Filtrer les éléments par date : vendredi, 03 septembre 2021

Mpiasa aman-jatony, izay mpiasan'ireo Orinasa 4 miankina amin'ny fanjakana, misehatra amin'ny jono, no tsy nandray karama efa nanomboka ny volana janoary 2021.

Voamaika mikatso tanteraka izany izao noho ny fanasarahana ny ministera ho telo, ny Fambolena, ny Fiompiana, ary ny Jono sy Toekarena Manga (Pêche et Economie Bleue).

Mafy ny iainan'ny mpiasa ny hofantrano, efa hitady androaka ny tompontrano, ny fianaran'ny ankizy efa tsy hita ny hiatrehana azy, efa voantson'ny toeram-pianarany ny Raiamandreny sasany, hilazana fa omenay olona ny toeran'ny zanakareo raha tsy voaloa ny saram-pianarana sy ny saram-pidirana.

08 volana izao no niainana tanaty trosa lalina, na ny mpampitsosa aza efa tsy manome intsony.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 03 septembre 2021 19:44

Asa fanaovan-gazety : Nodimandry i Dany Be

Lavo ny andrarezina ! Nodimandry omaly teo amin'ny faha-86 taonany ny mpanao gazety zokiolona Rakotoseheno Daniel na Dany Be.

Paka sary no tena nahalalana azy. Nitety vanim-potoana, ary mirakitra tantara maro ny sanganasa sy tahiri-tsary nananany.

Efa notsaboina naharitraritra izy. Tao amin'ny HJRA Ampefiloha, hopitaly nitsaboana azy farany i Dany Be no lavo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Mitokona ny mpiasan'ny orinasa SECREN, mpanamboatra sy fikojana sambo, ao Antsiranana, manana mpiasa 700 eo.

Mitaky karama sy fiahiana sosialy izy ireo.

Mafimafy ny hetsika nataon'izy ireo omaly satria tonga hatrany amin'ny fanapahan'izy ireo ny jiro mampihodina ny orinasa.

Tonga nanatona ireo mpanao grevy ny Tale Jeneraly, Ntsay Abel, niaraka tamin'ny lehiben'ny mpitandro filaminana nampanantena vahaolana fa nandamoka izany hatreto. Niezaka niantso ny Filankevim-pitantanana, ary nangataka ny mpiasa hiakatra any Antananarivo fa tsy nanaiky ireo mpiasa.

Efa nisy fotoana tsy nisy asa ny Orinasa vokatry ny Covid-19, izay tsy nahatongavan'ireo sambo, fa amin'izao efa misy ny asa, efa misy ireo sambo kojakojaina, nefa ny karama tsy voaloa hoy ireo mpiasa aman-jatony.

Milaza ny hanohy ny fitokonana ao amin'ny SECREN ireo mpiasa.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
vendredi, 03 septembre 2021 10:16

3 septembre : Journée mondiale des gratte-ciel

3 septembre : Journée mondiale des gratte-ciel.

 

Publié dans Fil info