Filtrer les éléments par date : jeudi, 20 janvier 2022

Taorianan'ny fidinana ifotony nataon'ny Tale jeneralin'ny SPM SA - State Procurement of Madagascar, Solo Andriamanampisoa, tany amin'ny faritra atsimo iny, dia tonga nanomboka omaly alarobia 19 janoary 2022 ny anjaran'ny Faritra atsimo, manomboka eo Fianarantsoa, ny faritra Mahatsiatra Ambony, mihazo an'i Ihorombe Ihosy, ka hatrany Androy.

Mbola andihany voalohany ihany izao raha ny fanazavana voaray, araka ny toromarika nomen'ny Filoha hanafoanana ny fanararaotana fampakarana ny vidim-bary mandritra izao maitso ahitra izao.

Fiaranarantsoa sy ny Faritra Matsiatra ambony: 68 taonina
BELOHA : 164 T
ANTANIMORA : 28 T
AMBOVOMBE : 62 T
TSIHOMBE : 102 T
AMPANIHY : 41 T

Publié dans Vaovao

Mizara 2 ny asa :

1- Ny vatabe mitsinjara ny herinaratra, armoire électrique, teo aloha, nodiovina, nomainina, dia soloina androany ireo kojakoja rehetra simba. Hanao andrana rahalina.

2- Ramalina mifehy hazo toaka

Nanamboatra vata herinaratra, coffrets électriques vitsivitsy vaovao hanoloana ilay vatabe mitsinjara ny herinaratra, armoire électrique sao sanatria ka mbola misy olana. Apetraka tsikelikely anio, dia atao andrana rahalina ihany koa.

Vonjimaika ihany aloha ilay vata herinaratra, coffrets électriques, ahafahana manavao ilay vatabe mitsinjara ny herinaratra, armoire électrique, amin'ny fomba manarapenitra ny fampiasana azy.

Nahitsy sy natsaraina ihany koa ny Protocole de mise en service mba isorohana ny tampoka tsy mahalehilahy.

Publié dans Vaovao
jeudi, 20 janvier 2022 08:12

Situation météo 20 janvier 2022 à 7h45

Situation météo 20 janvier 2022 à 7h45

(Photo Sat24)

Publié dans Fil info