Filtrer les éléments par date : lundi, 06 décembre 2021
lundi, 06 décembre 2021 20:19

Tsy lalana intsony no iantsoana ny RN2

Isaky ny 100m raha be indrindra dia lavaka, ary lavaka be sady manimba fiara no mety hiteraka loza, tsy lazaina ny fotoana very.

Hatreto tsy misy ny fanamboarana, na dia ho fanotorana ny lavaka fotsiny.
Sady tery no ratsy ny lalana no betsaka ny kamiao vaventy mivezivezy.

Tafandria mandry.
Patrick

Publié dans Pilo kely

Hifarana amin'ny alarobia 15 desambra izao ny taom-pitsarana amin'ity taona 2021 ity.

Hatreto dia milamina tsy arahin-tebiteby ireo polisy voalazan'ity mpandraharaha tanora ao Ambatoboeny fa nilako sy nikasi-tanana azy, rehefa avy nanampy tamin'ny fisamborana ilay lehilahy noheverina fa nanolana zaza 8 taona, izay niafara tamin'ny fahafatesan'ity zazavavy kely ity mihitsy.

Ny mpitandro ny filaminana moa raha misy raharaha mahakasika azy toy izao dia mila hatrany fahazoan-dalana avy amin'ny lehibeny vao azo atao fanadihadiana, hatreto tsy mbola misy izay fanomezan-dalana avy amin'ny lehiben'ny Polisy izay.

 

Publié dans Tselatra

Tafajoro androany 6 desambra 2021 ny birao maharitry ny CENI. Ireto avy ireo mpikambana vaovao mandrafitra izany :

Filoha/Président :
• DAMA Andrianarisedo Retaf Arsène

Filoha lefitra voalohany/ Premier Vice-Président :
• ANDRIAMALAZARAY Andoniaina

Filoha lefitra faharoa/ Deuxième Vice-Président :
• HOUSSENE Abdallah

Filoha lefitra fahatelo/Troisième Vice-Président :
• RAZAFIMAMONJY Laza Rabary

Publié dans Politique

Androany maraina alatsinainy 6 desambra dia tonga tety an-toerana ireo mpiasa nirahan'ny Filatex, angorona ireo ambina fefy tsy voapetaka rehefa nosakanan'ny fokonolona nanamainty molaly ny tany.

Ny Emmo kosa dia manohy miambina ny tany, izay nolazain'ny Filatex fa misoratra aminy.

Tsiahivina fa nahazo didy avy amin'ny fitsarana ny sabotsy lasa teo ahafahana miditra ny faritra izay nofefen'ny Filatex.

Mametram-panontaniana ireto fokonolona ny amin'ny hoe tena niala ve ny Filatex sa paikady ihany izao satria manao politikan'ny Colon, ny azo tsy avotsotra, fa miroso tsikelikely eo ihany.

Sa miandry ny fandalovan'ny Filoham-pirenena, izay manana programa hitsidika ny faritra Atsinanana tsy ho ela, rahateo veliranon'ny Filoham-pirenena ny anaovana famokarana herinaratra mandeha amin'ny masoandro kasaina atao amin'io toerana io.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Ny asa vaventy no vita dia nihitsoka teo efa ho herintaona izao ny asa fanorenana sekoly manara-penitra aty Matoantsetra, Faritra Analanjirofo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

"Izay ataonareo amin'ny kely indrindra dia ataonareo amiko". Io ampahan-teny amin’ny Soratra Masina io no nentin’Atoa Imbiki Herilaza, Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana naneho fitiavana tamin'ireo olona tena sahirana tamin’ny toerana samihafa teto Antananarivo Renivohitra, ny andron’ny Alahady 5 desambra 2021.

Nifarimbona nanatanteraka izany tamin'ny Fikambana Aiñy Araiky sy tanora aman-jatony, tsara sitrapo nizara sakafo efa vonona teny Andralanitra, Analakely, Behoririka, Tsaralalàna, 67ha...

Nandrindra sy nikarakara ny hetsika ihany koa i Zaylahy Rodriguez.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Mandeha ao amin'ny efitrano faha-4 ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy ny fitsarana ireo olona voarohirohy amin'ilay fikasana hifofo ny ain'ny filoham-pirenena tao anatin'ilay raharaha "Apollo 21".

Olona 20 mianadahy, (vehivavy 2 sy lehilahy 18) no mijoro manoloana ny mpitsara sy ny mpitsara mpanampy 6 mianadahy.

Nisintona fotoana fohy ny Fitsarana taorian'ny fiantsoana ny anaran'izy ireo.

Nohamafisina tsy toy ny fahita isan'andro ny fiambenana sy fitaovana eny an-toerana.

 

Publié dans Politique