Filtrer les éléments par date : jeudi, 30 septembre 2021

Tanterahina ao an-drenivohitry ny faritra Boeny ny 29 sy 30 Septambra ary ny 1 Oktobra 2021 ny fivoriambe ataon'ny Filan-kevitra Ambony ho an'ny Mpitsara na CSM. Nanokatra izany tao an-toerana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana sady filoha lefitry ny CSM, Imbiki Herilaza.

Ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara dia rafitra manaraka ny Lalampanorenana miantoka ny fahaleovantenan’ny Fitsarana sy ny mpitsara, ny fanajana ny « code d’éthique » sy ny « code de déontologie » ary ny fitantanan’asan’ny mpitsara.

Ho fampiharana ny andininy faha-9 ao amin’ny lalàna fehizoro, laharana 2007-039, tamin’ny 14 janoary 2008, momba ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara, izay milaza fa tokony hivory farafahakeliny isaky ny roa volana ny filankevitra, dia tafiditra ao anatin’izany ity tanterahina ao Mahajanga ity.

Publié dans Politique

Nisavorovoro tao Antanetibe Anativolo, Distrika Anjozorobe androany. Lehilahy iray maty voatifitry ny zandary omaly alina no voalaza fa niandohan’ny raharaha. Nentin’ny Fokonolona, efa nentin-katezerana, teny amin’ny biraon’ny zandary ilay faty.

Nitangorona ny olona, ary voahodidina ny birao. Nisintaka ny zandary, niala ny mety ho fifanjevoana. Nidiran’ny olona ny biraon’ny zandary, ary naparitak’izy ireo hatreny ivelany ny antontan-taratasy tao, tsy nijanona teo fa may hatramin’ny trano.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nanao fampahafantarana ny filohan’ny Oniversite Antananarivo fa dia ahemotra ho amin’ny fotoana manaraka ny « Salon de l’étudiant » amin’ity 2021 ity, izay tokony hotanterahina ny 30 septambra sy 01 oktobra eny Ankatso.

Tsy nambara ny anton'ny fanemorana, na misy ifandraisany amin'ny fitokonan'ny mpiasa sy mpandraharaha eo anivon'ny oniversite Antananarivo na antony hafa.

Betsaka ny mpianatra, indrindra ireo vao afaka bakalôrea 2021 no niandry ity « Salon de l’étudiant » ity, hanapahany hevitra ny amin’izay lalam-piofanana hanohizany fianarana eny amin’ny anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana. Misy amin’izy ireo no avy lavitra saingy tsy ho tanteraka anefa izany.

 

Publié dans Tselatra

Nindaosin'ny fahafatesana ny alarobia 29 septambra 2021 maraina i Romialdo, iray tamin'ireo mpianatry ny oniversite Antsiranana, niharan-doza tamin’ny moto ny alin’ny 10 septambra 2021 rehefa nody avy tany Ramena.

Roalahy izy ireo, nanao taingin-droa no tra-doza. Efa tsara ka efa nivoaka hopitaly ny alatsinainy maraina teo ny iray. Nalefa maika notsaboina teto Antananarivo i Romialdo no izao nodimandry izao, na natao aza ny ala nenina rehetra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Tonga tao Ambovombe Androy ny Dr Mahatante Tsimanaoraty Paubert taorian'ny nahavoatendry azy ho Minisitry ny Jono sy toe-karena manga.

Nangata-tsodrano tamin'ireo Raiamandreny izy amin'izao andraikitra vaovao nankinina aminy izao ; nirary soa sy nivavaka ho azy ireo Raiamandreny, ary nilaza ny rehetra fa vonona ny hifanome tanana sy hifanampy hampandrosoana ny Faritra Androy tsy amin'ny sehatry ny Jono ihany fa amin'ny lafiny rehetra.

Nanomana fitsenana sy fandraisana manokana an’i Dr Mahatante Tsimanaoraty Paubert ny tao Ambovombe, ary niray feo ny rehetra fa hanambatra ny hery, ka Androy mandroso no tanjona iraisana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Fianakaviana 4 000 ao anatin’ny Faritra Androy no nisitraka fanampiana ara-tsakafo avy amin’ny ONG DirectAid, ho fampihenana ny vesatra ateraky ny tsy fahampian-tsakafo.

Vary, voamaina, menaka, ronono, katsaka ary siramamy no nozaraina eny anivon’ny Kaominina manerana ny Faritra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Lehilahy teratany vahiny iray hita faty teo Manapatanana Amborovy Mahajanga androany maraina.

Ahiana ho nisy namono izy, avy eo natsipy tao anaty lakandrano.

Efa tonga teto ny vadiny nijery ny razana niaraka amin'ny fianakaviany.

Nifarimbona tamin'ny fakana ny razana teo an-toerana ny BMH, miaraka amin'ny mpamonjy voina, nanome tanana koa ny TVHFB Mahajanga.

 

Publié dans Vaovao

Nanao fampahafantarana ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika milaza fa ny fikatonan’ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany « APC Andriamena », dia vokatry ny ady izay misy eo aminy sy ny mpiara-miombon’antoka aminy izay nitory ny orinasa APC.

Nanamafy ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika fa tsy misy ifandraisana aminy ny fanakatonana sy ny fangejana ny orinasa APC fa didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana misahana ny toekarena.

 

Publié dans Economie

30 septembre : Journée mondiale de la traduction.

 

Publié dans Fil info
jeudi, 30 septembre 2021 13:09

30 septembre : Journée Mondiale de la mer

30 septembre : Journée Mondiale de la mer.

 

Publié dans Fil info