Jeneraly Reribake Jeannot : Voatendry ho Lefitra voalohan'ny Komandin'ny Zandarimaria
Andraikitra vaovao no tazomin'ny Jeneraly Reribake Jeannot. Voatendry ho Lefitra voalohan'ny Komandin'ny Zandarimariam-pirenena ity farany araka ny didim-panjakana noraisina ny filankevitry ny minisitra androany alarobia 08 septambra 2021.
Tale jeneralin'ny ATT na Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety ny Jeneraly Reribake Jeannot nialoha izao fanendrena azy hitana andraikitra ambony amin'ny fibaikoana eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena izao.
Tahirimbolam-panjakana : Rajaofetra Andry no Tale jeneraly vaovao
Voatendry androany Alarobia 08 septambra nandritra ny Filankevitry ny minisitra ho Tale jeneraly vaovao ny Tahirimbolam-panjakana i Rajaofetra Andry.
Ary raha mifantoka amin'ny tena olana mahazo ny Gasy amin'izay
Pilo kely : Ary raha mifantoka amin'ny tena olana mahazo ny Gasy amin'izay, tsy efa ampy ve izay resaka anjorony sy ady mivady zay.
Tafandria mandry e.
Patrick
Caravane médicale : Tsy diso anjara ny Faritra Atsinanana
Nisokafana tamin'ny fomba ôfisialy tao Vatomandry androany alarobia 08 septambra 2021 ny Caravane médicale, na fizaham-pahasalamana mitety vohitra.
Hitohy any Antetezambaro sy Foulpointe izany.
Miaraka amin'ny DASP na Direction des Affaires Sociales et Politiques ao amin'ny fiadidiana ny Repoblika sy ny Minisiteran'ny Fahasalamana ary ireo mpiara-miombonantoka izao hetsika.
Nanokatra an'izany tao Vatomandry androany ny Goverinora Faritra Atsinanana Rafidison Richard Théodore.
Kraoma : Nanao naoty ny Tale Jeneraly hamerina ireo mpiasa noroahina
Araka ny baiko nomenan'ny Praiminisitra nandritra ny fihaonany tamin'ny mpiasan'ny Kraoma sy ny Tale Jeneraly vonjy maikan'ny Kraomita Malagasy ny 30 aogositra 2021, dia namoaka naoty, izay navoaka ampahibemaso androany 08 septembre 2021, ny Tale Jeneraly, hamerina ireo mpiasa 35 noroahina, hisian'ny fitoniana eo anivon'ny Orinasa, izay nampanantena ihany koa ny hiara-hiasa ampiroborobo ny Orinasa.
Mbola andrasana moa ny vahaolana aroson'ny Tale Jeneraly sy ny Filankevim-pitantanana ny andoavana ny karaman'ny mpiasa miisa 450, izay tsy voaloa nandritra ny roa taona, sy ny fanantanterahana ireo sosokevitra natolotry ny mpiasa hanarenana aingana ny Orinasa.
Marihina moa fa manana solotena ao amin'ny Filankevim-pitantanan'i Kraoma ny Ministeran'ny harena ankibon'ny tany, ny Ministeran'ny Vola, ny mpiasa kosa dia tsy manana solotena ao na dia efa niady ny hisian'izany hatrany aza izy ireo.
Kraoma : Tsy mbola naverina niasa ireo mpiasa noroahina
Mitohy ny ady mangatsiaka eo amin'ny mpiasa sy ny Tale jeneraly vonjy maikan'ny Kraomita malagasy na Kraoma.
Herinandro lasa tokoa izay no nifandimby noraisin'i Praiminisitra Ntsay Christian, no sady misahana vonjy maika ny ministeran'ny harena an-kibon'ny tany ny Tale jeneraly vonjy maikan'i KRAOMA, sy ireo solotenan'ny mpiasa, teny Ampandrianomby ny alatsinainy 30 aogositra 2021.
Nanome baiko entitra ny Praiminisitra ny amerenana tsy misy atak'andro ireo mpiasa rehetra, sady tsy nandray karama efa ho roa taona, no mbola noroahina tsy ho mpiasa intsony ihany koa.
Androany alarobia 08 septambra anefa dia tsy mbola tafaverina, ary tsy nisy taratasy nataon'ny Talen'ny Orinasa miankina amin'ny fanjakana Kraoma mamerina ireo mpiasa hiasa, araka ny baiko entitra nomen'ny Paiminisitra.
Etsy ankilany anefa, dia milaza ny Tale Jeneraly vonjy maika, Rakotomanantsoa Nirina, fa efa manamboatra ny simba amin'ny fitaovana nosoparan'ireo mpiasa ny orinasa ankehitriny, ary efa nanao handrana amin'ny milina sy ny kamiao, ary efa vonona hanomboka hiverina ny fitrandrahana karoma ao Brieville.
Efa nesorina avokoa ireo sorabaventy nanemotra ny toeram-piasana etsy Ampefiloha, foiben-toeran'ny orinasa.
Ady amin'ny piraty : Boky sy kapila mangirana hosoka aman'analiny isa no indray nodorana
Kapila mangirana hosoka 54 650 isa, niampy boky hosoka 105, ka 80 malagasy ary 25 vahiny, no nodorana teny Ambohitrimanjaka ny alatsinainy 06 septambra 2021.
Vokatra azon’ny Brigade Anti-piratage (BAP) teo anelanelan’ny Aprily 2021 hatramin'ny Aogositra 2021 ireo.
Olona 47 no voasambotra nandritra izay dimy volana izay, ary efa natolotra ny Fitsarana.
Araka ny fanazavan-dRandrianandrasana Manitrala, Chef des opérations eo anivon'ny BAP, dia voararan'ny lalàna ihany koa ireny fampidirana hira eny amoron-dalana ireny.
(Jereo Sary Tohiny)
Faritra Androy : Mpianatra miisa 13 342 hisitraka "kit scolaire"
Amin'izao fanombohan'ny taom-pianarana izao, mba hanaimaivanana ny fahasahiranan'ny raiamandreny dia
hisitraka « kit scolaire » ny mpianatra amin'ireo sekoly ambaratonga voalohany miisa 40 ao anatin'ny ZAP Ambovombe 1 sy 2. "Kit Scolaire" miisa 13 342 no tonga, ary efa notsinjaraina.
Nambaran’ny Goverinoran'ny Faritra Androy, Dr Soja Lahimaro, fa miasa ny fitondram-panjakana, ary tsy manao ambanin-javatra ny tontolon'ny fanabeazana.
Tsy maintsy hasiana fandrindrana, hoy izy, ny fomba hijerena manokana ny sosialin'ireo mpampianatra mbola tsy mahazo tambi-karama (non subventionnés) mba hamporisiha azy ireo.
(Jereo Sary Tohiny)
Sao mba tsy rariny e …
Tsy hisy Kaominina, Distrika, Faritra, ho hadino intsony eto amin’ny fampandrosoana, hoy ny teny famerimberin’ny mpitondra.
Bravo ! Iza no tsy ho faly amin’izany ?
Niandry, miandry ary mbola hiandry mandram-pahoviana anefa ?
8 septembre : Journée Internationale de l'alphabétisation
8 septembre : Journée Internationale de l'alphabétisation.