Filtrer les éléments par date : mardi, 21 septembre 2021
mardi, 21 septembre 2021 16:57

Mety anangana ankanin-jaza kamboty ihany

Mety anangana ankanin-jaza kamboty ihany farany fa maro ireo tsy misy mama sy papa, ka zay tonga dia lazaindreo mamandreo na papandreo foana.

 

Publié dans Tselatra

Nanatanteraka famorana faobe tamin’ireo Kaominina maro tao anatin’ny Distrika Ambovombe Faritra Androy, ny solombavam-bahoaka voafidy tao amin’ity Distrika ity sady Kestora voalohany eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, Jean Michel Henri.

Tao amin'ny Kaominina Andalatanosy no namaranana io hetsika famorana faobe io. Feno hafaliana ny vahoaka maro teo am-pandraisana sy fitsenana ny solombavam-baoaka Jean Michel Henri tao Andalatanosy, sady velom-pisaorana amin'ilay asa sosialy izay atao, no faly koa fa namangy azy ireo ny depiote izay nofidin'izy ireo.

Toy ny tamin'ireo toerana hafa, dia nahazo ny anjarany koa ny ankizy tao Andalatanosy, toy ny vary, savony, kilalao, malabary, vatomamy ary biskoitra.

Nanampy sy nanohana hatrany an'i depoite Jean Michel Henri tamin'izao hetsika sosialy izao ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Assoumacou Elia Béatrice sy ny Governoran'ny Faritra Androy Soja T. Lahimaro.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Hentitra ny fanaraha-maso ny asam-pitsarana. Tsy handeferana ny gaboraraka, tahaka ny famoahana antsokosoko voafonja sy ny fanaovana kolikoly amin’ny lafiny rehetra. Henjana ny sazy miandry ireo izay minia mbola manao izany. Hidina ifotony hanao fitsirihana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

Hafainganina ihany koa ny raharaham-pitsarana. Telo volana no hanenjehana ny taha 70/30 (ho 70% ireo voafonja efa notsaraina, ary 30% sisa ireo miandry fitsarana).

Anisany nivoitra ireo androany Talata 21 Septambra 2021 tao Faravohitra, nandritra ny tafatafa tamin’ny mpanao gazety, nataon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Atoa Imbiki Herilaza.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Fianarantsoa - Manakara, dia miankina tanteraka amin'ny fiaran-dalamby ny toerana maro eo anelanelan'izy ireo, ka dia tsy haitraitra ny fisian'ny Fianarantsoa vers La Côte Est (FCE) izay hitondrana mpandeha sy amoahana vokatra amin'iny faritra iny.

Nanafatra lohamasinina roa anefa ny mpitondra hanatsarana ny tolotra. Hatreto anefa dia mbola tsy voavaha ny olana, satria dia miaraka ampiasaina hatrany ireo lohamasinina vao nafarana sy ireo efa tranainy mbola miasa.

Manao tosi-droa mihitsy aza moa ny lohamasinina, ka dia ny iray vao nafarana misarika, ny iray hafa teo aloha manosika.

Mipetraka ny olana amin'ny fitantanana, matetika tara 2 na 3 volana ny karaman'ny mpiasa.
Misy ireo mpiasa tokony hisitraka ny fisotroan-dronona nefa tsy mahazo izany.

Misy ihany koa fitarainana avy amin'ireo mpandeha, fa na ny mpiasa aza lasa ifampitadiavana eny ampandehanana rehefa mijanona mamatratra entana ny fiaran-dalamby, kay mbola lasa "nirevy" ireo mpiasa hoy ny fitarainana, ka ry zareo indray no andrasana.

Publié dans Editorial

Nitsidika tao Taolagnaro Faritra Anôsy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle.

Nandritra izany no nanolorana ny taratasy fifanarahana arak’asa ho an’ireo Mpampianatra ENF miisa 186 noraisina ampahibemaso.

Teo koa ny fanolorana ireo fitaovam-pianarana, kapa, "tables bancs" sy "tablettes".

Nampahafantariny ihany koa fa hampiharina amin'ity taom-pianarana ity ny fanomezana fampisakafoana CEG miisa 34 sy Lycée miisa 10 ao amin'ny Distrikan'i Tolagnaro.

