Sendika SIM : Voafidy ho filoha indray i Hassim Amiraly
Mbola nametrahan'ny mpikambana fitokisana ho filohan'ny Syndicat des industries de Madagascar, na SIM, ny filoha teo aloha sady Filoha tale jeneralin’ny Food and Beverage, Amiraly Hassim.
Izy no filoha mandritra ny taom-piasana 2021-2023.
Nanatanteraka fivoriambe tao amin'ny Carlton ny mpikambana androany.
Fampitaovana mpianatra : Mpianatra miisa 6 145 nisitraka « kits scolaires » avy amin'Ambatovy
Mpianatra miisa 6 145 avy amin’ny sekoly ambaratonga fototra (EPP) miisa 18 sy sekolim-piarahamonina miisa 4 any Toamasina I sy II, Brickaville ary Moramanga no notoloran’ny orinasa Ambatovy fitaovam-pianarana (kits scolaires).
Mitentina 266 tapitrisa Ariary ity tetikasa ity ary efa fanaon'Ambatovy isan-taona ho fanampiana ny ray aman-drenin'ny mpianatra.
(Jereo Sary Tohiny)
Tsara vintana : Olona miisa fito no hisitraka saram-panjifana jiro sy rano mitentina 1 000 000 Ariary avy amin’ny JIRAMA
Noraisina teo amin'ny biraon'ny JIRAMA ireo tsara vintana tamin'ny lalao fisarihana nandritra ny lanonam-panokafana tamin'ny fomba ofisialy ny Kianja Barea Mahamasina ny sabotsy 04 septambra lasa teo.
Miisa fito (07) izy ireo, ka saram-panjifana jiro sy rano mitentina 1 000 000 Ariary azo ampiasaina mandritra ny heritaona manomboka ny volana oktobra 2021 no fanomezana natolotra azy ireo.
Marihana fa ny iray tamin'ireo tsara vintana ireo dia mbola tsy misitraka herinaratra ka "kit branchement Mora" iray hahafahany misitraka no fanomezana azony.
Nosy Malagasy : Nanao antso avo teto anivon’ny Firenena Mikambana ny filoha Andry Rajoelina
Efa 42 taona lasa izay, ny taona 1979 sy 1980 no nisy ny fanapahan-kevitra teo anivon’ny Firenena Mikambana ny hamerenana ireo Nosy Malagasy ho an’i Madagasikara. 42 taona aty aoriana, tsy mbola tanteraka ny famerenana amin’ny Malagasy ireo Nosiny ireo.
Nanao antso avo teo anivon’ny Firenena Mikambana ny filoha Andry Rajoelina mba hanara-maso ny fizotry ny asa tanterahin'i Madagasikara sy Frantsa amin'ny komisiona hiarahan'ny roa tonta, ho fampiharana ny fanapahan-kevitry ny Firenena Mikambana.
Ara-drariny tanteraka no hitakiantsika izany ho fanamafisana ny firaisankina sy ny fiandrianam-pirenena izay vatofototry ny fisandratan’i Madagasikara, hoy izy.
Niraisan’ireo firenena rehetra nandray anjara amin’ity fivoriambe andiany faha-76 an’ny Firenena Mikambana ity ny fitadiavam-bahaolana amin'ny fanarenena eo amin'ny lafiny ara-toekarena sy sosialy taorian'ny Covid-19.
Mpiasam-panjakana : Notangosana isam-bolana tamin’ny karama ny latsakemboka nefa hatramin’izao misy tsy misitraka fisotroan-dronono
Mpiasan’ny oniversiten’i Toamasina. Misy folo mianadahy izy ireo no mahatsiaro ho niasa jamba rafozana. Misy efa telopolo taona nanompoana ny firenena.
Notapahana hatrany tamin’ny karaman’izy ireo isam-bolana ny anjara vola amin’ny latsakemboka tokony arotsaka amin’ny CRCM hitsinjovana ny fisotroan-dronono.
Hatramin’izao tsy mbola misitraka izany fisotroan-dronono izany ireto zokiolona ireto. Rehefa nanaraka ny antontan-taratasy, sy namantatra ny antony izy ireo, dia kepoka fa efa hatramin’ny 1997 no tsy nisy narotsaky ny tompon'andraikitra tao amin’ny oniversite tany amin’ny Tahirimbolam-panjakana ny vola nontangosana tamin’ny karaman’izy ireo momba ny CRCM io.
Manaitra ny mpitondra ambony izy ireo ny antony tsy nandoavana ny latsakemboka, tsy isitrahan’izy ireo ny vola fisotroan-dronono mandrak’ity ny androany, nefa efa nisy ho roa taona izao no nandeha retirety.
23 septembre : Journée internationale des langues des signes
23 septembre : Journée internationale des langues des signes.
23 septembre : Journée internationale de la maladie de Willis-Ekbom.
Syndrome des jambes sans repos.
État caractérisé par une envie quasiment irrépressible de bouger les jambes, généralement le soir.
Le syndrome des jambes sans repos se manifeste généralement en position assise ou couchée. Il s'aggrave généralement avec l'âge et peut perturber le sommeil.
Le principal symptôme est une envie presque irrésistible de bouger les jambes.
Le fait de se lever et de se déplacer contribue à évacuer la sensation désagréable. Une prise en charge autonome, un changement de mode de vie ou des médicaments peuvent également aider.
DISCOURS DE SEM ANDRY RAJOELINA
DISCOURS DE SEM ANDRY RAJOELINA
PRESIDENT DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR
76EME ASSEMBLÉE GÉNÉRALE DES NATIONS UNIES 2021 – NYC
Monsieur le Président de l’Assemblée Générale.
Monsieur le Secrétaire Général des Nations unies.
Excellence Mesdames et Messieurs les Chefs d’État et de Gouvernement
Mesdames et Messieurs les délégués
Tompokolahy sy Tompokovavy (Mesdames et Messieurs), Honorable assistance.
Je tiens avant tout à exprimer un message de solidarité du peuple Malagasy à toutes les nations et à toutes les familles qui ont été durement éprouvées par la pandémie de la Covid19.
Et en ces temps particulièrement difficiles, nous réitérons notre soutient et nos encouragements au Secrétaire General Antonino Gutérres pour le leadership dont il a fait preuve pour mener notre organisation face à cette pandémie.