Niakatra 300% ny saran'ny kaontenera avy any ivelany
Pilo kely : Niakatra 300% ny saran'ny kaontenera avy any ivelany, ka inona fa tsy ho Triplon zany ny vidin'ny PPN sy quincaillerie kelikely.
Tafandria mandry
Patrick
Andranomanalina : Manomboka manatsara ny fomba fiasa
Manomboka manatsara ny fomba fiasa ireo kaomity ao amin'ny fokontany Andranomanalina Isotry, izay tarihan'ny filoham-pokontany vaovao Fetra Panoel Andriatsitoara.
Ny tanjona dia ny fialana amin'ny gaboraraka sy ny kolikoly misy teto amin'ity fokontany ity izay nahitana lesoka be mihoam-papana hoy ny filoham-pokontany Fetra Panoel.
Misy ny fanatsarana ny kalitaon'ny asa, toy ny fanomezana rosia hoan'ireo maka taratasy ilaina rehetra, izay tsy nisy hatramin'izay. Eo ihany koa ny asa fanadiovana ny tanàna.
Hitohy ary hiroso hatrany amin'ny mangarahara tanteraka ny fitantanana ity fokontany Andranomanalina Isotry ity hoy hatrany ny filoha mpitantana.
Notanterahina tamin'ny zoma 10 Septambra 2021 teo ny fifamindram-pahefana teo amin'ny filoham-pokontany vaovao sy ny teo aloha.
(Jereo Sary Tohiny)
Fiahiana ara-tsosialy : 228 ireo mpamorona efa nisitraka fisotroan-dronono
Notanterahina tao amin’ny Foiben’ny Ofisy Malagasy momba ny zon’ny mpamorona, na OMDA, etsy Antaninandro Antananarivo ny fandraisana ireo mpamorona miisa 14 vaovao hisitrika fisotroan-dronono.
228 ny isan’ireo efa misitraka ity fisotroan-dronono ity ao amin’ny OMDA hatramin’ny nametrahana ity fiahiana ara-tsosialy ity.
77 ireo efa nodimandry.
(Jereo Sary Tohiny)
Ady amin’ny kere : Nidina nanara-maso ireo asa tanterahina any atsimo ny minisitry ny fambolena sy fiompiana
Nitsidika sy nanara-maso ny fizotran‘ireo asa fampiroboroboana ny faritra Androy sy Anosy, izay mifandraika amin’ ny «Plan Émergence du Grand Sud » ny Minisitry ny Fambolena sy Fiompiana, Atoa Ramilison Harifidy ny 12 sy ny 13 Septambra 2021.
Anisan’ izany ny toerana fanodinana ny mangahazo ho lafarinina sy gari, ny foiben'ny CTAS (Centre Technique Agro-écologique du Sud) ao Ambovombe faritra Androy, ary ny toerana hametrahana ny tetikasa « titre Vert » ao Agnarafaly Kaominina Ifotaka faritra Anosy.
Nandritra io fotoana io dia nisy ihany koa ny dinik'asa izay niarahana tamin’ny Governoran’ireo faritra roa ireo sy ireo tompon’andrakitra isam-paritra ahafahana mamaritra ny paikady maharitra hiadiana amin’ny kere any amin’iny faritra atsimo iny.
(Jereo Sary Tohiny)
Vatovavy - Fitovinany - Betsiboka : Samy miandry izay mba ho Governorany
Faritra vaovao, faha-23, i Vatovavy ao anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa. Vao amam-bolana no nosarahina tamin’i Fitovinany. Faritra efa nisy hatramin’ny 2004 kosa i Betsiboka.
Samy miandry izay mba ho Governorany ireo Faritra ireo. Ho an’i Betsiboka manokana dia efa roa taona izao no niandrasany izay mba ho Governorany.
Raha ny lalàna no jerena, dia rehefa nosarahina i Vatovavy sy Fitovinany, dia tsy manan-kery intsony ny fanendrena ny Governora Vatovavy-Fitovinany nitambatra, noho izany dia mila fanendrena vaovao ihany koa na Vatovavy ankilany, ary Fitovinany andaniny.
Tsy ampy 3 izany izao ny Governora, Vatovavy, Fitovinany ary Betsiboka.
Fanabeazam-pirenena : Mpampianatra miisa 43 000 manerana ny Nosy miofana maimaipoana
Ny marainan'ny alatsinainy faha 13 septambra 2021, tao Toliara no nanokafan'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Marie Michelle Sahondrarimalala, tamin'ny fomba ofisialy ny fiofanana mpampianatra miisa 43 000 manerana ny Nosy, mikasika ny vakiteny, ny kajy sy ny asa an-tsoratra ho an'ny kilasy T1 sy T2.
Izany fiofanana maimaipoana izany dia ho tanterahin'ny INFP eny anivon'ny CRINFP manerana ny Madagasikara, ary ho zaraina boky avokoa izy ireo ao anatin’izany.
Tonga nanatrika sy nanome voninahitra izany fotoana izany ny Minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro, Tinoka Roberto, izay Minisitra mpiahy ny faritra, sy ny Governora ny Faritra Atsimo Andrefana.
Nisy ihany koa ny fizarana ireo taratasy fifanarahana arak'asa (contrats de travail) ho an'ireo mpampianatra ENF miisa 36, ho an'ny Toliara I, ary 178 ho an'ny Toliara II, ary fizarana kits scolaires ho an'ny mpianatra ao amin'ny EPP Mahavatse.
(Jereo Sary Tohiny)