Andry Nirina Rajoelina, Président de la République Malagasy au 76ème Assemblée Générale des Nations Unies
Andry Nirina Rajoelina, Président de la République Malagasy au 76ème Assemblée Générale des Nations Unies
New-York 22 septembre 2021
(Cliquer sur le choix des langues, français en audio original)
https://media.un.org/en/asset/k1x/k1xyniwv3o
Fotadrevo - Ampanihy Ouest : Mpamaky fasana tratra ambodiomby
Lehilahy roa no tra-tehaky ny Kalôny Fotadrevo (Sakoatelo) teo ampamakiana fasana tao Beteza, Kaominina Fotadrevo, Distrika Ampanihy Ouest androany.
Nambaran'izy ireo fa tsy vao sambany fa efa maromaro ny fasana norobain'izy ireo nakana taolampaty, fa izao izy ireo vao tra-tehaka.
Efa eo ampelatanan'ny Zandary ny raharaha amin'izao.
(Jereo Sary Tohiny)
New-York : Nankasitraka ny filohan'ny Firaisambe Afrikanina ny Sekretera jeneraly Firenena mikambana
Notsenain'ny Sekretera Jeneraly Firenana mikambana teo ampahatongavana hiatraka ny fivoriambe faha-76, ny filohan'i Repoblika demokratikan'i Kongo, Félix Tshisekedi, sady filoha amperin'asan'ny Firaisambe Afrikanina.
Noderainy manokana ny ezaka fampandriana fahalemana, ny fampandrosoana aty Afrika. Notsindriany tamin'izany ihany koa ny fametrahana ny fandriampahalemana ao atsinanan'i Kongo. Voaresaka tamin'izany ny mety fiaraha-miasan'ny Tafiky ny Firenena mikambana sy ny Tafika ao amin'i Repoblika demokratikan'i Kongo.
New-York : Nanao kibo an-tsena ny filoha brezilianina fa tsy vita vaksiny
Entitra ny any New-York amin'ny fidirana toerana fandraisina olona maro, toy ny toerana fisakafoanana, ka dia nolavin'ireo ny fidiran'i filoha brezilianina, izay nandà hatrany moa ny tsy hanao vaksiny hiarovana amin'ny Covid-19, ka tsy nanana ilay passeport sanitaire.
Voatery nanao kibo an-tsena nihinana pizza sy coca ny delegasionina notarihany.
Araka ny fomba mahazatra moa dia ny Filoha Brezilianina hatrany no mandray fitenenana voalohany eo anivon'ny fivoriamben'ny Firenena mikambana, nahiana ny tsy hitranga ny lehilahy omaly ho fanoherana izao zava-mitranga izao, fa tonga ihany izy nanao ny kabary fanaon'ny filoham-pirenena rehetra, ka namafisiny fa manohana ny fanaovam-bakisiny iadiana amin'ny Covid-19 ny fanjakana brezilianina, fa manohitra kosa ny fametrahana ny passeport sanitaire, na ny fitakiana fanamarinana fahavitam-baksiny ahafahana miditra amin'ny toerana maro.
New-York : Andray fitenenana anio ny Filoha Rajoelina
Raha ny fandaharam-potoana navoakan'ny Firenena mikambana dia andray anjara fitenenana anio alarobia 22 septambra 2021, eo amin'ny Fivoriambe faha 76 n'ny Firenena mikambana ny Filoha malagasy Andry Nirina Rajoelina.
Amin'ny 11ora atoandro any an-toerana, na amin'ny 06ora hariva eto Madagasikara, ny fanombohan'ny kabary misesy amin'ny andro androany, ka ny an'i Željko Komšić Chairman of the Presidency, Bosnia and Herzegovina, sy ny Mpanjaka Abdullah II ibn Al Hussein, King, Hashemite Kingdom of Jordan, izay alefa amin'ny video efa voahomana mialoha, no andray fitenenana alohan'ny Filoha malagasy.
(Sary fandraisan'ny Sekretera Jeneraly ny firenena mikambana Antonio Guterres, ny filoha malagasy Andry Rajoelina)
New-York : Saika nisahotaka ny fandraisana ireo Filoham-pirenena, nitaky ny porofo tamin'ny fahavitana vaksiny Covid-19 ny Ben'ny Tanàna
Tanterahana any New-York nanomboka ny 21 septambra 2021 ny fivoriam-be isan-taonan'ny Firenena mikambana, fivoriambe faha-76, izay andraisan'ny firenena miisa 193 maneran-tany anjara.
Filoham-pirenena 100 eo no andrasana ho tonga any New-York.
Nanenjana anefa ny eo anivon'ny Tanànan'i New-York, fa izay mitondra porofo fa vita vaksiny hiarovana amin'ny Covid-19 ihany no mahazo miditra.
Nisahotaka ny mpandray anjara maro, ka dia nangatahana fanomezan-toky am-bava na "déclaration sur l'honneur" ihany ireo mpandray anjara rehetra.
Efa any an-toerana ankehitriny ny delegasionina malagasy tarihan'i Filoha Andry Rajoelina, izay efa noraisin'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana Antònio GUTERRES, izay nifampizaran'izy ireo ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19, sy ny raharaha kere any Atsimo.
22 septembre : Journée mondiale de sensibilisation à la leucémie myéloïde chronique
La leucémie myéloïde chronique fait partie des maladies du sang regroupées sous le nom de « syndromes myéloprolifératifs ». Elle se caractérise par une production excessive et persistante au sein de la moelle osseuse des globules blancs (ou leucocytes).
22 septembre : Journée Mondiale sans voiture
22 septembre : Journée Mondiale sans voiture.
22 septembre : Journée mondiale du rhinocéros
22 septembre : Journée mondiale du rhinocéros.