Faritra Atsinanana : Tonga nanara-maso ny asa fanamboaran-dalana ao Manambato ny Governora
Tonga nijery sy nanara-maso ny asa fanamboaran-dalana izay mampitohy ny toeram-pitsangatsanganana ao Manambato ny Goverinora Faritra Atsinanana, Rafidison Richard Théodore, ny Alarobia 01 septambra 2021.
Mahavelombolo ny fandrosoan'ny lalana mihazo an'i Manambato.
4,5 km amin'ny 7km no vita, ary azo antoka ny hahavitany amin'ny farany volana septambra 2021.
Tsy maintsy namafisina amin'ny rarivato ireo fiakarana malama mba hahatanty orana.
Tanjona ny hametrahana an'i Manambato ho toeram-pitsangatsanganana hisarika olona maro amin'ny fialantsatsatry ny Toussaint ho avy izao hoy ny Governora Faritra Atsinanana.
(Jereo sary Tohiny)
Faritra Atsinanana : Notoloran'ny Goverinora fanomezana sy fitsangatsanganana ireo mpianatra sangany
Notoloran'ny Goverinora faritra Atsinanana, Rafidison Richard Théodore, fanomezana sy fitsangatsanganana ireo mpianatra sangany tamin'ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC 2021 avy amin'ireo Distrika 7 mamaritra ny Faritra Atsinanana androany alarobia 01 septambra 2021.
Ankoatra ny lanonana fanolorana fanomezana dia nisy ihany koa, niaraka tamin'ireto mpianatra ireto, fitsidihana ny Seranantsambon'ny Toamasina sy ny orinasa Savonnerie Tropicale, ary fiarahana nihinana lasopy tao amin'ny Restaurant Fortuna sy ny Glace Abdallah Awad izay samby mampalaza an'i Toamasina.
Mpirahalahy mianala
Arrivée prévue à Ivato ce jour 1er septembre 2021 à 13h30 heure local
Arrivée prévue à Ivato ce jour 1er septembre 2021 à 13h30 heure locale :
Décollage à l'instant à la Réunion :
1- Samuel ETO’s FILS (Camerounais)
2- Moustapha Abdulah Marson Ex-DirCab CAF et Directeur Gouvernance et Compliance (Malagasy)
3- Agnelo Lopez Team Manager Barea (Cap verdienne)
(Photo Samuel et Moustapha et Mme le Consul Général de Madagascar à la Réunion)
Kitra - Madagasikara sy Bénin : Hivantana amin'ny TVM sy ny RNM ny lalao
Hampita mivantana ny lalao baolina kitra fifanintsanana ny Mondial 2022 hifanandrinan'i Madagasikara sy Bénin ny TVM sy ny RNM ; lalao izay hatao ny Alakamisy 2 Septambra 2021 amin'ny 7 ora hariva.
Handeha hivantana ao amin'ny pejy youtube an'ny FIFA ihany koa ity lalao ity.
Io no lalao voalohany hatao ao amin'ny Kianja Barea Mahamasina, ary koa lalao voaloany hatrehin’ny mpanazatra Eric Rabesandratana taorian’ny nanendren’ny Federasiona Malagasy ny Baolina kitra azy, handray an-tanana ny Barea.
Bakalorea 2021 : 42,19% ny tahatam-pahafahana ho an’i Toamasina sokajy ankapobeny
Nivoaka omaly talata 31 aogositra ny voka-panadinana bakalorea taona 2021 ho an’ny Faritany Toamasina.
12 414 tamin’ireo mpiadina voasoratra anarana niisa 29 420 ho an’ny sokajy ankapobeny no afaka soamantsara, manome tahatam-pahafahana 42,19%.
779 amin’ny mpiadina niisa 1 700 kosa no afa-panadinana ho an’ny sokajy teknika, manome tahatam-pahafahana 45,82%.
Taom-pianarana 2021-2022 : Nanomboka androany ny fidirana
Niverina an-tsekoly ny mpianatra. Manomboka ity 1 septambra ity ny taom-pianarana 2021-2022, izay hizara roa volana in-dimy.
