Filtrer les éléments par date : jeudi, 09 septembre 2021

Taorian'ny paobasy miraradraraka tao Brieville, Distrikan'i Tsaratanana, Faritra Betsiboka androany 09 septambra 2021 nanomboka tamin'ny 07 ora hariva, dia nentin'ireo dahalo ankeriny ilay vehivavy mpivarotra teo ampovoan-tanàna, ary voatifitra maratra mafy ilay zanany 20 taona eo.

Tonga tao Androfia hivelan'ny tanàna anefa ireo dahalo ireo, dia notifirindreo ilay ramatoa, ka dia tsy tana ny ainy, ilay zanany kosa nentina notsaboina any Ambatondrazaka.

Miezaka manenjika ireo daholo ny mpitandro ny filaminana ankehitriny.

 

Publié dans Tselatra

Poabasy miraradraraka eto Brieville Distrikan'i Tsaratanana, région betsiboka, nanomboka tamin'ny 07 ora hariva ity alakamisy 09 septambra 2021 ity hatramin'izao.

Mpivarotra iray ao am-povoan-tanana no lasan'ny dahalo, ary ny zanany lahy tokony ho 20 taona eo no voatifitra, ka maratra mafy.

Mihidy aman-trano avokoa ny olona, entin'ny tahotra, ary miezaka miantso zandary.

 

Publié dans Tselatra

Nitrangana savorovoro tao amin’ny toeram-pitrandrahana safira ao Analamahavelona Distrika Sakaraha. Nifandona tany anaty kariera ireo samy mpitrandraka.

Vokany, miisa telo ny olona naratra, tsy nisy kosa ny aina nafoy.

Efa mandray andraikitra amin’ny fampandriana fahalemana ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana, ary efa voafehy ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao.

 

Publié dans Tselatra

Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, tao amin'ny Lapan'i Tsimbazaza, androany tolakandro, ireo mpikambana anatin’ny vaomiera mpanao famotorana mahakasika ny asan’ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra, tarihin’ny depiote Andriamiasasoa Doda.

Nandritra ny valan-dresaka no nilazan’izy ireo fa efa maro ireo mpisehatra nanaovana fanadihadiana toy ny Airtel, Telma, Orange, Blueline… teo ihany koa ny fiaraha-miasa tamin’ny ARTEC sy ireo ministera isan-tsokajiny toy ny fitantanam-bola, ny paositra ary ny varotra.

Publié dans Vaovao

Nitrangana haintrano goavana tao Antanambe Ambatomanjaka, Kaominina ambanivohitr’i Fasintsara, Distrikan’Ifanadiana. Manodidina ny 200 tafo no may, ka mihoatra ny 850 ny isan’ny olona tsy manan-kialofana vokatr’io fahamaizana tanàna io.

Nampiantso fivoriana maika teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ny Praiminisitra Ntsay Christian, androany, hahafahan’ny fitondram-panjakàna mijery avy hatrany ny fomba hanampiana an’ireo niharam-boina any amin’izany toerana izany.

Publié dans Vaovao

Vaky ambatolampy ny disadisa eo amin’ny Ben’ny tanàna sy ny mpanolontsaina ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Ambanja, Faritra DIANA. Efa ho enim-bolana eo izao io fifandirana io noho ny resaka fitantanana, ary dia tonga hatrany amin’ny fifampitoriana ny raharaha ankehitriny.

Vokany, voaantso natao famotorana teny amin’ny Zandary tamin’ity alakamisy 9 septambra ity ny filohan’ny Filankevitry ny tanàna sy mpanolontsaina roa.

 

Publié dans Politique

Misaona ny tontolon'ny baolina kitra Malagasy. Nodimandry i Ratsarazaka Ratsimandresy Pierre Marcel na Maître Zaka Be. Anisan'ireo mpanazatra malagasy, Instructeur FIFA, ary anisan’ireo andiany voalohany manana ny mari-pahaizana Licence A – CAF izy.

Notanterahina androany teny Ambohitraina Ilafy ny fandevenana azy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Tapitra nivoaka avokoa ny valim-pananadinana Bakalorea 2021 ho an’ireo Faritany miisa dimy eto Madagasikara ; eny fa na Antsiranana, izay tara herinandro mahery aza vao nanomboka ny fitsarana ireo taratasim-panadinan’ny mpianatra, efa nivaly ny fanadinana. Ny an’Antananarivo sisa andrasana.

Mitaintaina izay tsy izy ireo mpianatra sasa-miandry valim-pananadinana. Misy ireo mandraiky manavy. Vaka koa ny sain’ireo raiaman-dreny, ny taom-pianarana vaovao ity efa manomboka nefa raha sanatria voatery hamerin-taona ny zanany, aiza indray ny sekoly ?

 

Publié dans Tselatra

Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy ny 08 Septambra 2021 ny sampam-pampianarana Malagasy ao amin'ny Oniversiten'i Beijing any Sina, izay ahazoana ny mari-pahaizana "licence".

Tafiditra anaty vinam-piarahamiasa eo amin'i Madagasikara sy Sina ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny teny.

Fanatanterahana izany ny fisokafan’ny sampam-pampianarana Malagasy ao amin'ny Oniversiten'i Beijing, toy ny fisian’ny Institut Confucius eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

 

Publié dans Art et Culture

Hanombohana ofisialy rahampitso zoma 10 Septambra 2021 ny fanamboarana ny ampahany amin’ny lalam-pirenena faha-6, dia eo anelanelan'Ambanja sy Antsiranana.

Hotokanana amin’io andro io ihany koa ireo lalana miisa 4 vita ao antampon-tananan'Antsiranana.
Hotokanana ny sabotsy 10 Septambra 2021 ny lalana Antsiranana - Ramena. Hisy diabe miainga eo amin'ny "croisement Y" miazo ny morondranomasin'i Ramena amin’io fotoana io.

Ho avy any an-toerana hitarika ireo lanonana ireo ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2