Guinée Conakry : Noraisin'ny Miaramila sangany ny fitondrana, voasambotra ny filoha Alpha Condé
Vao maraina ity alahady 05 septambra ity, dia basy sy fitaovam-piadiana mavesatra, ary tafondro no nirefotra sy nifamaliana teo anoloan'ny lapam-panjakana tao Conakry Guinée, firenena atsy Afrika, atsimon'i Sénégal, avaratry Libéria sy Sierra Leone, avaratra andrefan'i Côte d'Ivoire, atsimo andrefan'i Mali.
Korea avaratra : Novonoina ho faty ny minisitry ny fampianarana noho ny tsy fahombiazana
Manoloana ny fisian'ny Covid-19 dia samy naka fepetra ahafahana manohy ny fianarana amin'ny alalan'ny fampianarana ampitain-davitra na internet na Video conférence ny firenena maro.
Tsy nahomby anefa ny fametrahana izany tany Korea avaratra, ka dia nanapa-kevitra ny Filoha Kim Jong-un ny amono ho faty ny minisitry ny fampianarana tsy nahavita ny asany.
Tsy sambany izao fihetsika izao, fa ny minisitry ny fiarovam-pirenena dia efa novonoina, notifirina teo ampototry ny sofiny tamin'ny tafondro fitifirana fiaramanidina, canon anti-aérien, fa tratrany natory nandritra ny matso miaramila lehibe tany an-toerana.