Filtrer les éléments par date : jeudi, 27 janvier 2022
jeudi, 27 janvier 2022 20:00

Kopandry

Voro-damba anapenana lamba rovitra.

Bonne nuit e.
Patrick

Publié dans Pilo kely

Mijaly ny marary mila scanner eto Fianarantsoa, scanner simba efa fotoana maro izay.

Samy miezaka amin'ny fitsaboana ireo mpitsabo, ny fianakaviana mamoaka vola, ary mamorona ny tsy misy aza, nefa tsizarizary ny fitaovana entina mitsabo.
Renivohim-paritany lehibe tahaka an'i Fianarantsoa, nefa tsy misy scanner, izay fitaovam-pitiliana ilaina amin'ny fitsaboana marary maro.

Voatery entina miakatra amin'ny fiarakodia amin'ny halaviran-dalana 400km mandritra ny 9ora ilay marary mafy. Miaraka amin'ny dokotera izay aloa vola, ny fanafody ilaina an-dalana rehetra.

Maro ireo mamoy ny ainy eny an-dalana.

raka ny vaovao azo eo anivon'ireo mpitsabo, dia tsy Fianarantsoa ihany no simba ny Scanner, satria tsy misy ireo fikojakojana izany.

Publié dans Sociale

Isaky ny fifidianana dia mirarakopana ny filazana sy velirano fa amboarina ny lalana mihazo an'Andilamena, Faritra Alaotra Mangoro.

Efa an-taonany maro ny mponina no efa mitaraina fa tsy misy manaboatra ny lalana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Vary Tsinjo 1000 taonina avy any Toliary no tonga ny 26 Janoary 2022 teny amin’ny Fasan’ny Karana hamatsiana ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Nandray izany teny an-toerana ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy sy ny mpiara-miasa aminy no sady nitsidika ny toeram-panatobiana, izay mahazaka vary hatrany amin’ny 5000T, ho fanatanterahana ny fanamby amin’ny tsy hahatapahan’ny famatsiana ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, noho ny toetr’andro ratsy tato ho ato.

Nanamafy ny Minisitra fa tsy tokony hiahiahy amin’ny mety ho tsy fahampian’ny tahiry ny mponina.

Publié dans Economie

Miala Antananarivo amin'ny 8ora maraina, Amin'ny 3ora30 tolak'andro (7h) vao tonga eo amin'ilay tetezana vonjimaika vao namboarina alohan'i Moramanga.

Mifandimby ny fiara miditra ny tetezana. Samy mandeha na fiara madinika na fiara vaventy.

Ho an'ireo anohy ny dia, afaka ny Moramanga kosa dia mbola mandeha lalan-tany fiviliana vonjimaika hafa (Déviation).

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Notoloran’ny minisiteran'ny Angovo sy ny Akoranafo ireo jiro Cobra mandeha amin'ny herinaratra miisa 150 ny tanànan’i Toamasina Renivohitra.

Ho entina hanazava ireo lalana miditra any anatin'ny tanàna sy lalampasika maro, izay azo lazaina fa faritra mafampana amin'ny resaka tsy fandriam-pahalemana no nisafidianan'Atoa Rakotonirina Nantenaina, Ben'ny tanàna hametrahana ireto cobra ireto.

Iraka manokan'ny Minisitra Andry Heriniaina Ramaroson tonga tao Toamasina nanolotra izany tamin’ny Ben'ny tanàna, ny talen’ny Kabinetran'ny minisiteran'ny Angovo sy ny Akoranafo, Randrianaina Odon Marius.

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Vita zato isan-jato ny asa fametrahana toby famokarana herinaratra azo avy amin'ny rano eny Farahantsana Mahitsy, izay hanampy 28 MW ny vokatra herinaratra vatsiana eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo, na ny RIA.

Eo am-pametrahana ireo fitaovana entina hampidirana io angovo io ao amin'ny RIA ny avy ao amin'ny Tozzi Green sy ny teknisianin'ny JIRAMA.

Ireo mponina ato anatin'ny faritra efatra, mandrafitra ny RIA no hisitraka ny herinaratra vokarina ao Farahantsana dia ny eto Analamanga, Vakinankaratra, Itasy ary Alaotra Mangoro.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie