Filtrer les éléments par date : mardi, 25 janvier 2022
mardi, 25 janvier 2022 22:08

Pilo kely : Loza voajanahary ve ?

Samy manana ny filazany moa ny rehetra amin'ity zava-misy eto amin'ny firenena ity.

- Ozona hoy ny sasany
- Kapoka avy amin'Andriamanitra hoy ny hafa
- Fiovaovan'ny toetr'andro hoy kosa ny sasany
- Fanimbana tontolo iainana kosa hoy ny hafa
- Fananganana Coliseum anaty Rova, ota fady hoy ny sasany
- Ny mpitondra teo aloha no tsy nanao ny adidiny hoy ny hafa

Publié dans Pilo kely

Tonga nitondra fanomezana ho an'ireo traboina vokatry ny haratsian'ny toetr'andro izay misy eto amintsika ny mpiara-miasa eo anivon'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay notarihin'Atoa Minisitra MAMOD'ALI Hawel.

Teny amin'ny Kianja mitafon'Ankorondrano no nanatanterahana izany ny alatsinainy 24 janoary 2022.

Nilaza ny Minisitra fa tena ilaina ny mifanome tanana amin'izao vanim-potoana sarotra diavin'ny mpiray tanindrazana izao, ary koa mba ho fanampiana ny Filoham-pirenena amin'ny ezaka rehetra ataon'ny fitondram-panjakana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Hisy ny vahaolana vonjimaika amin'ny famatsian-drano, ary vinavinaina ho vita anio talata ny fanarenana ny fefiloha.

Namaly ny antson'ny JIRAMA ny ambaratongam-pahefana rehetra aty Moramanga amin'ny fanarenana ny fefilohan'Ambodiakondro izay vaky ny Alahady 23 janoary lasa teo, noho ny tondra-drano ka niteraka fiatoan'ny famatsian-drano aty an-toerana.

Andalam-pametrahana ny fefy amin'izao fotoana izao hahafahana mihazona ny rano hahatratra ny haavo ilaina amin'ny famokaran-drano 100m3 isan'ora.

Publié dans Tselatra

Tonga nanotrona sy nankahery ary nanampy ireo traboina ety amin’ny faritra Analamanga ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro TINOKA Roberto ny alatsinainy 24 janoary, niaraka tamin’ny Governoran'ny Faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka ary ny Solombavam-bahoaka Andry Ratsivahiny.

Traboina miisa 6 200 tao Anosizato Andrefana, ary 5 476 teny Tanjombato Ambohimanatrika no notolorana fanampiana toy ny vary, menaka, savony sy karazan-tsakafo ilaina amin’ny andavanandro.

Publié dans Politique

Vita androany talata 25 janoary tamin'ny 5 ora sy sasany maraina teo ny fametrahana ny fivilian-dalana (déviation) vonjimaika amin'ny lalam-pirenena faharoa RN2 eo amin'ny PK 108+600 Moramanga.

Afaka mandeha avokoa ireo fiara madinika sy ny taxi-brousse, fa ny fiara vaventy kosa dia miandry ny fahavitan'ny tetezana (Pont Bailey) izay vinavinay ho vita anio ny fametrahana azy vao afaka mivezivezy.

Nanatrika izany asa fanamboarana izany tany an-toerana ny Praiministra Ntsay Christian sy ny minisitry ny Asa Vaventy Hatrefindrazana Jerry, ary nijanona tany an-toerana mandrapahavitan'ny fametrahana izany fivilian-dalana izany.

Mba hampilamina sy hampirindra ny fifamoivoizana dia iangaviana isika rehetra hanaja sy hanaraka ireo fandaminana any an-toerana hoy ireo tompon'andraikitra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nanatitra ny fandraisan'anjara fanampiana ho an'ny traboina noho ny rivodoza ANA ny avy amin'ny Ministeran'ny Fitsarana.

Nahitana vary 100 gony (5 taonina), tsiasisa 16 gony, miampy tsaramaso 4 gony ary savony 10 baoritra izany, ary naterina teny amin'ny Foiben'ny BNGRC Antanimora ny alatsinainy 24 janoary 2022.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale