Filtrer les éléments par date : jeudi, 23 décembre 2021

Vita ny installation arrosage automatique goutte à goutte, izay hanomezana rano tena ilain'ny voly na voninkazo ihany, ka mampihena ny rano very (sy vola very mazava ho azy), dia 3m3 isam-bolana no lany amin'ny rano (3 x 500ar = 1500ar isam-bolana), raha impolon'izany no lany teo aloha, izay tsy nanatsara ny voninkazo sy ny voly akory.

Ankehitriny, dia nampidirina indray ireo tantely, satria dia nihintsana voniny fotsiny ireo voankazo nambolena satria tsy misy tantely.

Raha ny fanazavan'i namana Hasina, avy any Carion, nividianana azy, dia tokony hanome 14kg eo ny Ruche iray raha tsara ny vokatra, miankina ihany koa amin'ny voninkazo na felan'ny hazo hitany eo amin'ny 3km manodidina eo.

Mbola maro ny fianarana atao momba azy ity, fa ny mazava aloha dia tsy misy atahorana izy, na hoe anaikitra, rehefa tsy tsindriana sy tsy tabatabaina.

Tsy misy atahorana amin'ny manodidina na zaza milalao eny an-tokotany ihany koa, satria ny tantely dia tsy mihaza olona na biby, fa miaro tena, ary izy dia miakatra ambony fa tsy midina ambany raha misy ny manakotaba azy.

Publié dans Editorial