Filtrer les éléments par date : jeudi, 02 septembre 2021
jeudi, 02 septembre 2021 21:03

Za efa tsy hiteny tsony fa mangidy vava e

Pilo kely : Za efa tsy hiteny tsony fa mangidy vava e

Tafandria mandry aby
Patrick

Publié dans Pilo kely

Nanomboka ny Alatsinainy 30 Aogositra 2021 lasa teo, dia afaka manao vaksiny avokoa ireo olona 18 taona miakatra. Raha tsiahivina dia ireo olona handeha ho any ivelany hamita iraka na hianatra sy ireo olona manana aretina mitaiza no nomena tombony voalohany.

Araka ny fanazavana nentin’ny Dr Rivomalala Rakotonavalona dia efa vonona eny anivon’ireo toerana fanaovam-baksiny rehetra eto Analamanga ny « dose », izay marihina fa indray mandeha ihany ny vaksiny Johnson & Johnson ity fa tsy misy ny "rappel".

Efa tonga ihany koa ny eny amin’ny faritra hafa.
Mitohy ihany koa ny fanaovana ny « 2e dose » amin’ny Astra Zeneca na Covishield.

 

Publié dans Tselatra

Tovolahy vao 18 taona i Mika. Anisan’ireo mpanendaka eo amin'ny lalamby, Espace Vatomanga, Jesosy Mamonjy Antohomadinika izy.

Efa in-4 nigadra tamin'ity resaka fanendahana ity ny tovolahy saingy mivoaka foana.

Ny 14 desambra 2020 izy no voasambotry ny Polisy Antaniavo avy nanendaka dia natolotra ny fitsarana ary nigadra.

Ny 10 Martsa 2021 izy no tratran’ny Polisy 67ha raha nanendaka ary nigadra. Tratra nanendaka teo anoloan'ny Espace Vatomanga ny 31 Aogositra 2021 lasa teo izy dia izao tratra izao indray.

Mivoaka miditra eny Antanimora i Mika ary mbola vao nivoaka ny fonja vao haingana izy no tratra izao.

Publié dans Vaovao

Natao ny sabotsy 28 Aogositra 2021 lasa teo ny fampitaovana milina vaovao ny lavadrano vaovao eo Mahavelo Ambovombe-Androy mba hahafahana mitrandraka rano hamenoana ny fitoerandrano vaovao 100m3.

Vokatr’io dia mihoatra ny 220m3 isan’andro ankehitriny ny rano ahafahana mampitombo ny rano vokarin'ny AES (Alimentation en Eau dans le Sud) ao amin'ny tampon-tananan'Ambovombe .

Nitsidika tao Ambovombe Androy ny Minisitry ny Rano sy ny Fidiovana ary ny Fanadiovana Rakotondrazaka Adrien Ladislas, notronin'ireo tompon'andraiki-panjakana ao Androy, ny Alakamisy 26 Aogositra sy ny sabotsy 28 Aogositra 2021 teo.

Tamin'izany fitsidihana izany no nametrapetrahany ny amin'ny tokony ho fahamatoran'ny fintantana ireo fitaovam-pitaterana ampiasain'ny AES sy ny Ministeran'ny Rano mba hialana amin'ny gaboraraka izay isan'ny antony tsy mampandroso ny Faritra Androy ka mahatonga azy ho lasa "cimetière de projet".

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Mitaraina ny mpiasa sy mpandraharaha ao amin’ny Oniversite Antsiranana fa ny karama volana jona no voarain’izy ireo farany, dia nihantona tsy nisy fanazavana ny taorian’izay nefa efa volana septambra izao.

Teo aloha nolazaina fa mila vitaina ny digitalisation, izao efa vita izany nefa dia tsy misy karama voavaha.

Mba olombelona misakafo, ray aman-dreny mampiana-janaka, mandoa hofantrano, vidin-jiro sy rano, … nefa tsy misy vola eo an-tanana, vola sandan'ny asa nomena.

