Miandry veliranon'Iarivo
Tao anatin'ny veliranon'ny ben'ny tanàna Antananarivo Renivohitra lany ankehitriny, ny hoe "Tsy hijaly rano sy jiro intsony ianao ry mponin'Iarivo".
Fanarenana taorian’ny Covid-19 : Nomen’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena 332 tapitrisa dolara i Madagasikara
Nihaona tamin’ny Tale Jeneralin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), Kristalina Georgieva, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 23 septambra 2021 tao amin’ny foiben’ny FMI tao Washington DC.
Nahazo famatsiam-bola tsy averina mitentina 332 tapitrisa dolara, na « allocation spéciale non remboursable » i Madagasikara, entina hanarenana ny firenena taorian’ny Covid-19.
Tapaka nandritra ity fihaonana teo amin’ny Tale Jeneralin’ny FMI sy ny Filoham-pirenena Malagasy ity ihany koa ny hampiasana io vola io, ary azo ampiasaina avy hatrany izany hanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana.
Fampianarana ireo zaza manana fahasamihafana : Efa andalam-pananganana ivon-toerana manokana ny Ministera
Nandritra ny fivahinianany tao amin'ny fandaharana "life talk" tao amin'ny fahitalavitra "Dream'in" ny alakamisy faha 23 Septambra 2021 no nanazavan'ny Tale jeneraly misahana ny Ara-pedagojia (DGP) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-Pirenena, Raoniherijaona Andriamiakatsilavo, fa "efa miroso tsikelikely amin'ny fananganana ny ivon-toerana ho an'ireo zaza manana fahasamihafana sy mila filàna manokana ny Ministera ankehitriny ary efa maro ireo mpamatsy vola sy fikambanana miara-miasa amin'izany".
Efa maro ihany koa ireo mpampianatra efa nahazo fiofanana ny amin'ny fandraisana an-tanana ireny zaza ireny eny anivon'ny sekolim-panjakana miisa 780 manerana ny Nosy.
Nanentana ireo ray aman-dreny ihany koa izy mba hampiditra ny zanany manana fahasamihafana eny anivon'ny sekoly satria manan-jo amin'ny fampianarana avokoa ny zaza rehetra.
"Ho an'ny eto Antananarivo sy ny manodidina aloha dia eny amin'ny EPP Ambohidroa no mandray ireo zaza manana fahasamihafana, afaka miara-mianatra amin'ireo ankizy tsotra", hoy izy nanamafy.
Vangaindrano : Polisy efa nisotro ronono hita faty nihohoka
Handeha hiasa horaka na tanimbary no nivoahany ny trano ny Talata 21 septambra tokony tamin'ny fito ora maraina. Tsy niverina anefa izy ka nampanahy ny fianakaviana satria tsy fanaony izany, ka natao avy hatrany ny fitadiavana azy.
Ny alakamisy 23 septambra vao hita izy, saingy efa vatana mangatsiaka, mihohoka, no novantanin'ny fianakaviana.
Polisy efa nisotro ronono ity raim-pianakaviana hita faty ity.
24 septembre : Journée Mondiale contre les brevets logiciels
24 septembre : Journée Mondiale contre les brevets logiciels.