Ankatso I : Nidian'ireo mpianatra ny biraon'ny Tale DICU
Nilanja sorabaventy mitaky ny fialan'ny filohan'ny departemantan'ny CROUA ireo mpianatra avy any amin'ny faritra Amoron'i Mania.
Antony, ny fanalana ireo mpianatra mipetraka ao amin'ny Cité an'ny oniversite Ankatso voalohany izay nesorina tsy hipetraka ao amin'ny trano misy azy ireo, ka nosoloina mpianatra avy any amin'ny faritra hafa.
Nitaky vahaolana ireto mpianatra ireto nandritran'ny 8 volana, saingy tsy nahitam-bokany izany hatreto.
Niroso tamin'ny fanidina ny trano fiasan'ny talean'ny DICU izy ireo mandra-piandry ny vahaolana aroson'ireo tompon'andraikitra.
Mampiady ny samy mpianatra ny talen'ny departemantan'ny CROUA hoy ny filohan'ny mpianatra avy ao amin’ny faritra Amoron’I Mania, Heritiana Oussen, ka mila esorina eo amin'ny toerany.
Fanondranana lavanila : Manodidina ny 300 isa ireo mpandraharaha nangataka fankatoavana
Hivoaka amin'ny fomba ofisialy amin'ny Alatsinainy 20 septambra ho avy izao no ny lisitr 'ireo mpandraharaha ahazo fankatoavana hanondrana lavanila any ivelany.
Manodidina ny 300 eo isan'ireo nangataka fankatoavana fanondranana voaray teto anivon'ny minisitera, araka ny nambaran'ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy, androany.
Fantatra koa fa ho tonterahana rahampitso 17 septambra ny fivorian'ireo mpanangom-bokatra lavanila any amin'ny faritra SAVA.
Ho dinihana manokana mandritra izany ny fandaminana rehetra hiatrehana ny fotoana fanondranana ny lavanila.
Imbiky Herilaza : Noraisiny an-tanana ny fitsaboana ramatoa roa marary mafy kanefa tsy misy mpiahy
Malagasy mifanampy ! Noraisin’Atoa Imbiky Herilaza, Mpitahiry ny tombokasem-panjakana sady minisitry ny Fitsarana, an-tanana ny fitsaboana ramatoa roa marary mafy kanefa tsy misy mpiahy, ao amin'ny hopitaly Befelatanana.
Tiberkilaozy na raboka sy aretim-po moa no mahazo azy ireo. Mpanasa lamba tsy misy havana, ary mpivarotra kapoaka sy tavoahangy.
Amin'ny Maha-Malagasy, hoy i Imbiky Herilaza dia “tsy hainay sy ny mpiara-miasa akaiky ny hijery fotsiny. Ampitiavana no nanomezana tolotanana vonjimaika, ary ihany koa nanapa-kevitra ny handray an-tanana ny fitsaboana azy ireo hatramin'ny fivoahany hopitaly”.
Hanadio sy handoko ireo efitrano 30 isa, izay fandraisana ireo marary ihany koa izy ireo, araky ny fangatahana niantefa taminy.
(Jereo Sary Tohiny)
Fantatrao ve : Mampigadra hatramin'ny 5 taona an-tranomaizaina ny fanaovana taratasim-bola tsy misy anto-bola
Chèque sans provision no ahalalantsika azy mivantana.
Mazava ny lalàna 2004-045 tamin'ny 14 janoary 2005, ao amin'ny andininy voalohany : Eo ampanaovana taratasim-bola na seky na chèque, dia tokony hamarinin'ny mpanao seky ny fisian'ny vola ampy, sy azo alaina avy hatrany, mifanentana amin'ny mari-bola soratany, ny tompon'ny seky iray.
Ny tsy fisiana na tsy fahampian'izay vola izay ao anaty kaonty amin’ny banky, rehefa misy maka ilay seky, dia mitarika fisintonana ny seky sy tsy fahafahana manao seky mandritra ny 1 taona, izay mihatra avy hatrany, ary azon'ny Fitsarana hitarina hatramin'ny 5 taona.
Aparitaky ny Banky Foibe amin'ireo banky rehetra ny tsy fahafahan'io olona io hanao seky, interdiction bancaire, ankoatra ny seky voamarina mialoha, chèque certifié.
Mihatra amin'ilay olona nanao ny seky ihany koa ny sazy na sekin'ny orinasa aza no nosoniaviny.
Ao anatin'ny 5 andro nahitana, ary voalaza amin'ilay nanao seky fa tsy misy vola na tsy ampy ilay kaonty, dia tsy maintsy fenoina sy efaina ilay vola, raha tsy izany dia heverina ho tsy manana hitsim-po ilay olona (bonne foi), ka mivadika ho fanenjehana ady heloka ny raharaha.
