Fantatry ny filoha anie ry federasionina handisport ny misy anareo e, aza ampijaliana i Faravavy
Faravavy Aurélie dia atleta niatrika ny lalao Paralimpika tany Japon amin'ny hazakazaka 100m sy 200m ho an'ny olona manana fahasembanana amin'ny fahitana.
Mbola tsy lasa i Faravavy dia nahely fa tsy manana billet andehanana izy, nefa ny filohan'ny féderasiona no tsy manome ny programan'i Faravavy. Niantohan'ny ministera ny tapakila mitentina 20 000 000ar.
Nolazaina indray fa tsy nisy fitaovana entina any Japon i Faravavy, nefa dia mibalika be ny sary nandraisan'ny filohan'ny federasionina ny fitaovana.
Nanainga i Faravavy sy ny delegasionina, tsy nisy mba filazana na tonga soa aman-tsara na tsia i Faravavy avy amin'ny federasionina, ny masoivoho tany an-toerana no nampilaza sy nanome vaovao.
Nolazaina indray fa tsy afaka miatrika ny hazakazaka 200m indray i Faravavy, raha nahavita nanamontsana ny hafangainam-pandehany teo aloha aza izy ny 100m, nefa ny marina tara tamin'ny fotoana ny delegasionina tamin'ny antso vaky lapely, ka dia tsy afaka nifaninana i Faravavy, na dia nanana ny fahafahana nanao izany tokoa aza.
Kitra-Fifanintsanana Mondial : Hivantana amin'ny TVM ireo lalaon'ny Barea
Handeha mivantana ao amin'ny Televiziona Malagasy ireo lalao rehetra hatrehin'ny ekipam-pirenena Malagasy na Barea, izay ao anatin'ny fifanintsanana Mondial 2022.
Efa novidin'ny fitondram-panjakana ny zo hahafahan'ny Malagasy hijery ireo lalao rehetra ireo.
07/09/21:
16:00
Madagasikara vs Tanzanie
06/10/21:
République Démocratique Congo vs Madagasikara
10/10/21:
Madagasikara vs République Démocratique Congo
11/11/21:
Bénin vs Madagasikara
14/11/21:
Madagasikara vs Tanzanie
Atletisma – Tompondakan’i Madagasikara : Ny Faritra Atsimo Andrefana no nandrombaka medaly be indrindra
Tontosa tetsy amin’ny Kianja Alarobia, omaly alahady 05 septambra 2021, ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny Taranja Atletisma.
Norombahan’ny Faritra Atsimo Andrefana ny medaly be indrindra. 27 ny medaly azon’ireo Atleta nisolotena ny Faritra, faharoa ny Faritra Analamanga ary fahatelo ny Faritra Atsinanana.
Tonga nanome voninahitra izany fandaharam-potoana izany ny tompon'andraikitra eo anivon'ny Ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahantena Rosa Rakotozafy, Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena, ny Tale misahana ny fanomanana ireo taniketsan’ny fanatanjahantena Rajohanesa Harinirina Brice ary ny Talem-paritry ny tanora sy fanatanjahantena Analamanga Andriamampionona Njato Lalaina Harinoro.
(Jereo Sary Tohiny)
6 septembre : Journée mondiale des lymphomes
Cancer du système lymphatique.
Le système lymphatique est un réseau qui défend le corps contre les maladies. Il comprend les ganglions lymphatiques, la rate, le thymus et la moelle osseuse. Les principaux types de lymphomes sont le lymphome hodgkinien et le lymphome non hodgkinien.
Les symptômes possibles sont un gonflement des ganglions lymphatiques, de la fatigue et une perte de poids.
Le traitement peut comprendre une chimiothérapie, la prise de médicaments, une radiothérapie, et dans de rares cas, une greffe de cellules souches.