Filtrer les éléments par date : samedi, 18 septembre 2021

Ny fonja naorina eto Imerintsiatosika no fonja voalohany eto Madagasikara manaraka ny fenitra iraisam-pirenena sy manaraka ireo fepetra rehetra amin'ny fanajana ny zon'olombelona. Natolotra amin'ny fomba ofisialy ny zoma 17 septambra 2021 izany fotodrafitrasa lehibe izany teo ambany fiahian'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA.

Hahazaka voafonja miisa hatramin'ny 800 ity fonja eto Imerintsiatosika ity ary natao hitazomana ireo olona nahavita heloka bevava sy ireo sokajiana ho "dangereux" ho an'ny fiarahamonina.

Ankoatra ireo trano fatorian'ireo voafonja dia hita ao an-toerana ihany koa ny trano fisakafoanana iombonana, ny efitra fidiovana sy fivoahana ary indrindra ny "parloirs" natokana hifampiresahan'ireo mpamangy amin'ireo voafonja.

Voaaro sy tsara ambina tanteraka ny faritra rehetra eto amin'ity fonja eto Imerintsiatosika ity ary misy ireo "cameras de surveillance" manara-maso ny anatiny sy ivelany mandritra ny fotoana rehetra.

Publié dans Vaovao

Tsy misy tsy mahalala ny vokatra nateraky ny fihibohana sy ny valanaretina Covid-19.

Betsaka ireo Orinasa no sedra fahasahiranana, ny mpiasa maro tsy maintsy efaina, ny hofan-trano sy ny vidin'ny fitaovana aloa vola daholo, ny Jirama nindagana ny fakitira tsy voaloa, ny banky sy mpampindram-bola mitaky ny azy, misy aza ny efa mandrahona haka ny entana sy fananana natao antoka.
ny fianan-tokatrano efa tsy resahina, mitontongana ny fianam-pianakaviana.

Inona no atao ?

Misy singa telo amin'ny Orinasa :
- Ny Vola miditra, izay mifandray amin'ny Client
- Ny Vola mivoaka, izay mifandray amin'ny Fournisseur
- Ny mpiasa

Publié dans Editorial

Tafiakatra 9 380ha ny velaran-tany voavoly tsaramaso aty Miandrivazo tamin'ity taona 2021 ity, raha manodidina ny 3 000ha izany tamin'ny taona 2019 sy 2020. Tombanana ho 14 000 taonina ny vokatra hiakatra, amin'ny taham-bokatra 1,5 t/ha.

Ny fahavitrihan’ireo tantsaha mpamokatra niroso amin'ny asa fambolena noho ireo tohana maro ara-pitaovana sy masomboly ara-teknika nomen'ny Ministeran'ny Fambolena sy Fiompiana tamin'ny alalan'ny sampandraharaham-paritra Menabe sy ny Tetikasa AD2M (Appui au Développement du Menabe et du Melaky).

Publié dans Economie