Delestazy Jirama Antsiranana, Toamasina, Toliara
Tsy misy menaka sa lany solika sa tsy voahefa drala Enelec ?
Ambarao ty marina, fa ny mpanjifa magnefa vola fakitira midangana avao.
Tsara mandry aby.
Patrick
Antsirabe : Voasambotra ireo jiolahy tompon'antoky ny vaky trano nisesy
Nahitam-bokany ny ezaky ny Polisim-pirenena nanoloana ny vakitrano nisesy tato ato taty Antsirabe Vakinankaratra.
Jiolahy nambaran’ny mpitandro filaminana fa efa kalaza no sarona tamin’izany ka nahatratrarana karazan’etana isan-karazany toy ny biskilety am-polony, baffle sy zava-maneno, solosaina entin-tanana sy ny maro hafa.
Toerana maro tao Antsirabe no nitrangan’ny vaky trano io, ary efa nampimenomenona ny maro izany, ary dia izao nahatratrarana jiolahy niisa roa izao.
Efa natolotra ny Fampanoavana ireo jiolahy ary tazomina am-ponja vonjimaika.
Faux-cap Androy : Trozona hita faty nifandrombahan'ny mponina
Nahitana trozona efa maty tao amoron’i Faux-cap ny sabotsy 11 septambra 2021 teo.
Manoloana ity tranga dia nandray andraikitra avy hatrany ny ministeran'ny Jono sy ny toe-karena manga tamin'ny alalan'ny sampandraharaham-paritra Androy amin’ny fandraràna ny mponina mba tsy ihinana ny henan’ny trozona sy ny menaka azo avy aminy.
Izany dia niarahana tamin’ireo manam-pahefana tany an-toerana sy ny lehiben’ny firaisan’ny fikambanan’ny mpanjono.
Amin’izao fotoana izao dia efa milamina ny toe-draharaha.
(Jereo Sary Tohiny)
Fakana an-keriny : Sarona ireo mpanao ratsy rehefa niriaria nandritra ny 7 volana
Nahitam-bokany ny ezaky ny mpitandro filaminana momba ny resaka fakana an-keriny tao Antsirabe, rehefa nokarohina nandritra ny 7 volana ireo mpanao ratsy. Taorian’ny 05 septambra lasa teo mantsy dia nanomboka hita ny nisy ireo olon-dratsy nanao izany.
Raha ny fanazavana nentin’ny Kaomisera Andriamampiononna Ramaromanompo Romule, dia ny 25 Martsa 2021 no nisy naka an-keriny ny zazavavy iray atao hoe Maminirina Charline, ary tsy hita izy nanomboka teo.
Ny 31 Martsa 2021 dia nisy olona nitaky vola 10 tapitrisa Ariary tamin’ny fianakaviany. Norahonan'ireo olon-dratsy hovonoina ilay zazavavy raha tsy manome io vola io ny ray aman-dreniny.
Tsy nisy moa ny vola ka novonoin’ireo olon-dratsy ilay zazavavy, ary teny Andranomanelatra no nahitana ny faty efa votetitetika ny 04 Aprily 2021.
Maki Andohatapenaka : Drakaka 421kg tsy manaraka ny fenitra
Saron’ny foibe mpanara-maso ny Jono, ny 13 Septambra 2021, teny amin’ny Tobim-piantsonan’ny fiara Maki Andohatapenaka ny drakaka milanja 421kg izay tsy manaraka ny fenitra.
Marihina fa araka ny lalàna dia drakaka mirefy mihoatra ny 11sm no azo trandrahina, ka hentitra ny Ministeran’ny Jono sy ny toe-karena manga amin’ny tsy fanarahan-dalàna rehetra mikasika ny seham-pihariana jono.
(Jereo Sary Tohiny)
Fiarovana ny mpanjifa : Hohamafisina ireo fidinana ifotony hanara-maso ny vidin'entana ara-drariny
Hohamafisina ireo fidinana ara-barotra eny ifotony hahafahana manara-maso akaiky ny fanajàn’ny mpandraharaha rehetra ny vidiny ara-drariny napetraka.
Ireo no toromarika hentitra nomen’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana Edgard Razafindravahy nandritra ny fihaonany tamin’ireo kaomisera ara-barotra tetsy Ambohidahy androany.
