Filtrer les éléments par date : lundi, 24 janvier 2022
lundi, 24 janvier 2022 20:23

Pilo kely : Ho aiza ihany zany ?

Ilazana ianareo amin'ny faritra iva hiala aingana eny amin'ny misy anareo fa ho tondraka ny rano.

Ilazana koa ianareo eny amin'ny faritra avo hiala teny fa hianjera ny tany sy ny vato.

Asa aiza ny faritra moyenne asiana ny tena amin'izany.

Aza dia matory loatra e, sady ny mpangalatra manjeky andro alina avy orana tapaka jiro io.
Patrick

Publié dans Pilo kely

Andro vitsivitsy izay dia niakatra tokoa ny maripana eto Toliara.

Manampy trotraka ny fahatapahan'ny rano sy jiro.

Amin'ny 8ora alina izao, dia tafakatra 42°C ny maripana ato anatin'ny haizina sy tsy fisian-drano.

 

Publié dans Tselatra

Io hariva amin'ny 5ora30min teo dia efa safovavany amin'ny haavon'ny fefiloha eo ambanin'ny tetezana Ampasika eo ampitan'ny Akoor digue iny ny rano.

Manahy ny mponina manodidina fa raha avy indray ny orana anio alina
dia tsy maintsy hihoatra an'ilay fefy ny rano.

Mihezaka manamafy izay fefy somary manify izay ireo mponina satria raha sanatria ka mihoatra io fefiloha io ny rano dia hianaka ka ho dibon-drano daholo hatreny fokontany Amberivatry sy Itaosy ambanin'ny cité iny.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nanomboka tamin'ny 5 ora hariva teo, nanakan-dalana ireo mpianatra, ary tonga ny Mpitandro ny filaminana. Nifandraharaha teo ny mpianatra sy ny mpitandro ny filaminana ka niverina ny jiro, dia niravina ihany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
lundi, 24 janvier 2022 18:44

RN7 : Mbola misy ve ny Fonds Routier ?

Isaky ny mividy solika 1litatra, dia akan'ny fanjakana haba 30%, izay ny ampahany betsaka amin'io mandeha any amin'ny fikojakojana sy fanamboaran-dalana. Izany hoe raha mividy lasantsy 4100ar ny litatra, dia ny 1506ar amin'iny dia hetra sy haba.

Mandrotsaka gazoala 1 litatra amin'ny 3400ar, dia ny 956ar, dia omena ny fanjakana.

Hatreto aloha, na ireo lalana efa vita aza dia tsy voaloa vola ireo mpandraharaha. Ny kaominina moa dia mijery fotsiny, raha tsy hijery lavitra afa tsy ny eto an-drenivohitra, izay vao maika moa miharatsy hatrany ny lalana, ny service cantonnier, mpanala bozaka amin'ny sisin-dalana, sy manao kojakoja madinika dia efa tantara lovain-jafy sisa.

Publié dans Politique

Ny sabotsy hifoha ny alahady 23 janoary 2022 no nihoko ireo miaramila tanatin'ny lakazery maromaro tao Ouagadougou.

Publié dans A la Une