Filtrer les éléments par date : vendredi, 14 janvier 2022

Misaotra hatrany ireo namana mpahay lalàna sy mpitsara manome fanazavana ho antsika.

Ny Vacances judiciaires dia fiatoana kely eo anivon'ny asam-pitsarana, izay efa fanaon'ny fitsarana hatramin'izay, manomboka ny 15 desambra ka hatramin'ny 15 janoary ny taona manaraka.

Izany akory tsy midika hoe mihidy tanteraka ny fitsarana, misokatra foana ny fitsarana, misy mpiandry raharaha na permanence hatrany ao, mandeha daholo ireo raharaha maika rehetra, toy ny assignation à bref délai sy ny d'heure en heure, juridiction de président (référés), misy ihany koa ny audiences de vacation na fitsarana isaky ny talata sy alakamisy raha ny eto Antananarivo, samy manana ny fandaminany kosa ireo fitsarana rehetra manerana ny nosy.

Ny asa sy fitsarana momba ny zaza ihany koa dia mandeha hatrany (acte de tutelle, sy izay maika rehetra dia mandeha foana).

Tamin'ny taon-dasa dia nifarana 17 desambra 2021 ny taom-pitsarana ary manomboka hiverina amin'ny laoniny amin'ny alatsinainy 17 janoary 2022 izao.

Publié dans Editorial