Filtrer les éléments par date : samedi, 04 décembre 2021

Niato tsy fidiny ny fianarana ao amin'ny CEG Fotadrevo, Distrika Ampanihy. Nopaohin'ny rivotra ny 1 desambra lasa teo ny tafon'ny CEG ao an-toerana.

Manao antso avo amin'ny manampahefana sy ny malalatanana hifarimbona amin'ny fanarenana ity fotodr'afitr'asa ity, hiverenan'ny fampianarana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Efa ho lava ny tsy fisian-drano, tsy misy anefa ny vahaolana mazava, hany ka teny an-dalambe no nanehoan'ny olona ny hatezerany, toy ny nitranga teny Ampandrianomby, Itaosy... izay niteraka fanelingelenana ny fifamoivoizana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nitrangana haintrano tao Toamasina androany. Tokony teo amin’ny 5 ora sy fahatelony no nitranga ny afo tao Bazary Be, 14 Rue Bertho, Bd Joffre, bâtiment Tang Seng.

Naharitra adim-pamantaranandro telo ny famonoana ny afo, izay nifarimbonan'ny Pompiers n’ny Port sy Aéroport de Toamasina, ny Ambatovy, ary ny an’ny Commune Urbaine de Toamasina.

Nanampy azy ireo koa ny Polisim-pirenena sy ny Zandarimariam-pirenena, ary ny Fokonolona.

Araka ny tatitra voaray dia trano fivarotana miisa 6 sy trano fonenana iray no may.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Tonga vao maraina androany sabotsy 04 desambra 2021 ny Vadintany nahazo didy avy amin'ny Fitsarana ny analana ny fefy nanakanan'ny Filatex hidiran'ny mponina sy ireo miasa ao anatin'ity tany lazain'ny Filatex fa ananany taratasy maha tompony azy, hanaovana famokarana herinaratra mandeha amin'ny masoandro, veliranon'ny Filoham-pirenena, raha ny mponina mivondrona amin'ny fikambanana FIPAMA (FIKAMBANAN'NY MPAMBOLY MANAMBATSIO) no nanajary azy rehefa lasa ireo colon naka ny tanin'ny razandreo ny taona 1923.

Publié dans A la Une