Filtrer les éléments par date : lundi, 10 janvier 2022

Andro faharoa amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra na CAN anio.

Lalao efatra no voalahatra anio. Hisantatra izany ny fihaonan’i Sénégal amin’i Zimbabwe, arahan’ny lalaon’i Guinée sy Malawi, samy ao amin’ny Vondrona B.

Lalao fahatelo ny fihaonan’i Maroc amin’i Ghana, ary hanakatona ny lalao anio ny fifandonan’i Gabon sy Comores, ekipa efatra samy ao amin’ny Vondrona C.

Sambany i Comores, izay hany solontena avy aty amin’ny ranomasimbe indianina, no tonga amin’ny dingana famaranana ny CAN.

Cœlacanthes no fiantsoana ny ekipam-pirenenan’i Comores. Faha 132 manerantany ny filaharany araka ny navoakan’ny FIFA ny desambra 2021 teo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Vita ireo fotodrafitrasa roa hamatsiana rano ireo mponina ao Mahabo, Faritra Manabe, ary efa natolotra ny JIRAMA ao an-toerana. Efa ampiasain'ny JIRAMA ny iray manome 312m3 isan'andro.

Nihatsara ny fahazoan’ny vahoakan'i Mahabo rano raha tsy nisitraka izany amam-bolana maro izy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Lavo ny andrarezina !

Nodimandry ny alin'ny alahady 09 janoary 2022 teo amin'ny faha 75 taonany i Pr James Ratsima.

Tratry ny tsy fahasalamana izy, ary nentina notsaboina tao amin'ny CTC Soamandrakizay ny sabotsy 8 janoary. Nanao izay ho afany ny mpitsabo, saingy tsy tana ny ainy.

Hiala eny an-toerana anio alatsinainy 10 janoary ny nofo mangatsiakany, halevina eny avaratr'i Tsiafahy, Antananarivo Atsimondrano.

Mpampianatra taranja toekarena izy.

Teo amin'ny lafin'ny politika sy ny fiainam-pirenena dia Filohan'ny antoko Front Patriotique Malagasy izy, mpitarika ny fikambanana Asandratro ny fireneko sy ny Nosy Malagasy. Mambra ny vovonan'ny mpanohitra RMDM (Rodoben'ny Mpanohitra ho an'ny Demokrasia eto Madagasikara).

 

Publié dans Politique