Guinée : Mbola tsy votsotra ny filoha voahongana Alpha Condé
Nandefa iraka tany Guinée ny Vondrona ara-toekarena aty amin'ny faritry Afrika andrefana na ny Communauté économique des Etats d’Afrique de l’Ouest (Cédéao, organisation régionale), hijery ny toe-pahasalaman'i Alpha Condé, filoha teo alohan'i Guinée, izay nahongan'i Kolonely Mamady Doumbouya ny 05 septambra 2021.
Mbola voatazona ao amin'ny toby miaramila manokana ity filoha teo aloha ity, ary salama tsara izy, izay mahazo fizahana fahasalamana manokana avy amin'ny dokotera mpitsabo azy, ary misakafo ara-dalana avy amin'ny mpahandro mahazatra azy hatramin'izay, voamarina fa tsy nisy fikasihan-tanana azy, na tsy fanajana ny maha olona azy, hoy ireo nanao ny fitsirihina, izay misy minisitry ny raharaham-bahiny maromaro avy aty Afrika andrefana, mandrafitra ny delegasionina ny zoma lasa teo.
Jirama : Varotra hafahafa hoy madama iray izay
Nandeha tongotra ho eny Mahamasina aho, nisy madama nitondra 4x4 izay nijanona fanandrify ahy.
- Bonjour monsieur Patrick
- Bonjour
- Azafady manaka-dresaka anao an-dalana, fa te hisintona ny sainao za
- Mahakasika inona io ?
- Za grossiste no asako, arakaraky ny maha betsaka ny entana vidian'olona amiko, dia mihena ny vidiny, fa ity Jirama ity indray, arakaraky ny maha betsaka ny laninao, izay vidiana, dia mitombo indray ny vidiny, hafahafa raha varotra an.
- Marina koa aloha zay, fa ny hevitrandreo dia hoe, ny manana, izay mandany jiro betsaka kokoa, miantoka sy mameno ny vidiny ho an'ireo tsy manana, izay manjifa kelikely
- Ka za anie efa mandoa hetra maro be omena ny tsy manana e, ka nahoana za mbola iantoka hatramin'ny jiro sy ranondreo koa.
Mirary soa e
Patrick
No comment
Lavanila : Miakatra ny maripana any amin'ny Faritra SAVA
Raha tokony nanomboka omaly alarobia 15 septambra 2021 ny fisokafan'ny fotoana ahafahana manondrana lavanila any ivelany, dia hatreto tsy navoakan'ny fanjakana ny lisitr'ireo Orinasa mahazo alalana hanao izany asa fanondranana lavanila any ivelany izany.
Miakatra arak'izany ny feo avy amin'iny faritra SAVA mpamboly lavanila iny, satria dia famonoana ny tantsaha mpamboly, famonoana ireo Orinasa matihanina misehatra amin'ny lavanila izao zavatra mitranga izao.
Misy arak'izany fampiantsoana nataon'ny GPAS na Groupement des Préparateurs Acheteurs de Sambava, na vondrona iarahan'ireo mpisehatra rehetra momba ny lavanila, rahampitso zoma 17 septambra 2021, izay anehoan'izy ireo ny tsy fahafaliany amin'izao zavatra mitranga izao.
Anisan'ny asain'izy ireo amin'izany ny Praiminisitra ary ny Ministry ny Indostria sy ny Varotra.
Seranam-piaramanidina ao Mananara Avaratra : Sady niova anarana no niova mpitantana
Miova sata miova andriana ! Sady niova anarana no niova mpitantana ny seranam-piaramanidina ao Mananara Avaratra. Ny orinasa Malagasy Spices indray no hitantana ny seranam-piaramanidina, ary hiova ho "Spices Land Aérodrome" ny anarany.
Brieville – Tsaratanana : Mpianaka maty notifirin’ny jiolahy
Maty notifirin’ireo jiolahy tsy nananany antra ilay renim-pianakaviana iray mpivarotra entana ilain’ny mponina andavanandro, rehefa nalain’izy ireo ankeriny nandritra ny fanafihana mitam-basy nitranga ny harivan’ny alakamisy 7 septambra tao an-tananan’i Brieville Distrikan’i Tsaratanana, Faritra Betsiboka.
Naratra mafy voatifitra teo amin’ny kibo sy sandriny ny zanany lahy. Nentina notsaboina tao Ambatondrazaka, saingy tsy tana ihany koa ny ainy omaly alarobia 15 septambra 2021.