Ny volana voalohany amin’ity taom-pianarana vaovao ity dia hatokana hanaovana famerenana sy fanenjehana ireo izay tsy vita tamin’ny taom-pianarana lasa noho ny fiatoan’ny fianarana nateraky ny fihibohana.
Amin’ny volana jona 2022 kosa no hifaranan’izany amin’ny alalan’ireo fanadinana samihafa.
« Apetraka eny anivon’ny sekoly ny fampisakafoanana an-tsekoly ; omena « caisse école » ireo sekoly isan’ambaratongany, ary hisy fiakarany izany amin’ity taom-pianarana 2021-2022 ity ; hahazo fitaovam-pianarana avokoa ireo mpianatra rehetra miisa iray tapitrisa mahery ; tsy hisy intsony ny fandraisana na fampidirana mpampianatra Fram eny anivon’ireo sekolim-panjakana manerana ny nosy ; napetraka ny lamina hiatrehana ny mety ho fisian’ny fikorontanan’ny fianarana raha sanatria mbola hisy ny valanaretina « Covid-19 », araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.
Septambra : Volana eran-tany iadiana amin’ny aretina Alzheimer
"Fantaro ny Alzheimer, ilaina ny fitiliana ara-potoana" no lohahevitra amin'ity taona ity, izay mamporisika antsika rehetra tsy ankanavaka mba tsy hanana ahiahy amin'ny famantarana ny momba ny aretina, ka afahana mahatsikaritra haingana kokoa raha tokony hanao fitiliana.
Ny fanaovana fitiliana haingana no afahana mitady vahaolana malaky sy mahomby iadiana amin’ireo vokatra ratsy rehetra aterakin'ny aretina Alzheimer sy ny aretina toa azy, na amin'ny lafin'ny toe-pahasalamana, na amin'ny lafin'ny fahaleovantena, na amin'ny lafin'ny sosialy, sns ...
Ny aretina Covid-19 sy ny fiovàna maro nentiny tamin’ny fiainantsika andavanandro koa, dia anisan’ny antony naharatsy kokoa ny fahasalaman’ny saina sy atidoha. Maro noho izany ny fepetra tokony raisina, ary tsy ny zokiolona ihany akory no voakasik’izany.
Tahirimbolam-panjakana : Tapa-bolana tsy misy Tale Jeneraly
Noraisina, nandritra ny Filankevitry ny minisitra natao tao amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny Alarobia 18 Aogositra 2021, ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2019-2217 tamin’ny 11 desambra 2019 izay nanendry ny Tale Jeneralin’ny Tahirim-bolampanjakana eo anivon’ny Ministeran’ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola.
Nihato nanomboka teo ihany koa ny fandoavam-bola rehetra eo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana ankoatra ny karama mandram-panendry ny Tale jeneraly vaovao ny Tahirimbolam-panjakana, toerana izay banga efa tapa-bolana izao.
Ministeran’ny Fitaterana - Mpitatitra : Homena sehatra ny fiarahana midinika
Nandray ny solotenan’ny mpitatitra eto Madagasikara, ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetrandro, Tinoka Roberto, ny talata 31 aogositra 2021 teo Anosy.
Fihaonana nentina indrindra nifankahalalana sy nifanoloran-tanana ho amin’ny fiaraha-miasa hanatsarana ny asam-pitaterana.
Nanambara ny Minisitra fa ny zavatra hotapahana rehetra entina hampandrosoana ny tontolon’ny fitaterana, ny dinika arak’asa rehetra eo amin’ny asa fitaterana manerana ny Nosy dia hiarahana midinika daholo.
Hisy ny fivoriana arak’asa hiarahana sy ny fotoana hijerena amin’ny antsipirihany ireo asa maro izay tsy mbola tanteraka ka tokony hovitaina faran’izay haingana.
(Jereo Sary Tohiny)