Filtrer les éléments par date : samedi, 15 janvier 2022

Taorian'ny fanonganam-panjakana in-droa miantoana tany Mali, ny volana aogositra 2020 sy ny volana mey 2021, dia najoro ny Tetezamita izay notarihan'i Kolonely Assimi Goïta, ka tao anatin'izany no tsy maintsy hikarakarany ny fifidianana ao anatin'ny 18 volana, amerenana ny fitondrana amin'ny sivily.

Nilaza anefa ity filohan'ny Tetezamita ity, fa tsy mbola milamina ny fandriam-pahalemena, ary mbola tsy feno ny fepetra hiatrehana ny fifidianana, izay tokony atao ny volana febroary 2022, ka hitarina aharitra 5 taona ny Tetezamita.

Tsy niandry ela anefa ny vondrona afrikanina CEDEAO (Communauté économique des États de l'Afrique de l'Ouest), mandrindra ireo firenena afrikanina aty andrefan'i Afrika, ka nandatsaka ny sazy hanakatonana ny sisin-tany mifanila amin'i Mali, ao anatin'izany Côte d'Ivoire, Sénégal. Giazana avokoa ny vola vahiny ivelan'i Mali, ahantona avokoa ny fifanakalozana ara-barotra sy ara-bola amin'i Mali, afatsy ny resaka PPN sy fanafody.

Publié dans Politique

Miroso ny fandritana ny rano sy ny fanamainana ireo fitaovana izay dibo-drano sy menaka, ary ny fametahana ireo vaovao taorian’ny firehetana nitranga ny Alahady 2 janoary 2022, tao amin’ny foibe famokarana herinaratra avy amin’ny rano ao Andekaleka.

Manao tan-tsoroka amin'izany ny mpiasan’ny Jirama sy ny ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo, ary ny avy amin’ny “Protection Civile”.

Rehefa vita izany asa rehetra izany dia hiditra amin'ny andrana ny teknisianina amin'ny Alatsinainy izao, araka ny fanazavan'ny Minisitry ny angovo sy ny Akoran'afo, Andry Ramaroson.

Raha toa ka tsy misy ny olana amin'io andrana hatao amin'ny Alatsinainy io dia hihena ny fahatapahan-jiro any amin'ny isan-tokantranon'ny mpanjifa, mandram-pihodin’ilay vondrona mpihary herinaratra iray fahaefatra, izay vinavinaina ho vita any amin'ny volana jolay 2022 any.

Tsiahivina fa herinaratra 90MW, izay 40%-n'ny filàn'ny mponin'Antananarivo, Moramanga, Ambatolampy ary Antsirabe no vokarina avy ao amin'ny foibe Andekaleka.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Mitohy ny fanaparihana ireo Vary Tsinjo eny amin'ny mpaninjara. Natomboka tamin'ny Vary Fety, ary mitohy hatramin'izao izany, ho fanatsarana ny fiainan'ny mponina.

Nahazo famatsiana ireo tsenakely ao Maroroho, Tsimbazaza, Ambanidia, Analamahitsy, Andravoahangy ho an’ny teto Antananarivo Renivohitra, ny zoma 14 janoary 2022.

Vary Tsinjo 7 ka hatramin' ny 8 taonina isan'andro no haparitaka eny an-tsena ny vary tantanan'ny orinasa SPM. Mitsinjara 15 kitapo isaky ny tsena kely.

Tsy tokony hihoatran'ny 500 Ariary ny vidin'ny kapoaka, ary ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, amin'ny alalan'ny Fitaleavana ho an'ny Varotra Anatiny (DCI), no manao ny fanaraha-maso amin'ny vidiny eny an-tsena.

Publié dans Vaovao
samedi, 15 janvier 2022 15:55

Kaominina Andekaleka : Mazava ny tanàna

Nahazo jiro “cobra” mandeha amin’ny herinaratry ny Jirama sy ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny tanànan’ Andekaleka, misy ny foibe famokarana herinaratra avy amin’ny rano lehibe indrindra eto Madagasikara.

Fampanantenana nataon’ny filoha Andry Rajoelina taorian’ny diany tao an-toerana ny Alatsinainy 10 janoary 2022 ireo.

Nanatitra izany tany an-toerana ny iraky ny ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo.
Faly ny mponina, ary hampandry fahalemana ny tanàna ny fahazavan’ny tanàna, hoy ny Ben’ny tanàna Soatombo Claudine.

