Filtrer les éléments par date : mercredi, 26 janvier 2022

Niari-tory nanara-maso ny asan'ireo mpanamboatra lalana vonjimaika na déviation lalan-tany teo amin'ny RN2 ny Praiminisitra sy ny minisitra.

Andeha ho any koa ny Filoha hijery ny asa vita.

Angaha dia tsy misy teknisianina sy injeniera intsony ny ministera no Praiminisitra no hiari-tory hanaramaso ny fanamboarana lalan-tany, dia mbola ho avy koa ny filoha hijery sao misy tsy mety ?

Mba inona loatra no tena asan'ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra e.

Tafandria mandry, oups, kay moa tsy matory tokoa ho an'ny vahoaka Malagasy reo.

Patrick

 

Publié dans Pilo kely
mercredi, 26 janvier 2022 19:08

Andekaleka : Ny eo vita, ny eo may indray

Mitohy hatrany ny ezaka ataon'ireo teknisianina eo anivon'ny Jirama manamboatra ilay Transfo lehibe nipoaka ka may tamin'ny 02 janoary lasa iny. Nosoloina tanteraka iny satria dia tsy nisy azo noraisina.

Natao ny andrana omaly talata 25 janoary, nizotra araka ny tokony ho izy nandritra ny 6ora, fa nisy Transfo hafa indray may ka dia manamboatra indray, ka ny faran'ity herinandro ity no anaovana andrana vaovao.

Efa misy moa ireo fitaovana vaovao nafarana, fa eo ampikarakarana azy, ireo teknisianina hifanaraka amin'ireo fitaovana efa antitra.

Publié dans Tselatra

Any amin'ny Fonjan'i Tsiafahy aloha nanomboka ny Zoma 21 Janoary 2022, Atoa Loïc LARGE, no miandry ny tohin'ny fanadihadiana sy ho fitandroana ny ainy.

Ho fanajana ny lalàna iraisam-pirenena dia voafetra ny vaovao zaraina amin'ny vahoaka, araka ny nambaran'ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) Antananarivo, Rtoa RAKOTOARIVONY Marie Annick, sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky nanoloana ny mpanao gazety.

Tsy vaovao amin'ny Fitsarana intsony ity teratany vahiny, voarohirohy tamin'ny raharaha famonoana ny Sekretera Jeneralin'ny "Union Emergence Madagascar" herinandro lasa.

Maromaro tokoa mantsy ireo raharaham-pitsarana maha voasaringotra azy, raha tsy hitanisa afa-tsy ny fanaovana taratasim-bola tsisy antoka. Izany no mahatonga azy eo ambany fanaraha-mason'ny Fitsarana nanomboka ny volana Aogositra taona 2021.

Publié dans Vaovao

Un système de digitalisation au niveau de l’administration publique est réalisé depuis le 22 janvier 2022.

Trois secteurs seront priorisés à savoir l’éducation, la santé et la sécurité.

Une session de partage entre les différents acteurs et opérateurs spécialisés dans l’e-technologie, de la digitalisation, menée par le ministère de tutelle, s’est déroulée la semaine dernière.

(Voir Suite Photo)

Publié dans Fil info

Manoloana ny voina manerana ny Nosy sy ny Firenena malagasy amin'izao loza voa-janahary izao, ny Fikambanan'ny Zanak'Ampielezan'ny Faritany Toliara (FIZAFATO), izay tarihan'ny Kestora voalohany, eo anivon'ny Antenimieram-pirenena, Solombavambahoaka voafidy tany Ambovombe, HENRI Jean Michel, dia maneho ny fiaraha-miory amin'ireo namoy havana, mankahery ireo traboina.

Mankahery ny Filoham-pirenena sy ny Governemanta iray manontolo,
Manentana ny vahoaka Malagasy hanaraka ny toromarika omen'ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany, ary mampirisika ny mpiray Tanindrazana hitandro hatrany ny firaisam-pirenena sy andala ny Fihavanana ho fanampiana ireo sahirana.

"Soa ty Filongoa" hoy ny depiote HENRI Jean Michel.

 

Publié dans Vaovao

Manoloana izao loza mahazo ny mponina ao an-drenivohitra dia Tonga nitondra fanampiana ho azy ireo ny vahoakan'ny Faritra ANDROY tamin'ny alalan'ny FITEAM (Fikambanan'ny Terak'i Androy eto Madagasikara).

Tonga nanatitra izany fanampiana izany moa ny Filoha mpitarika ny FIZAFATO no sady Kestiora voalohany eny anivon'ny Antenimieram-pirenena Atoa Jean Michel Henri, ny Minisitry rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, no Minisitra Mpiahy ny Faritra ANDROY, Ladislas Adrien Rakotondrazaka,ny Minisitry ny Jono sy ny toe-karena manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert ary ny Filohan'ny FITEAM Atoa Jacques Bruno Fils Goulamaly.

Vary 60 lasaka, Savony 30 baoritra ary lelavola mitentina roa tapitrisa Ariary (2 000 000Ar) no natolotra,ka ny Tale Jeneraly eo anivon'ny BNGRC no nandray izany.

Publié dans Sociale
mercredi, 26 janvier 2022 16:47

Marolambo : Mitoka-monina tanteraka

Isany mitondra takaitra noho ny andro ratsy ny Distrikan'i Marolambo, Faritra Atsinanana.

Toeram-pamokarana maro no dibo-drano. Tapaka ny lalana mampifandray amin'i Mahanoro. Manano sarotra ny fifamoivoizana an-dranomamy, zary mampitoka-monina an'i Marolambo.

Efa roa volana sy tapany izao no tsy misy jiro ny tanàna.
Miantso vonjy ny mponina, izay mahatsiaro ho zanak'ikalahafa tsy misy mpijery.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Notanterahina ny 25 Janoary 2022 teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny akoranafo (OMH) ny valan-dresaka niarahana tamin’ny mpanao gazety momba ny famatsiana solika eto Madagasikara amin’ny ankapobeny.

Nandray anjara fitenenana tamin’izany ny Tale Jeneraly ny OMH Atoa Olivier JEAN-BAPTISTE, ary notronin’ny Tale Jeneralin’ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa Sambatra RAMIANDRASOA avy ao amin’ny Ministera misahana ny Angovo sy Akoranafo.

Ampy sy sahaza tsara ny filàna solika eto an-drenivohitra ny tahirin-tsolika izay misy 20 andro ho an’ny lasantsy (SP95), ary 18 andro ho an’ny gasoil.

Publié dans Economie
mercredi, 26 janvier 2022 07:12

Antsahamamy : Ici c'est Madagasikara

Misy mamaritra ary nametaka borne eo amin'ny tanin'ireo mponina efa nipetraka aman-taonany maro nifandimby, amin'iny faritry Atsahamamy, Ankatso tanàna, atsinanan'i Ambohipo Antananarivo iny, ka dia nananganan'izy ireo Sainam-pirenena Malagasy, anehoandreo fa misy te haka an-keriny ny Tanindrazandreo.

Fantatra moa fa iny toerana iny no fiandronan'ny rano avy eny Amoronakona sy Ikopa atsinanana rehetra iny, ka raha totofana dia hiakatra an-tanety hatrany ny rano rehefa fotoam-pahavaratra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
mercredi, 26 janvier 2022 06:37

Kapitaly : Tetsy sy teroa

Kapitaly : Tetsy sy teroa

 

Publié dans Tselatra