Ny mpivarotra "Mangidy" aloha hatreto no tsy nandainga
Misaotra ny namana nampiasa io ohatra ara-piarahamonina io.
Tafandria mandry.
Patrick
Teleferika : Tsy hametrahana « pylône » ao anatin'ny faritry Katedraly Andohalo sy ny Kolejy St Michel Amparibe
Nandray fanapahan-kevitra ny fanjakana fa « tsy hametrahana andry lehibe (pylône) ao anatin'ny faritry Katedraly Andohalo sy ny faritry Kolejy St Michel Amparibe », araka ny fanazavan’Atoa Gérard Andriamanohisoa, Sekreteram-panjakana Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana.
Mihaino ary misokatra amin'ny fifampiresahana rehetra ny Fanjakana Malagasy, izay mijery ny fomba fanatsarana rehetra hahafahana mampiasa ny “Transport par Câble”(TPC) tsy hiteraka fanelingelenana ho an'ny hafa, hoy hatrany ny fanazavany.
Hisy fiovana araka izany ny lalan'ny zotran’ny fitaterana an-tariby hatao eto Antananarivo. Mandray an-tanana ny fanadihadiana rehetra mikasika izany ny orinasa POMA, ao anatin’ny fenitra ara-teknika hitadiavana fanatsarana ny lalan’ny zotra amin’ity fitaterana an-tariby ity.
Azo antoka fa fanapahan-kevitra noraisina taorian'ny fanehoan-kevitra entitra nataon'ny Maintimolaly St Michel, sy ny fihaonan'ny Kardinaly tamin'ny Filoham-pirenena.
Fahasalamana : Misy olomboafidy manao risoriso ny vakisiny sy ny fanafody Covid-19
Tsy sahy mitoroka na miresaka mivantana ny olona satria mahakasika solombavambahoaka sy olomboafidy miseho ho mpanohana mahafatrapo ny mpitondra ny raharaha.
Amidin’izy ireo an-tsokosoko ny vakisiny Covid-19 sy ny fanafody natao hitsaboana ny marary.
Na ny kara-bakisiny aza dia mbola vitan’izy ireo ihany koa ny manao risoriso azy ka 20 000 Ariary ny iray.
Tao anatin’ny fotoana nampirongatra be ilay karazan-tsery, izay ahian'ny maro fa vokatry ny variant Omicron, nanomboka mialoha ny fiafaran’ny taona 2021, ka mbola mihanaka hatramin’izao no tena nampahazo vahana ny fanao mamohetra.
Voalaza fa haingam-pifindra ny Omicron ary dia maro tokoa no nitaraina ho tratry ny aretina tsy dia fahita hatrizay.
Na ambanivohitra na an-tanàndehibe dia samy voa avokoa manerana ny faritra rehetra.
Fitaterana : Mampidi-doza ny mpamily amin’ny zotra rejoinaly Alaotra
"Miangavy ny tompon'andraikitra izahay mba handray fepetra hentitra mikasika ny zotra rejionaly aty aminay."