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Publié dans Politique

Voafonja 7 lahy no nanao ny fikasana hitsoaka ny fonjan'i Morondava androany sabotsy 15 janoary 2022 teo amin'ny manodidina ny amin'ny 10 ora sy 45 minitra atoandro.

Nanararaotra ny fotoana fampidirana ny sakafo izy 7 lahy voafonja, ka saika hanao amboletra ny vavahady, araka ny fampitam-baovao avy amin'ny Talem-paritry ny Fandraharahana ny Fonja ao Menabe, ary nohamafisin'ny Tale misahana ny Fandriam-pahaleman'ireo Fonja.

Ny 4 avy hatrany dia voafehy teo an-tokontany ihany. Ireo 3 lahy tafahoatra ny tamboho kosa dia voasambotra teo ivelan'ny Fonja ihany, rehefa avy nanao tifi-danitra ireo mpiambina ny Fonja.

Efa milamina ny toe-draharaha aty an-toerana ankehitriny, ary nohamafisina ny fiambenana ny Fonja.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Ny 08 ka hatramin'ny 14 janoary 2022 dia nahitana fiakarana hatrany ireo voamarina mitondra ny aretina Covid-19, nahatratra 1726, raha 1667 izany herinandro lasa. 224 ireo marary misy fahasarotana (formes graves), raha 236 ny 01-07 janoary 2022.

2103 kosa ireo sitrana, raha 2293 teo aloha.
Nahitana fihenana kosa ireo namoy ny ainy, 52, raha 54 izy herinandro lasa izay.

10 769 ny fitiliana natao ity herinandro ity, raha 10 178 kosa herinandro lasa.

Publié dans Tselatra
samedi, 15 janvier 2022 12:23

Bakalorea : Hatao ny 18-22 jolay 2022

Ho tanterahana ny alatsinainy 18 ka hatramin'ny zoma 22 jolay 2022 ny fanadinana Bakalorea Ankapobeny ny taom-pianarana 2021-2022.

Ny Bakalorea Teknolojika sy Teknika ary Arak'asa andiany voalohany (1ère partie), dia atao ihany koa ny alatsinainy 18 ka hatramin'ny zoma 22 jolay 2022, ary ny andiany faharoa (2è partie) dia tontosaina ny alatsinainy 25 ka hatramin'ny alakamisy 28 jolay 2022.

Nanomboka ny alatsinainy 10 janoary 2022 tamin'ny 8ora maraina no nandraisan'ireo Sampan-draharaha miandraikitra ny fanadinana Bakalorea (Office du Bacc), isaky ny Oniversite tsirairay, ny antonta-taratasy fisoratana anarana, ary hifarana ny zoma 11 marsa 2022 amin'ny 06ora hariva.

Dilan'izay fetr'andro izay dia tsy azo raisina intsony ny fandraisana anjara amin'ny fanadinana.

Publié dans Tselatra

Mitaraina ny mponina ao Fascene Ampasy - Nosy Be manoloana ny fahasimban'ny fananan'izy ireo sy ny fahafatesan'ny biby fiompy, vokatry fanapoahana vato amin'ny dinamita ataon'ny orinasa Sinoa manamboatra lalana ao an-toerana.

Betsaka ny trano mitriatra vokatry ny fipoakan'ny dinamita. Gorôbaka ny tafotrano sy ny fanaka, vaky ny "panneaux solaires", maty ny biby fiompy ipitihan'ny vato.

Iray volana eo izao no iainan'ny mponina izany trangan-javatra izany.

Tsy manohitra ny fanamboaran-dalana izahay, hoy ny mponina saingy manaitra ny hijerena ka hanonerana ny fahasimbana fa tsy hojerijerem-potsiny toy ny mitranga hatreto, ka mampitaraina azy ireo satria herim-po sy harena nohariana an-taonany maro no potika.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Hambara anio Sabotsy 15 janoary 2022, mandritra ny lanonam-panjakana, ny maha harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny Kabary malagasy ny maha « androm-pirenena ho an’ny kabary malagasy » ny datin’ny 15 janoary.

Eny amin’ny Lapan’Andafiavaratra no hanaovana ny lanonana. Hisy ny loa-bary an-dasy andinihana lohahevitra mahakasika ny Kabary.

 

Publié dans Art et Culture