 

Publié dans Sociale

Notanterahina ny alatsinainy 20 Septambra 2021, ny fanokafana ny fizarana ireo tohana ara-tsakafo "Fonosana sakafo Voahomana" na "Humanitarian Daily Ration" (HDR) ho an'ireo olona ianjadian'ny tsy fahampian-tsakafo mitarazako na kere any amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana manokana, izay fanomezana avy amin'ny fitondram-panjakana Amerikanina tamin'ny alalan'ny Masoivohony, izay monina sy miasa eto Madagasikara.

Olona marefo miisa 200 no nisitraka ireto fizarana HDR miisa 200 baoritra andiany voalohany ireto, izay lisitra avy amin'ny Masera "Fille de la Charité" Ambovombe.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Hita ho miha-marin-toerana miandalana ny vidin'ireo entana ilain'ny mponina andavanandro na PPN. Tsikaritra io hatramin'ny fiandohan'ity volana septambra ity, nametrahan'ny fanjakana tamin'ny alalan'ny Ministreran'ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ny vidiny ara-drariny amin'ireo entana tena ilain'ny mpanjifa.


Tsy ny vidin'ny entana ara-drariny fotsiny ihany anefa no andrasan'ny mpanjifa ,fa ny famerana ny vidiny farany ambony ihany koa, hanamaivanana ny takaitra sy vesatra ara-tsosialy sy toekarena nateraky ny valanaretina Covid-19.

Mpamongady sy ny mpaninjara eny amin'ireo tsena samihafa na ny eto an-drenivohitra na amin'ireo tanan-dehibe maro no naneho finiavana sy fandavan-tena, tsy hanararaotra amin'ny tsy tokony ho izy ny vidin'ny PPN. Iraisan'izy ireny hevitra ny tsy hamonoana antoka nefa zakan'ny mpanjifa, araka ny lamina apetraky ny fanjakana.

Amin'izao ankatoky ny fotoam-pahavaratra sy ny maitso ahitra izao, heverina fa efa mivonona sy manana paikady hiatrehana izany amin'ny fifehezana ny vidin'ny PPN, ny fanjakana amin'ny alalan'ny Ministreran'ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana.

 

Publié dans Economie

Ny hafatra lehibe anio dia : Ilaina ny mahafantatra ny fambara momba ny aretina Alzheimer sy ny aretina toa azy.

Ilaina noho izany ny manao fitiliana ara-potoana, mba ho tsara kokoa sy tsy taraiky loatra ny fandraisana an-tanana ireo olona ireo.

 

Publié dans Tselatra

“ Tsy mifanitsaka ny fampidirana azy eny amin’ny oniversite sy IST”, hoy ny minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Profesora Assoumacou Elia Béatrice tetsy amin’ny « Salon de l’ Étudiant et de l’Emploi » tetsy Anosy, raha nanontanian’ny mpanao gazety izy momba ny fandraisana ireo mpianatra afaka Bakalorea andiany roa : 2020 sy 2021 ho an’ity taom-pianarana 2020-2021 ity, araka ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny COPRIES.

Nanambara ny Minisitra fa ireo afaka Bakalorea ny taona 2020 dia efa nahavita ny fifaninanana hidirana taona voalohany tamin’ny volana aprily sy volana mey lasa teo. Ireo vao afaka Bakalorea tamin’ity taona 2021 kosa dia mbola eo ampiandrasana ireo taratasy manamarina io fahafahany Bakalorea io, toy ny “diplôme, ny « Attestation » ary ny « Relevé des notes ». Tsy misy ny fifanitsahana hoy ny minisitra.

Etsy ankilany dia nanamafy izy fa efa nisy ny lamina napetraka nandritra ny COPRIES izay niarahana tamin’ny Filohan’ny Oniversite sy ny Tale Jeneralin’ny IST ary ireo lehiben’ny sampam-pianarana samihafa misy eto Madagasikara, ka entanina ny mpianatra mba hanatona ireny toeram-pianarana ireny haka ny fanazavana misimisy kokoa.

 

Publié dans Sociale

21 septembre : Journée internationale de la biblio diversité.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2