenitra Lucky SPM avy ao anaty Sambo sy ny fitahirizana azy ireo ao amin'ireo Dépôts SPM ao Toamasina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Efa hiha-malefaka ny delestazy satria efa tonga eto Antananarivo ny ampahany voalohany amin'ny menaka mavesatra tavela tao Moramanga noho ny fahatapahan-dalana ka tsy hisy intsony ny fahatapahana noho ny fitsitsiana, satria hiakatra 30MW ny famokarana, hoy ny Jirama.

Marihina fa 221MW no filàna herinaratra eto an-dRenivohitra.

Antony roa lehibe no mitarika ny fahatapahan-jiro, dia voalohany ny delestazy na fanapahan-jiro tsy maintsy atao noho ny tsy fahampian'ny vokatra ;

Publié dans Vaovao

Vary tsinjo 210 taonina ho any Antsiranana, Faritra DIANA, 100 taonina ho any Antalaha, Faritra SAVA ary 125 taonina ho any Tolagnaro, Faritra Anôsy.

Ireo indray no niainga tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina hamatsiana ny Faritra.
Marihana fa tokony hamidy amin’ny vidiny ara-drariny 600 Ariary ny kapoaka. Nanao fanekena hanaraka izany fitsipika izany ny mpandraharaha miara-miasa amin’ny orinasa State Procurement of Madagascar na SPM.

Manara-maso ny fanarahana izany ireo sampan-draraham-paritra misahana ny varotra sy ny fanjifàna any an-toerana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Tapaka nanomboka ny atoandro teo ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faharoa. Fiarabe iray nitondra menaka no nihemotra ka nivadika ao anaty arabe ao Mandraka, ka tsy ahafahan'ny fiara mandeha.

Tetsy ankilan'izay dia nanao fampahafantarana ihany koa ny ministeran'ny Asa vaventy fa tapaka mandritra ny adim-pamantaranandro efatra, anelanelan'ny amin’ny 10 ora ka hatramin'ny 2ora tolakandro ny lalam-pirenena faha-2 eo amin’ny PK117+010 noho ny asa fanamboarana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Iray volana mahery taorian’ilay loza an-dranomasina namoizana ain’olona am-polony maro tany Soanierana Ivongo iny dia tsy mbola misy filazàna ofisialy mikasika ny fisamborana ny tompon’ilay sambo M/S Francia II.

Nanjavona tsy hita popoka io olona io vantany vao nitranga iny loza mahatsiravina izay naningotra ny ain’olona maro sy manamboninahitra ambony roa iny.

Nanaovana fisaonam-pirenena iny voina lehibe iny ny tontolo andron’ny 23 desambra.
Toa zary adinodino anefa ny raharaha nampahonena iny noho ireo fahasahiranana misesisesy nitranga tato ho ato.

Na izany na tsy izany dia manana ny fahaiza-manao ny mpanao fanadihadihana malagasy.
Tsy ampy anefa ny fitaovana sy ny tetibola mifanandrify amin’ny asany.

Balita Raharisoa

 

Publié dans Vaovao