Kaomisera ara-barotra miisa 26 mianadahy andiany fahasivy misalotra ny anarana « MADIO » vao nivoaka teny amin’ny sekoly ambony ENAM ireto nifampidinika niaraka tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ireto.
Tafiditra ao anatin’ny andraikitra fototry ny minisitera ny fiarovana sy fitsinjovana mandrakariva ny mpanjifa, hoy ny Minisitra.
Notsindriany manokana ny maha zava-dehibe ny fanatanterahina ny asa ao anatin’ny mangarahara tanteraka ho tombontsoan’ny mponina malagasy.
Ambohitrimanjaka : Nisokatra ny «Sous-caisse» andoavana fisotroan-dronono
Misokatra nanomboka ny zoma10 septambra 2021 hoan’ny « mpandray fisotroan-dronono » ny « sous-caisse » Ambohitrimanjaka, izay mifandray amin’ny Perception Principale Ambohidratrimo.
Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Tahirimbolam-panjakana sy ny Kaominina no nahatanterahan’izao tetikasa izao, ho fanakaikezana bebe kokoa ny mpisitraka sy ho fanamaivanana azy ireo amin’ny filaharana.
Afaka mandray ny fisotroan-drononony eny an-toerana ireo zokiolona mandritra ny dimy andro voalohany hivoahan’ny fisotroan-dronono.
Zokiolona manodidina ny 250 eo ho eo, izay efa nisoratra anarana mialoha no efa misitraka izany ao amin’ny « sous-caisse » Ambohitrimanjaka manomboka ity volana Septambra ity.
Ireo izay maniry ny handray izany eny an-toerana kosa dia manao ny fangatahana eny amin’ny toerana fandraisana fisotroan-dronono mahazatra azy.
(Jereo Sary Tohiny)
Menabe Connexion : Ambohimpihaonan'ny kolontsaina sy fanatanjahantena
Tonga taty Morondava nanokatra ny hetsika izay karakarain'ny fikambanana Menabe Connexion ny 10-11-12 Septambra 2021 ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Mamod'Ali Hawel, no sady filohan'ity fikambanana ity, ny 10 Septambra 2021.
Nambarany fa fampandrosoana ny faritry Menabe eo amin'ny lafiny tanora sy ny fanatanjahantena no isany ahatongavan'izy ireo aty an-toerana.
Nisaotra ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ihany koa izy tamin'ny fanendrena azy ho mpikambana ao amin'ny governemanta.
Fanamby napetraky ny minisitra ny tsy maintsy ahavitan'ny Kianja ao Morondava.
Nisantarana ny hetsika ny fifaninanana "beach soccer". Misy koa ny fampisehoana sy ny fifanankalozana.
(Jereo Sary Tohiny)
Imbiky Herilaza : Natolony hanampiana ny any Atsimo ny karamany telo volana
Natolotry ny Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana sady minisitry ny Fitsarana Imbiky Herilaza ny karama maha-Minisitra azy, mandritry ny telo volana, ho an'ireo Faritra telo dia Atsimo Andrefana, Androy ary Anosy.
Ho mariky ny fiombonam-po amin'ny Vahoaka eo amin'ireo Faritra telo ireo izay tratry ny fiovan'ny toetr'andro no antony araka ny nambarany taorian'ny lanonam-pitsarana manetriketrika nametrahana ny Lehibean'ny Fampanoavana ao amin'ny Fitsarana Ambony tao Toliara ny herinandro lasa teo.
13 septembre : Journée Mondiale contre la Septicémie
Le terme septicémie, créé en 1837 par le médecin français Pierre Piorry, à partir des mots grecs Σήψις (putréfaction) et αίμα (sang), désigne la présence de bactéries (voire de champignons ou de virus) dans le sang. Le sepsis affecte principalement les individus déjà fragilisés, les nouveau-nés et les personnes âgées.
Complication potentiellement mortelle d'une infection.
Le sepsis survient lorsque des substances chimiques diffusées dans le système sanguin pour combattre une infection provoquent une inflammation dans tout le corps.
Cela peut entraîner des changements en cascade qui endommagent plusieurs systèmes organiques, conduisant à une défaillance de ces derniers, jusqu'à entraîner parfois la mort.
Les symptômes sont la fièvre, des difficultés respiratoires, une hypotension artérielle, une accélération du rythme cardiaque et une confusion mentale.
Le traitement inclut des antibiotiques ou des fluides en intraveineuse.