Ndray fleur n'ny lavanille tsara hitan'ny vongamasonao
Pilo kely : Ndray fleur n'ny lavanille tsara hitan'ny vongamasonao ndray andra araiky, nefa anao mi décide azôvy mahazo miasa na tsy miasa lavanille.
Fanaoko andre mbo magneky avandaisan'olo fo.
Misia jery eee.
Bonne nuit
Patrick
Liste des exportateurs de vanille agrées de la catégorie "ARTISANS"
Liste des exportateurs de vanille agrées pour la campagne 2021-2022 de la catégorie "ARTISANS"
(Voir Suite Photo)
Liste des exportateurs de vanille agrées de la catégorie "Industriels"
Liste des exportateurs de vanille agrées pour la campagne 2021-2022/2022-2023 de la catégorie "Industriels"
(Voir Suite Photo)
Fanondranana lavanila : Miisa 66 ireo mpandraharaha nahazo alalana
Nivoaka androany Alatsinainy ny lisitr’ireo mpandraharaha nahazo alalana hanondrana lavanila ho an’ny taom-panondranana 2021.
Fomba fiasa vaovao no napetraky ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy amin’ny fanombohan’ny fanadiovana tanteraka ny fihariana lavanila.
Nojerena isan’isany ny fangatahana nataon’ireo mpandraharaha. Tsy maintsy ara-dalàna amin’ny fandoavan-ketra sy ny famerenana vola vahiny ireo mpandraharaha mialoha ny fanomezana azy ny alalana.
Takiana amin’ireo mpandraharaha ny maha ara-dalàna azy ireo sy ny orinasany amin’ireo sehatra ireo.
Marihana fa miisa 300 ny isan’ireo fangatahana voarain’ny ministera, ka ny 66 ihany izany no nekena.
Minisitra IMBIKI Herilaza : Hentitra amin'ny fanajana ny fitsipi-pifehezana
Misy foana ny zavatra tokony ho vita isan’andro. Isan-kerinandro dia misy ny tatitra mila alefa avy amin’ny sampan-draharaha rehetra manerana an’i Madagasikara, ka isaky ny zoma amin’ny 12 ora no fara-fandraisana izany.
Misy ny tanjona apetraka isan-kerinandro, misy ny mari-drefy hanarahana ny fahatontosan’ireo. Jerena inona no vita, inona no tohizana, ary inona no mila hatsaraina.
Nivoitra ireo androany Alatsinainy 20 Septambra 2021, nandritra ny lahateny nataon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Atoa IMBIKI Herilaza, taorian’ny fananganan-tsaina teto Faravohitra.
Hentitra ny fampahatsiahivana sy fanentanana nataony ho an’ny mpiasa rehetra tsy an-kanavaka, amin’ny fanajana ny fitsipi-pifehezana anaty fanatanterahana ny asa.
Fakana an-keriny : Tao anaty lava-bato ilay zaza varira no hita, 9 andro nikarohana azy
Nisy naka an-keriny tao Befamoty, Kaominina Tanambao Ambony, Distrikan'i Betioky Atsimo ny tovolahy kely, zaza varira na bobo.
Niherenana- Vatomandry : Renim-pianakaviana namoy ny ainy niharan’ny fanolanana
Nandeha naka ravim-bomanga tany an-tsaha no nivoahana ny trano, vatana mangatsiaka no hitan’ny fianakaviany.
Tao Mahalina Fokontany Lomboka, Kaominina Niherenana Distrika Vatomandry, no niseho ity heloka bevava ity, ny 16 septambra 2021 lasa teo.
Nandeha naka ravim-bomanga tany an-tsaha no nivoahany ny trano io andro io, tokony tamin’ny 10 ora maraina. Tsy niverina anefa izy dia gaga ny vadiny, lalana efa fandehanany rahateo no nakan’ilay ramatoa ravim-bomanga io.
Rehefa nitady azy ny vadiny tokony mitatao vovonana teo dia efa vatana mangatsiakan’ilay ramatoa mihoson-dra sady miboridana ny tapany ambany no hitany.
Tetikasa MANDRAKA 3 sy fitaterana TPC : Natao sonia androany tao Paris ny fifanarahana famatsiam-bola
Tanterahina io maraina io tao amin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny frantsay, ao Paris Frantsa, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Governemanta malagasy sy ny Tahirimbolam-panjakana frantsay, mikasika ny tetikasa MANDRAKA 3 sy ny tetikasa fitaterana TPC (Téléphériques - Transport par câbles).
Zotra roa no tafiditra amin’ny tetikasa TPC, dia ny Zotra mavo mampitohy an’Anosy, Andohalo, Ambanidia ary Ankatso.
Ny Zotra mena mampitohy an’Anosy, Ambohijatovo, Analakely Soarano, Antanimena, Ankorondrano, Ivandry ary Ambatobe.
Nanao sonia tamin’ny anaran’ny Governemanta malagasy ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rindra Hasimbelo Rabarininarison, teo anatrehan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Ankilany avy amin’ny Frantsay ny minisitra delege eo anivon’ny ministera misahana an’i Eôrôpa sy ny raharaham-bahiny, Franck Riester.
Lavanila : Andrasana anio ny fivoahan’ny lisitr'ireo nahazo fankatoavana hanondrana
Anio Alatsinainy 20 septambra, raha tsy misy ny fiovana, no hivoaka amin'ny fomba ofisialy ny lisitr'ireo nahazo fankatoavana hanondrana lavanila any ivelany.
Manodidina ny 300 ny isan'ireo mpandraharaha nangataka fankatoavana fanondranana.
Tsiahivina fa nanomboka ny alarobia 15 septambra 2021 ny fisokafan'ny fotoana ahafahana manondrana lavanila any ivelany.
Kitra-Amboaran'ny Kaofederasiona : Kabwe Warriors 1 - 2 CFFA
Nandresy tamin'ny isa 2-1 nanoloana an'i Kabwe Warriors Zambiana ny CFFA Andoharanofotsy nandritra ny lalao savaranonando miverina, izay notanterahina ny alahady 19 Septambra 2021 tao Levy Mwanawasa Stadium - Ndola, Zambia, ao anatin'ny fiadiana ny amboaran'ny kaofederasiona (CAF).
(Jereo Sary Tohiny)