Filtrer les éléments par date : dimanche, 23 janvier 2022

Miato hatramin’ny talata maraina ny fitateran’olona iombonana amin’ny lalam-pirenena RN44 sy RN2, araka ny filazàna navoakan’ny ministeran’ny fitaterana noho ny antony efa iaraha-mahalala.

Eo anatrehan’izany dia vaky loha ireo namoy ny havana ka hitondra izany any an-tanindrazana.
Any Vohidiala, Ambatondrazaka, ohatra dia misy Ntandroy nodimandry tamin’iny herinandro lasa teo iny kasain’ny fianakaviany haterina any Androy.

Torak’izany ihany koa ny olona iray avy any Ambodinonoka, Ambatondrazaka ihany, izay tokony halevina any Antananarivo rahampitso alatsinainy faha-24 janoary.

Tapaka tanteraka ny fifamoivoizana amin’ny RN2 any Moramanga noho ny fahasimban’ny lalana nateraky ny ranobe halina.
Samy tsy misy afaka mandeha na ny fiarakodia hatramin’ny moto na ny kalesin-dalamby.

Publié dans Tselatra
dimanche, 23 janvier 2022 22:38

Moramanga : Baraingo aloha ny rano hosotroina

Tsy afaka mamokatra rano hamatsiana ny tanànan’i Moramanga ny orinasa Jirama noho ny olana teknika nateraky ny ranobe nentin’ny rivodoza ANA.

Vaky ny dobon’Ambodriakondro aty an-toerana, izay manana anjara asa mitovy amin’i Mandroseza ho an’Antananarivo.

Tsy afaka mihodina ihany koa ny milina mpampakatra rano ao amin'ny reniranon'i Samarirana satria dibo-drano.

Hatreto dia tsy mbola fantatra na ho afaka firy andro na ho afaka firy andro vao hiverina amin'ny laoniny ny famatsian-drano aty Moramanga.

Publié dans Vaovao
dimanche, 23 janvier 2022 22:31

RN2 sy RN44 : Tsy azo ifamezivezena

Naato ny fifamoivoizan'ny fiara fitateram-bahoaka amin'ny lalam-pirenena faha-2 (RN2) sy faha-4 (RN4) anio alahady 23 Janoary sy ny alatsinainy 24 janoary hisorohana ny loza noho ny faharatsian'ny andro, araka ny fampilazana nataon'ny ministeran'ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro.

 

Publié dans Tselatra

Nivoaka an-dranomasina tao amin'ny Faritra Boeny ny maraina teo ilay rivodoza ANA.

Lehibe ny takaitra navelany vokatry ny rano be nateraky ny orana nijojo, indrindra tao Alaotra Mangoro sy Analamanga.

Nisy ny aina nafoy, misy ny tsy hita popoka nentin'ny rano.
Betsaka ny fotodrafitrasa simba. Nisy trano nianjera, tany nihotsaka, tetezana nofaohin'ny rano. Tapaka ny lalam-pirenena faharoa (RN2) sy ny fitaterana an-dalamby.

Publié dans Tselatra

Namoaka filazana ny ministeran'ny Fanabeazam-pirenena fa noho ny faharatsian'ny toetrandro izay mbola mitarika fahasarotana maro, hiatrehana ny fiverenana an-tsekoly ampilaminana, sy ho fitsinjovana ny fahasalamana, ary indrindra hisorohana ny loza mety hiseho ; dia mbola miato aloha ny fampianarana amin'ireto toerana ireto :

- Ho an’ny faritra MELAKY : Maintirano, Besalampy,
- Ho an’ny faritra BOENY : Mahajanga, Mitsinjo, Soalala, Marovoay,
- Ho an'ny faritra SOFIA : Antsohiny, Analalava,
- Ho an’ny faritra DIANA : Ambanja, Nosy Be, Ambilobe, Antsiranana,
- Ho an’ny faritra SAVA : Antalaha,
- Ho an’ny faritra ANALAMANGA : Antananarivo, Ambohidratrimo, Andramasina, Manjakandriana,
- Ho an’ny faritra VAKINANKARATRA : Ambatolampy, Antanifotsy ary Antsirabe,
- Miampy ny distrika rehetra amin’ny faritra ANALANJIROFO, ATSINANANA ary ALAOTRA MANGORO.

Publié dans Tselatra