Inspiration4 - SpaceX : Tafaverina eto an-tany ireo mpitsangatsangana anabakabaka
Niainga tao Centre spatial Kennedy, Floride ireto mpitsangatsangana anabakabaka 4 mianadahy, roa lahy, roa vavy ny alarobia 15 septambra 2021, rehefa natosiky ny sambondanitra Falcon 9, hiazo ny 600km miala amin'ny tany, ambonin'ny station spatiale internationale eo amin'ny 400km, izay misy olona mipetraka.
Manambaho Andranovao : Mpanakanto voatafika, sady naratra no very vola
Notafihan'ny dahalo ny alin’ny zoma 17 septambra 2021, tokony ho tamin'ny 09 ora ny fiara kamiao nitondra mpanakanto antsoina hoe Betofy.
Avy nanao fampisehoana tao avaratr'i Manambaho Distrika Maintirano izy ireo, ary teny an-dalana no notafihin’ny dahalo 03 lahy nirongo basy mahery vaika, sy basy vita gasy iray.
Lasan'ireto farany avokoa ny entana sy vola 08 tapitrisa tany amin'ity mpanakanto ity sy ireo niaraka taminy.
(Jereo Sary Tohiny)
Komalandy - Fenoarivobe : Trano miisa 131 ravan’ny afo, 745 ireo tsy manan-kialofana
Nitrangana haintrano goavana tao Sahatampotaka, Komalandy Fenoarivobe, Faritra Bongolava, ny 18 septambra mitatao vovonana.
Trano 131 tafo no kila hotohoton’ny afo, niaraka tamin’ireo entana sy fitaovana sarobidy ary koa atontan-taratasy samihafa, toy ny bokin'omby, eny hatramin’ny vary aman-taoniny.
Mahatratra 745 ireo tsy manan-kialofana vokatr’io hain-trano io.
Beronono Ambavatapia (RN7) : Fiara sy mpandeha maro no norobain’ny jiolahy
Nisy andian-jiolahy nametraka sakan-dalana teo Fandrianjato Beronono Ambavatapia, avaratr’Ambositra amin’ny lalam-pirenena faha-7 ny alin’ny alahady 18 septambra 2021.
Amam-polony ireo jiolahy, sady mitam-basy no nampiasa zava-maranitra. Poa-basy sy tora-bato no niantefa tamin’ireo fiara tsy afa-niala tao anaty sakana.
Nasesin’ireo jiolahy norobaina ireo fiara. Vola aman-tapitrisa, firavaka, finday niampy izay entana nentina no lasan’ireo jiolahy. Samy voaroba na ny mpandeha na ny mpamily. Maro ireo fiara vaky fitaratra.
Nisy zandary ihany niara-dia tamin’ireo tandavana fiara nanao lava alina, saingy tsy nahatohitra ireo andian-jiolahy.
Nizotra niakatra vohitra, niantsinanana ireo olon-dratsy taorian’ny fanafihana.
19 septembre : Journée Internationale du Parler Pirate
19 septembre : Journée Internationale du Parler Pirate.
Hira sy mozika : Nodimandry i Sammy Rastafanahy
Misaona ny sehatry ny kanto. Nodimandry i Raharisoa Samuel, izay mitondra ny anarana maha-mpanakanto Sammy Rastafanahy, nivoy ny mozika reggae.
Izy dia mpikambana sy mpandray fisotroan-dronono ao amin'ny OMDA.