Filtrer les éléments par date : mardi, 28 septembre 2021

Famonoana ny tantsaha eto Madagasikara, ary famelomana ny tantsaha any Inde sy ireo mpanafatra ary mpisera vary, ny fanafaram-bary hatrany eto amin'ny firenena.

Tany misy, teknika voafehy, injeniera sy teknisianina misy, rano feno fa tsy fehezina, mpiasa feno tsy an'asa, ny fotodrafitrasa efa vita tsy karakaraina, misy mihitsy aza ny fikasana ny anome ny vahiny tany midadasika ambolem-bary.

Anisan'ny voly fohy ezaka ny vary, 6 volana raha be indrindra, ary maro ny faritra mamokatra in-droa isan-taona. Mbola azo ampifandimbiasina amin'ireo voly avotra ihany koa izany izy, voly 3 volana dia mamokatra, toy ny tsaramaso, ny karoty, ovy, legume, petit-pois, izay sady manatsara ny tsiron-tany hivantanan'ny ketsam-bary manaraka.

Raha 400 000 taonina no nafarana isan-taona teo aloha, dia ankehitriny nampakarina ho 600 000 taonina, ary izao lasa politika sosialy, kaly sy vatsy tsinjo, ary natao politika ampidinana ny vidim-bary vokarin'ny tantsaha eto an-toerana.

Publié dans Editorial

Edgard Razafindravahy, ministre de l’industrialisation, du commerce et de la consommation entend créer des parcs industriels répartis dans tout le pays afin que les industriels puissent s’y installer et produire des PPN ou transformer les produits que l’on trouve sur place pour relancer l’économie du pays.

Afin de pallier au manque de rizeries, de raffineries pour huile, ou encore d’industries sucrières, les terrains pouvant aller jusqu’à 15ha, seront prêt à bâtir, électrifié, et accessibles.

Pour accompagner les industriels et faciliter le lancement des nouvelles usines pour la production rapide de ces denrées importantes, le Ministère peut financer les industriels. Un fonds est prévu à cet effet. Les opérateurs malagasy sont vivement encouragés.

Edgard Razafindravahy a reçu dans la matinée du 27 septembre 2021 les Présidents des groupements du secteur privé (GEM, SIM, FIVMPAMA, et GEFP) car au sein de ces groupements se trouvent les jeunes industriels opérant dans les régions de Madagascar. Les compétences, les conseils de ces groupements, ainsi que leur collaboration seront précieux pour la réalisation de ces parcs industriels.

(Source : MICC)

 

Publié dans Economie

Nidina nijery ny asa fanamboarana ireo lavadrano miisa 46 eto Antananarivo ny Ministry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana Rakotondrazaka Ladislas Adrien. Hitany nibaribary tamin’izany fa tena kitoatoa ny asa.

Raha ny zavatra hita teny Anosy Avaratra ohatra dia vy efa niasa sy napetapetaka no nampiasain'ilay orinasa sinoa iray.
Nanapa-kevitra avy hatrany ny hampiato ny fanatanterahana ireo fotodrafitrasa ireo ny minisitra.

Mbola nanamafy ity farany fa ilaina ny fanarahana akaiky sy matetika ireo asa toa izao mba afahana mahatratra ireo mpanao asa ratsy kalitao toy izao.

 

Publié dans Tselatra

28 septambra 1986 - 28 septambra 2021, feno 35 taona androany no naha mpisoron'ny Avo indrindra ny Kardinaly Désiré Tsarahazana (namasinina ho Pretra na Mopera).

 

Publié dans Art et Culture

Hidina eny ifotony miaraka amin'ny fikambanan'ny mpanjifa ireo kaomisera miisa 330, sy mpanara-maso ara-barotra miisa 147 eto anivon'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana manerana ny faritra, hanara-maso ny vidin'entana ho marin-toerana tsy ampijaly ny mpanjifa.

Amin'ity herinandro ity no hapetraka eny amin'ny tsena ny afisy mametra ny vidin'entana ambony indrindra sy hanarahana ny lalàna amin'ny fitsinjarana ny entana.

Raha tsiahivina dia toy izao ireo vidiny farany ambony azo leferina eo amin'ny entana ilaina andavanandro :

Publié dans Sociale

Nitsidika ny orinasa FCE (Fianarantsoa Côte - Est) ao Fianarantsoa ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr'andro, Tinoka Roberto, ny alatsinainy 27 septambra 2021.

Ankoatran’ny fitsidihana ireo foto-drafitr’asa, dia nihaona sy nitafa tamin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny FCE sy ny mpiasa ihany koa ny tenany, niresahana ireo olana samihafa izay sedrain’ny orinasa.

Nampanantena ny Minisitra fa hisy ny dinika hitadiavana vahaolana izay hiarahana amin’ny solotenan’ny FCE. Ny tanjona amin’izany dia ny hamerenana indray ny herin’ny fitaterana an-dalam-by.

Taorian'izay ny Minisitra dia nitsidika ihany koa ny tany izay mety hananganana ny tobim-piantsonana vaovao ho an’ny taxi-brousse.

 

Publié dans Sociale

28 septembre : Journée Internationale du droit d'accès à l'information.

 

Publié dans Fil info

28 septembre : Journée mondiale contre la rage.

 

Publié dans Fil info

28 septembre : Journée mondiale du droit à l'avortement.

 

Publié dans Fil info