Faritra Atsimo Atsinanana : Manodidina ny 15 000 Ar ny 1 kilao amin'ny jirofo
Faritra mamokatra jirofo ny Faritra Atsimo Atsinanana. Manodidina ny 5 000 taonina eo ho eo ny vokatra raha tsara ny taom-piotazana amin'ireo Kaominina miisa 11.
Manodidina ny 15 000Ar ny vidin' ny 1 kilao amin' izao fisokafan'ny taom-piotazana jirofo izao, izay nisokatra tamin' ny fomba ofisialy ny 23 septambra 2021.
Miteraka tamberimbidy ho an'ny Kaominina sy ny Faritra izany.
Ankehitriny hitodika amin'ny fanodinana an'ireo vokatra jirofo any an-toerana ny Faritra mba ho lasa lohamenaka, ka hisy ny ivon-toerana hisivanana ny vokatra. Izany dia hiteraka asa ho an'ny mponina, fa indrindra ny tanora sy ny vehivavy.
(Sary nindramina)
Manakara : Foto-kafe 500 isa notrongisina nanaovana fivilian-dalana vonjimaika
Nampitaraina ny tompon’ny tany ny famotehana tsy an-kiera ny voliny noho ny fanamboaran-dalana Lokomby - Tanandava. Nisy famoronana fivilian-dalana vonjimaika mirefy 400 metatra teo amin’ilay tanimboly.
Tsy mandà na manohitra ny fanamboaran-dalana izahay, hoy ny tompon’ny tany fa ny nanatanterahana ny fanaovana fivilian-dalana vonjimaika, tsy mba nifampierana nialoha, nefa namotehana kafe efa ho 500 fototra, mbola narahana teny an’avona milaza fa “mandehana mitory amin’izay hitorianareo agny” no mampamahelo azy ireo.
(Jereo Sary Tohiny)
Faritra Amoron'i Mania : Vita ny lalana pavé eto ambonivohitra Fandriana, Distrika Fandriana
Anisan'ny ezaka eo anivon'ny Faritra Amoron'i Mania, izay tarihan'ny Governora, Ramatoa Mamiarisoa Aline, ny fanamboarana ny lalana sy fanatsarana ny tanàna, izay ao anatin'ny Veliranona faha 11 n'ny Filoham-pirenena.
Vita ankehitriny ny làlana pavé eto ambonivohitra Fandriana, Distrika Fandriana.
(Jereo Sary Tohiny)
Ady amin’ny valanaretina Covid-19 : Nanolotra 5 100 000 dolara ho an’i Madagasikara ny governemanta amerikana
Manohana ny ady ataon’ny fanjakana malagasy amin’ny valanaretina Covid-19 ny governemanta amerikana.
Nanolotra famatsiam-bola fanampiny mitentina 5 100 000 dolara ho an’i Madagasikara iatrehana ny valanaretina Covid-19 ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID), amin’ny anaran’ny vahoaka amerikana.
Hanatsara ny fandaminana asa, ny fiomanana ary ny fiatrehana ny Covid-19 ity famatsiam-bola ity, fa indrindra hametraka ny fotodrafitrasa mba hahafahan’ny vahoaka malagasy mahazo ny vaksiny.
Ady amin'ny Covid-19 : Tonga ny vaksiny "Sinopharm" 300 000 fatra avy amin'ny Sinoa
Nigadona tetsy amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny vaksiny "Sinopharm" 300 000 fatra izay fanomezana avy amin'ny fitondram-panjakana Sinoa ho entina hanamafisana hatrany ny ady hatrehina amin'ny valanaretina Covid-19.
Ity no andiany faha-4 tamin'ireo fahatongavana fatram-baksiny raha ho antsika eto Madagasikara.
(Jereo Sary Tohiny)
Lozam-pifamoivoizana tao Anteza : Noraisin’ny fanjakana an-tanana ny fitsaboana ireo naratra sy ny fampodiana ireo razana
Manoloana ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Anteza (PK 305+400) RN 7 Kaominina Fiadanana, Distrika Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony, izay namoizana ain'olona 12 sy naharatrana 14 hafa dia tonga teny an-toerana ny delegasiona notarihin’ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro Tinoka Roberto nisolo tena ny governemanta, nahitana ihany koa ny avy amin’ny Minisiteran'ny Mponina, ny Minisiteran'ny Fahasalamana, ny Préfet, ny Goverinoran'i Amoron'i Mania sy Mahatsiatra Ambony ary ireo Depiote ato amin'ny Faritanin'i Fianarantsoa, ireo Talen'ny Sampandraharaham-panjakana, naneho ny fiaraha-miory sy mankahery ireo izay namoy havana tao anatin’ity loza ity.
Noraisin'ny Fitrondram-panjakana an-tànana ny fitsaboana ireo marary. Norasinina an-tànana ihany koa ny ho enti-manana amin'ny fikarakarana ireo razana sy ny fitondrana ny vatana mangatsiakan'ireo namoy ny ainy hamonjy ny tanindrazany.
Mampalahelo ny trangan-javatra toy izao ka anisan'ny hahafahana hisoroka izany ny fanarahan-dalàna sy ny fitandremana izay nasian'Atoa Minisitry ny Fitaterana teny manokana.
Ambohidrabiby - Avaradrano : Miroso ny fanarenana Lapam-pitsarana sy fonja vaovao
Tonga nijery imaso ny fizotry ny asa fanorenana Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) sy ny Fonjabe ao amin'ny Kaominina Ambohidrabiby, Distrika Avaradrano, ny delegasiona notarihin'ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, IMBIKI Herilaza ny Sabotsy 25 Septambra 2021.
Miorina amin'ny velarantany 9 000m2, amin'ny faritra mitotaly 4ha, ity Fonjabe ity, izay hahazaka voafonja 1 000, ary manara-penitra.
Hisy toeram-ponenan'ireo Mpandraharahan'ny Fonja, sy ireo fotodrafitrasa ilaina ihany koa eo an-toerana.
(Jereo Sary Tohiny)
Salon : Coup d'envoi de la 3ème édition des Transports de Marchandises et de la Chaîne Logistique
La 3ème édition du Salon des Transports de Marchandises et de la Chaîne Logistique s'est tenue au Novotel Ivandry, ce 24 et 25 septembre 2021.
La cérémonie d'ouverture s'est déroulée sous le haut patronage de Monsieur Tinoka Roberto, Ministre des Transports et de la Météorologie.
Durant son allocution, Le Ministre a remercié l’organisateur de cet évènement, Rolling Company, pour cette initiative de rassemblement. En effet, cela permet à la fois de présenter les activités et les diverses offres existantes et de mettre en évidence les efforts entrepris pour favoriser la relance de ce secteur, et par ricochet la relance économique du pays après les immenses efforts mis en œuvre pour faire face aux urgences sanitaires.
Lozam-pifamoivoizana : 12 no namoy ny ainy, 14 naratra tao Anteza Ambohimahasoa
Nitrangana lozam-pifamoivoizana izay namoizana ain'olona teo amin'ny Pk305+400 RN7, tao amin'ny toerana atao hoe Anteza, Kaominina Fiadanana, Distrika Ambohimahasoa Faritra Matsiatra Ambony, ny sabotsy 25 septambra 2021 tamin'ny 08 ora sy 45 min alina.
27 septembre : Journée mondiale du tourisme
27 septembre : Journée mondiale du tourisme.