Filtrer les éléments par date : vendredi, 31 décembre 2021

Nidina aty amin'ny Faritra Atsimo ny solotenan'ny fikambanana Ambanivolo Miakatra sy Aiñy Araiky, tarihan'i Zaylahy Rodriguez, nijery ety ifotony ireo vahaolana maharitra hiadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere aty atsimo.

Ho fanamariana ny maha zava-dehibe ny firaisan-kina eo amintsika samy mpiray tanindrazana, satria « ny vohin-kava tokoa mahatratra » dia nitondra izay kely voatsirambin’ny tanana atolotra ho an’ireo « Longontika » eto amin’ny fokontany « Ampary», androany 31 desambra 2021, satria ankatokin’ny farany taona, ny fikambanana.

Publié dans Sociale

Ho famaranana ny taona 2021, sady fankalazana ny faha 10 taona nijoroan'ny Club DI'HIR, dia nikarakara fifaninana eo amin'ny tanora avy aty Androy manontolo, izay ahitana ny avy eto Ambovombe, ny avy ao Tsihombe sy Beloha ary Bekily, ny Kestora voalohany ny Solombavambahoaka voafidy taty Ambovombe Androy, HENRI Jean Michel.

Nanome ny loka rehetra natolotra nandritra io fifaninana io, ny Depioté HENRI Jean Michel, izay mitentina eo amin'ny efatra tapitrisa eo.

Inefatra miantoana ny fifaninana ka ny talata 28 desambra 2021 lasa teo no notanterahina ny famaranana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Nanolotra lampes solaires miisa 50 ho an'ny fokontany rehetra ao amin'ny Kaominina Sainte Marie ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana IMBIKI Herilaza.

Nisy ihany koa ny fizarana fanafody tamin'ny CSB II.

Ary ho fanaovam-beloma ny taona sy fiarabana sy hiatrehana ny taona vaovao 2022, dia nikaraka fifaninanana baolina kitra ho an'ny tanora ny Minisitra IMBIKI Herilaza tao Sainte Marie, ka Omby 4 no natolotra ireo ekipa 4 tompon-daka tamin'ny zones 4.

Nisaotra ireo mpiaramiasa akaiky sy ireo nandrindra ary nanatanteraka izany hetsika rehetra izany moa IMBIKI Herilaza, izay niarahana tamin'ny Fikambanana Aigny Araiky.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao