Filtrer les éléments par date : jeudi, 13 janvier 2022

May nisy nandoro ny alin'ny alarobia hifoha ny alakamisy 13 janoary 2022 ny EPP Andriambe, ZAP Ankazobe, DREN Analamanga.

Mitranga izany andro vitsy tsy hiverenan'ny mpianatra an-dakilasy indray manomboka amin'ny alatsinainy 17 janoary.

Eo ampitadiavana vahaolana hahafahana mandray ireo mpianatra amin'ny alatsinainy ireo tompon'adraikitra ao an-toerana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Tonga tany Comores, ny 11 janoary 2022, ny delegasionina malagasy notarihan'i Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, IMBIKI Herilaza, hifampiraharaha amin'ny Fitondrana Kaomorianina, mahakasika ny amerenana ilay volamena 49kg, avy aty Madagasikara, tratra tany an-toerana.

Publié dans A la Une

Tonga nanatitra ny fanampiana avy amin'ny Fikambanana Aigny Araiky, izay miara-miasa amin'i IMBIKI Herilaza, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, ireo solotenan'ny tanora mpikambana ao Toamasina, ho an'ireo mila fitsaboana maika sy fandidiana ao amin'ny hopitaly manarapenitra Toamasina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Ny Zandary avy amin’ny Brigade de Police de la Route miasa any Tanambao Ampitambe, ao avaratr’i Moramanga amin’ny RN44, no nahatratra ny entana tsy ara-dalàna ny alin’ny 10 janoary.

Fiaran’ny kaoperativam-pitaterana KOFIMA niainga avy tany Tanambe Alaotra ho any Antananarivo no nitondra azy, araka ny nambaran’ny kapiteny Razafimamonjy Jean Richard, lehiben’ny Kaompanian’ny Zandarimaria ao Moramanga.

Baoritra miisa 16, nahitana tavoahangy miaty 1,5 litatra, miisa 30 avy, no hita tao anaty fitoeran’entana ambany taorian’ny fisavàna.

Nalefa nandeha aloha ilay fiara noho izy nitondra mpandeha iny alina iny.
Notanana kosa ny taratasy rehetra momba azy noho ny fisian’ny fanasaziana ara-panjakana tsy maintsy hampiharina aminy.

Publié dans Vaovao

Ny tompom-bady mihitsy no nampahalala tamin’ny alalan’ny Facebook fa dia avotra soa aman-tsara ny vadiny (izay mitondra vohoka) sy ny rafozany.

Ny talata 11 janoary 2022 no navotsotry ny andian-jiolahy izay naka an-keriny azy ireo, tany Somangana, atsinanan’Amboasary Gara (MLA), Moramanga, ny 30 desambra 2021 lasa teo.

Omaly alarobia 12 janoary dia nanamafy tato amin’ny Facebook ihany koa i Hasinah Rasoamalaza Tudy fa efa tafaverina soa aman-tsara eny anivon’ny fianakaviany izy.

Nandritra ny 11 alina sy 10 andro izy no teo am-pelan-tanan’ireo naka an-keriny, araka ny filazany.
Tsy salama izy, ary dia mbola mangata-bavaka, hoy hatrany izy.

Samy nisaotra an’Andriamanitra sy izay rehetra nitrotro am-bavaka sy nankahery ny fianakaviana noho ny sedra mafy nolalovany izy mivady.

Publié dans Vaovao