 

Publié dans Tselatra

Ny Tany no anisan'ny maha Malagasy ny Malagasy (TANIndrazana), ny tsirairay tsy misy ankanavaka dia tokony hanana tany ho azy, izay ho lovain'ny fara amandimbiny, tsy azo amidy, tsy azo zaraina.

Betsaka ireo ady tany, ny kolikoly ao anatin'izany, ny fahasarotana sy ny halafosan'ny mikarakara ny taratasy sy bokitany, ny fandovana. 70% n'ny ady eny amin'ny fitsarana madio dia resaka ady tany avokoa.

Madagasikara dia manana velaran-tany 587 000 km² = 58 700 000Ha = 587 milliard m²
Anisan'ny fototry ny fampandrosoana ny fahaizana mitsinjara ny tany (Amenagement du territoire)

Toy izao no drafitra azo eritreretina amin'izany araky ny Vina Vitasika io :

- 20% manatompo 117 400 km² = 11 740 000 ha
- 5% fambolena efa misy = 29 350 km² = 2 935 000 ha (3.5% fotsiny no misy fambolem-bary amin'izao)
- 10% toeram-ponenana, milieu d'habitation
- 20% ambolena hazo sy voankazo, ahitra maitso, ala arovana
- Ny Fambolena akarina 25% ka ho lasa 30%, miaraka amin'ilay 5% efa misy voly amin'izao.
- Tany zaraina 5% = 29 350 km² = 2 935 000 Ha =29,35 milliard m², samy mahazo 1000m² isaky ny Malagasy
- Tany lovain'ny taranaka 15%

Publié dans Editorial

Namoaka didim-pitondrana ny Prefen’Antananarivo mampahafantatra ny besinimaro, indrindra ny mpampiasa lalana, fa ho tapaka ny ampahan-dalana Namontana-Anosibe mandroso sy miverina manomboka eo amin’ny Rond point Soanierana manomboka anio Alakamisy 2 septambra misasakalina hatramin’ny alatsinainy 6 septambra 2021 amin’ny 8ora maraina.

Ho fanamboarana ny « passage à niveau » izay isian’ny lalamby mandika lalana no anton’io fanapahan-dalana io, araka ny fangatahan’ny orinasa Colas, hanatanteraka ny asa.

 

Publié dans Tselatra

Nifarana hatreto ny fandraisana anjaran’i Aurélie Faravavy amin’ny lalao olimpika natokana ho an’ny olona manana fahasembanana. Tsy voakilasy hifaninana tamin’ny 200m izy, raha tokony hiatrika izany androany alakamisy 2 septambra tany Tokyo.

Nanatsara ny zava-bitany teo amin’ny 100m no vokatra azon’i Aurélie Faravavy tamin’ity fifaninanana any Tokyo ity.

Ny 4 septambra ny delegasiona no hiverina an-tanindrazana.

 

Publié dans Sport

Ao anatin’ny fanomanana ny famolavolana ny tetibolam-panjakana 2022, dia nisy ny fivoriana sy fikaonan-doha efa natao isam-paritra nanomboka ny volana febroary 2021 lasa teo.

Natao izany mba handraisana sy nanangonana ireo hetahetan’ny Vahoaka miainga avy any ifotony. Nahafahana nanitsy ihany koa ny tetibola nampiasaina tamin’ity taona 2021 ity izany, ary hanomanana dieny izao ny tetibolam-panjakana ampiasaina ny taona 2022.

Ireo dinika sy hevitra nivoaka rehetra dia nalefa ary noraisin’ny teo anivon’ny Minisitera Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

Tsy mijanona hatreo anefa izany, fa mitohy hatrany ny dingana entina handrafetana an’izany tetibolam-panjakana izany ka anjaran’ireo Goverinoran’ny Faritra manerana ny Nosy indray no hikaon-doha miaraka amin’ireo tompon'andraikitra, teknisianina eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

Atao any Mantasoa izany ny 03 septembra 2021 izao.

Publié dans Politique