Filtrer les éléments par date : mercredi, 08 décembre 2021

Raha noheverina nisitaka ny Filatex tamin'ny firodorodon'ny fokonolona, izay milaza nanamasaka ny tany, rehefa lasa ireo Colon ny taona 1923, ary manana karatany ankehitriny, dia ny EMMO indray no mibahana ny toerana hidiran'ny Orinasa malagasy, izay tompon'antoka amin'ny fanitarana ny seranatsambon'i Toamasina, izay iarahana miasa amin'ny Japoney.

Ity orinasa ity, dia manana taratasy ara-dalàna amin'izany fifanarahana haka ranon-tany izany, ary nahazoan-dalana avy amin'ny sampandrahara miaro ny Tontolo iainana na ny ONE, nahazo alalana tamin'ny Kaominina, ary manana fifanarahana mazava amin'ny fikambanana miandraikitra ny toerana.

Tafiditra ao anatin'izany fifanarahana izany ny fandaminana ny toerana rehefa vita ny fakana ny ranon-tany anotofana ny ranomasina anitarana ny seranan-tsambo.

Hihazo ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo anefa ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny 9 sy 10 desambra ho avy izao. Ho tanterahina mandritra izany diany izany ny fitokanana ny asa fanitarana ny seranan-tsambon'i Toamasina, ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy Japon, ny fanombohana ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha dimy miainga ao Soanierana Ivongo ary fitsidihana fotodrafitrasa maro samihafa.

Publié dans Vaovao
mercredi, 08 décembre 2021 17:17

8 décembre : Journée Mondiale du Climat

8 décembre : Journée Mondiale du Climat.

 

Publié dans Fil info