Filtrer les éléments par date : vendredi, 10 septembre 2021

Nitrangana asan-dahalo omaly alakamisy 09 septambra, tokony tamin'ny 07ora hariva, niraradraraka ny poabasy, voatifitra ilay tovolahy sahabo ho 20 taona, nalain'ireto dahalo an-keriny kosa ilay ramatoa mpivarotra PPN ao am-povoan-tanàna.

Nifanenjehan'ny zandary ireto dahalo ireto, indrisy fa notifirin'izy ireo ramatoa RAFANANANA Miarantsoa Sandrine, ka dia namoy ny ainy teo Ambanitsena fokontany Brieville, Distrika Tsaratanàna nihazo ny renirano kely eo Tsivakilay.

Ilay zanany lahy kosa nentina any Ambatondrazaka hamonjy fitsaboana.

Bala kalaky maro isa no hita teny an-toerana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
vendredi, 10 septembre 2021 13:38

Amborovy Belinta : Niantso vonjy tsy nisy namaly

May io alakamisy hifoha ny zoma 10 septambra ny trano iray tao Amborovy Belinta Mahajanga, niezaka niantso ny mpamonjy voina, fa tsy nisy mamaly.

Ny teo amin'ny manodidina no nifanome tanana namonoana ny afo izay nijoalajoala tokoa. May tsy nisy noraisina ny entana maro sy ny trano 2. Tsy nisy naratra, tsy nisy aina nafoy.
Mbola tsy fantatra ny nahatonga ny firehetan'ny afo.

Tezitra ny mponina manodidina, inona izany no ilana ilay Appel Urgence, ary rehefa restaurant vahiny no misy voina dia malaky tonga ny pompier, hoy hatrany izy ireo maneho ny alahelony.

 

Publié dans Vaovao

Nidina ifotony teny Isotry ny Sampan-draharaha misahana ny fiarovana ny mpanjifa avy eto amin'ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy Varotra ary ny Fanjifana, na MICC, raha vao naharay vaovao mari-pototra mikasika ireo entana lany andro sy ahitana daty sandoka omaly 09 septambra 2021.

Tra-tehaky ny kaomisera sy mpanara-maso ara-barotra avy eto amin'ny MICC ireo olona mpisandoka sy mpandika lalàna manova ireo daty voamarika eo amin'ny entana efa tsy azo hohanina intsony.

Natao avy hatrany ny fanagiazana ireo entana rehetra ary natao famotorana kosa ireo olon-dratsy ka hatolotra eo amin'ny Fampanoavana anio.

Manentana hatrany ny mpanjifa ny ministera hanamarina hatrany ny daty voamarika eo amin'ny entana izay jifaina, ary koa hanantona avy hatrany ny tompon'andraikitra avy eo amin'ny ministera raha vao mahita trangan-javatra mampiahiahy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Noravaravain’ny afo ny Fokontany Miadana, Kaominina Tsarahasina, Distrikan’i Port-Bergé ny sabotsy 04 septambra lasa teo.

Afo niainga avy tamin'ny tokantrano iray no nihavian’ny loza, tokony mitatao vovonana. Olona nikarakara nahandro.
Tsy voafehy ny môtro (afo) ka niitatra. Ny andro koa somary nisy rivotra.

Araka ny loharanom-baovao dia 177 ny isan'ny trano may ary 885 no tsy manan-kialofana vokatr’io haintrano goavana io.
Rava fanana tsy manan-koraisiny ny ankamaroan’ireo traboina, ka miandrandra fanampiana avy amin’ireo tsara sitrapo sy malala-tanana.

Hatreto mbola tsy nisy vonjy tonga na dia efa natao avokoa aza ny tatitra miakatra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao
vendredi, 10 septembre 2021 11:05

Sekolim-bahoaka : Maimaimpoana moa ?

Sekolim-bahoaka : Maimaimpoana moa ?

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Miandry fa Gasy ! Iray amin’ireo Kaominina niisa 24 nambaran’ny CENI fa averina ny fifidianana Ben’ny tanàna, ny Kaominina ambonivohitr’i Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro.

Raha ny voalazan’ny lalàna dia ao anatin’ny 120 andro aorian’ny fampahafantarana ny ministeran’ny Ati-tany ny didy namoahana ny voka-pifidianana no anatanterahana ny famerenana io fifidianana io.

Mbola ny paika araky ny lalàna ihany koa no milaza fa ny governemanta no mangataka amin’ny CENI ny handrosoan’ireto farany tetiandro tokony hanaovana izany famerenana ny fifidianana izany.

Mandrak’ity ny androany tsy nisy io.

Publié dans Editorial
vendredi, 10 septembre 2021 10:06

Chasser le Naturel, il revient au Galop !

Une éminente personne de l'est, reputée pour des spoliations de terrain, réitère son coup.

Déjà coutumière du fait dans les années 2000, loin d'incarner l'exemplarité de ses ailleux, la personne essaye de spolier sans vergogne des familles de petits fonctionnaires parfaitement dans leur droit, dans le quartier de Salazamay à Toamasina.

Pour faire simple, un terrain privé de l'Etat à été vendu à cette éminente personne au mépris de la loi. Ainsi s'arroge-t-elle le droit de menacer d'expulser la petite famille qui ne cherche qu'à vivre dans la quietude de leur retraite bien méritée après toute une vie de sacrifice et de loyaux services.

C'est un scandale à suivre. Un scandale de plus ?

 

Publié dans Politique

Tatitra ampahibemaso nataon'ny Sampandraharaha Malagasy iadiana amin’ny famotsiam-bola na SAMIFIN, omaly, mikasika ny ady amin'ny famotsiam-bola sy ny famatsiana ny fampihorohoroana.

578 lavitrisa Ariary no heverina ho famotsiam-bola ny taona 2020.

Betsaka ny asa vita ary tsy vitsy ihany koa ny miandry, Asa sy andraikitra ho an'ny toekarena Malagasy, hoy ny Minisitry ny Fitsarana sady Mpitahiry ny tombokasem-panjakana Imbiky Herilaza.

Manana andraikitra goavana amin'izany koa ny Fitsarana Malagasy ary manohana tanteraka ny SAMIFIN, hoy izy nanamafy izany.

 

Publié dans Politique

10 septembre : Journée Mondiale de prévention du suicide.

 

Publié dans Fil info